Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mercredi 1er mai 2024
Antananarivo | 10h11
 

Malagasy

Bongolava • CFA « Centre de formation et d’appui »

Ny tanora sy ny tontolo ambanivohitra

lundi 7 avril 2008 |  726 visites  | Hery A.

Nanomboka tamin’ny taona 2000 hatramin’ny taona 2007 no nanatanterahana ny tetik’asa fametrahana ny tanora mpandraharaha amin’ny tontolo ambanivohitra tamin’ny alalan’ny tetik’asa PROJER « Projet des jeunes ruraux », eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Fambolena sy Fiompiana ary ny Jono.

Ao anatin’ny ezaka fiovana maitso maharitra ny tetik’asa ka miompana amin’ny fanitarana ny faritra hamokarana ny fiofanana rehetra. Io no nambaran’ny tale jeneralin’ny CFA, atoa Randriamanantsoa Jafetra
Amin’ireo toerana nisy ny « ferme d’etat omby » taloha, ao anatin’ny faritra Bongolava no misy ity toerana fiofanana ity. Isan-taona no mamoaka mpianatra matihanina ka mpianatra manana bakalorea no niatrika ny fiofanana.

Ankehitriny dia CFA na « Centre de formation et d’appui » ilay tetik’asa PROJER teo aloha. Tanjon’ny CFA ny hiarovana ny tany ampiasain’ireo mpandraharaha izay mpanampy ny tanora miatrika fiofanana ao Ambatofotsy, anatin’ny distrikan’ny Tsiroanomandidy.

Ny ANAE, fikambanana mpandalina ny teknikam-pambolena no miara-miombon’antoka amin’ny CFA amin’izao fotoana izao ka mitondra ny fampiofanana ireo tanora miisa 245. Tanora manana bakalorea miisa 325 no niatrika fitsapam-pahaizana, 303 no nahavita fiofanana. Làlana mirefy 150 km mampitohy ny kaominina miisa 5, misy faritra 4 anaovana fampiharana no namboarin’ny CFA.

Fiofanana mahakasika ny famokarana masomboly, famatsiana fitaovana sy trano honenana mandritra ny fiofanana no imasoan’ny CFA amin’izao fotoana izao. Vita ny fiofanana ho an’ireo tanora ka efa ao anatin’ny fambolena ry zareo. Tany 20 ha no hiarahany amin’ny ANAE amin’izao fotoana izao

  • Voly rakotra

Teknika manarapenitra no iaingàna ka ny voly an-tanety, indrindra ny voly vary no nanombohana azy. Nisongadina ny famokarana ny vary « B 22 » sy ny « 3535 ». Zava-maniry maromaro fampiasa amin’ny voly rakotra no nitondran’ny tompon’andraikitry ny ANAE fanazavana nahitana ny « casanus », « moukouna » sns...

  • Malalaka ny tany

Tany mirefy 26000 ha no atokana hampiasain’ireo mpandraharaha. Tany 2000 ha moa no efa miasa. Mpandraharaha miisa 6 kosa no efa amperinasa ahitana ny FITIM mamokatra « Paka » hanamboarana gony, nyAGRIVAGE misahana ny fiompiana, ny AVITEC manao voly katsaka, ny ACODS mamboly jatropha, ny BONAGRI sns...

  • Tombontsoa n’ny mpiofana

Ankoatry ny fiantohan’ny CFA ny filàn’ireo mpiofana mandritra ny fiofanana dia iantohana tany mirefy 12 ha isan’olona ireo tanora. Mety ho lasany ny tany raha maharaka ny fepetra takian’ny CFA. Torak’izany koa ny fepetra ho an’ireo orinasa manao tetik’asa ao anatin’ny CFA.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 

Archives

mai 2024 :

Rien pour ce mois

avril 2024 | juin 2024