Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 20 avril 2024
Antananarivo | 16h59
 

Fahatsiarovana

RANARIJESY RAJASMINA Annie

« Iaveh ô, na aiza na aiza no alehako,
Ny tendrinao no nanondro ny hiainako
Ny sitrakao no namaritra ny androko
Tsy maizina ho Anao na aizina aza
Hazavana mamiratra ny alina ».

Tsarovy amim-bavaka izy.

RANARIJESY RAJASMINA Annie
16 janvier 2005 - 16 janvier 2008

Eny tokoa indray miserana ihany ny iainantsika tsirairay
Izay ilaozana, mipitrapitra
F’ilay fandalovanao tety, tsaroana foana ho anay
Isan’andro, isa-minitra
Fa dia fotoana fohy dia fohy
No nampindramana anay, fo tena be fitiavana
Poa toa izay dia nafoy
Dia tsy maintsy koa nekena, tsy ametrahana fandavana
Tena mamy, mamy be
Ilay niarahana taminao tamin’ny andro maro lasa
Tsy ho adinonay
Sa ‘zay tokoa no atao hoe
Ny soa tsy mba mateza n’inon’inona kinasa ?
Fa ao am-po mandrakizay

Tiana, Andry, Njara, Rova

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS