Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 25 avril 2024
Antananarivo | 23h28
 

Malagasy

Raharaha Imerintsiatosika

Olona folo naiditra am-ponja vonjimaika

lundi 6 octobre 2008 | Njaka

Naharitra hatramin’ny folo alina ny faharetan’ny fakàna ambavany tamin’ny fampanoavana tao amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany tao Arivonimamo ny alarobia lasa teo. Ny raharaha fandrobana sy fandorana tokantranona mpanangom-bokatra tao imerintsiatosika noheverina fa mpangala-jaza no antony. Ny folo tamin’izy ireo no nampidirana amponja vonjimaika, iray vehivavy. Ny 11 hafa kosa nahazo fahafahana vonjimaika mandra-piandry ny fotoam-pitsarana. Anisan’izany ilay ramatoa nilaza fa manan-janaka notazonina kanefa tsy nisy izany akory. Araka ny fanadihadihana dia io ramatoa io no nitarika ny olona hanao fandrobana. Saika ireo olona nandroba fanana sy nandoro trano avokoa ireo nigadra ireo. Ilay raharaha ala-jaza miisa valo kosa dia voalaza tamin’izany fa tsy marim-pototra taorian’ny fakàna ambavany fa hiakatra fitsaràna tsy ho ela ihany koa. Tamin’ny 4 jolay teo no nitranga ny korontana. May ny trano fonenan’i Rabezanahary Modeste, tompon’ny mpitatitra “Zaza mila vola”. Nahatratra zaza nianika tamboho saika hangalatra piesina fiara ny tompontrano tamin’izany. Rehefa tonga ny ray amandrenin’ny zaza dia nolazain’olona fa mpangala-jaza izy ireo ka nirohotra nandroba sy nandoro ny fananany ny mponina. Fiara vaventy roa sy fiara madinika telo no may tamin’izany, vola 75 tapitrisa ariary no voalaza fa nanjavona nandritra izany. Tsy voasakan’ny polisy sy ny zandary izany na dia efa nanatevin-daharahana ny mpitandro ny filaminana manokana avy aty Antananarivo, ny avy any Arivonimamo sy Miarinarivo. Tsy tafiditra tao an-tanàna noho ny tora-bato koa ny fiaraben’ny pompier saika hamono afo tamin’izany.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS