Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mercredi 24 avril 2024
Antananarivo | 04h35
 

Malagasy

Eveka Razanakolona sy Hery Rafalimanana

Ny tsodrano zava-mahery...

vendredi 23 novembre 2007 | Hery A.
Mahaleova mahalasàna hoy ny Eveka.

Noraisin’ny Evaka Odon Razanakolona teny amin’ny trano fiasany eo Andohalo, omaly hariva ny PDS Rafalimanana Hery ka nisy ny dinika nifanaovan’izy ireo manokana izay niompana tamin’ny fangatahana tsodrano amin’ny hiatrehan’ny PDS ny fifidianana ben’ny tanàna amin’ny faha 12 desambra ho avy izao.

« Ny tso-drano zava-mahery », hoy atoa Rafalimanana Hery raha nanontanin’ny mpanao gazety izy, ary ny tsodrano azo teto dia tsodrano naraham-bavaka. Ankoatry ny fifandraisan’ity PDS ity tamin’ireo ankolafinkery sy karazam-pinoana aram-pivavahana samihafa ka hanohanan’ireny fikambanana ireny azy amin’ny fifidianana, dia efa nahazo tsodrano tamin’ny pasitera Andriamanjato Richard, ben’ny tanana voalohany teto Antananarivo, Efa notsofin’ny antoko TIM sy ny filoha Ravalomanana rano ary izao nahazo tsodrano tamin’ny Eveka izao indray.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS