Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 20 avril 2024
Antananarivo | 11h48
 

Malagasy

Sekoly ambony ESMGC

Oniversiten’ny vondrona ACEEM

samedi 1er décembre 2007 | Hery A.

Hisokatra amin’ny fiandohan’ny taona 2008 ny sekoly ambony ESMGC « Ecole supérieure de maintenance, de gestion et de communication » sampam-pianarana mitovy lenta amin’ny oniversite naorin’ny vondrona ACEEM etsy Manakambahiny.

Tsy ny fahazoan-dàlana manangana trano no nahafahana nanangana ny sekoly fa didy navoakan’ny minisitera rehefa nahafeno ny fepetra manara-penitra. Miisa 14 no efitrano fianarana miampy efitrano lehibe iray sy ireo birao isan-karazany. Ity no sampam-pianarana faha 7 ao amin’ny vondrona ACEEM izay nanendren’ny filankevim-pitantanana tarihan’ny filohany atoa Ratrema William an’atoa Rakotomahanina Emile Ralaisoa ho tale jeneralin’ny sekoly ESMGC. Nampahafantatra ny mombamomba ny sekoly tamin’ny mpanao gazety ireo tompon-kevitra tamin’ny fananganana ny sekoly sy ireo tale isan-tsokajiny ao amin’ny Vondrona ACEEM tarihan’ny tale jeneralin’ny ACEEM atoa Ramaromanana Sylvain. Maharitra 3 taona ny fiofanana handraisana mpianatra manana diplaoma bakalorea ka afaka misafidy amin’ny taranja « maintenance », na « gestion » na « Communication ». Ny diplaoma azo amin’ireo dia ilay tena ankatoavin’ny fanjakana, ny fiofanana rahateo dia hanaraka ny fomba LMD.

Araka ny lalàna dia manana mpiara-miasa matotra amin’ny alalan’ity sekoly ambony ity ny vondrona ACEEM ahitana ny oniversite Antananarivo, oniversite any Toulouse, ENSEEIT Toulouse, Microsoft ary ny TOP System.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS