Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
dimanche 2 novembre 2025
Antananarivo | 19h53
 

Fahatsiarovana

RAKOTO VINCENT

jeudi 2 août 2007 |  1328 visites 

02 Août 2005 - 02 Août 2007

RAKOTO VINCENT

Toy ny vao omaly ny roa taona nandaozanao anay, ka tohina ny fery. Izay rehetra atao, izay rehetra mitranga dia hahatsiarovanay anao. Faneva entinay mioitra ireny anatra aman-kolon-tsaina nanefenao anay ireny. Mbola marefo ny fo amam-panahinay, saingy mino izahay, fa ho tanteraka aminay ilay fampanantenan’i Jesoa hoe :

« Tsy havelako ho kamboty ianareo, fa hankaty aminareo Aho »
(Joany 14, 18)

Hisy lamesa ho fialan-tsasatry ny fanahiny ao amin’ny katedraly MD Maurice Fénérive-Est ny 02 Août 2007 amin’ny 6 ora maraina.

Ny vady aman-janakao, ny zafinao
Ny Fianakaviana manontolo.