Ho an’i Mama

RAZANAKOTO Robine
30/06/2005 - 30/06/2008
ANY IANAO
Njao mitamberina ato an-tsaiko
’Reo teny mamy napetrakao
Mamelombelona ny aiko
Mbola eto foana « ianao »
Sarotra kosa ange ry Neny
Ny tsy maintsy hanekena
lanao any, kanefa izahay aty
Dia tsy maintsy izany foana ve akia ?
Ra-tojo olana mianjady
« zava-misy foana » io hoy ianao
Tsy maintsy vonona hiady
Fantatro fa miahy ahy ianao
Tsy hanadino anao ny foko
Na dia lavitra aza ianao
Loharanom-pifaliako
Sy fahasambarako hatramin’izao
Soa fa eo ny fanantenana
Mbola eo koa i Dada
Tsy mitsahatra mitady
Miezaka mameno ny banga
Tsy hanaiky anefa aho
Raha tsy ahazo hanantena
Fa mbola ho avy ilay andro izay
Fiarahantsika mianakavy indray
O ! ry Mama telo taona lasa tokoa izay
No nandaozanao anay
Toa mangahiahy ny fiainanay
Fa very namana izahay.
– Avy amin’i Dada
RAZANAKOTO Samuel
– Avy amin’ireo zanakao
ANDRIANAVONY Manitra sy Mbola
RAZANAKOTO Rado sy Lalaina
RAZANAKOT0 Zo
– Avy amin’ireo zafikelinao
RAZANAKOTO Radoniaina
– Avy amin’ny Reny malalanao
RAVELOARISOA
– Avy amin’ireo iray tampo aminy
ANDRIAMISAINA Guy mianadahy avy sy ny vady aman-janany ary ny zafikeliny
– Avy amin’ireo iray tampo amin’ny Dada
RANDRIAMASY mianadahy sy ny zanak’aman-jafiny