Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 19 avril 2024
Antananarivo | 23h22
 

Fisaorana

Ny Andriana RANDRIANASOLO Victor dit « Victor Solo »

- Ny vadiny, ny zanaka aman-jafiny
- Ny tarika « VICTOR SOLO »
- Ny fianakaviana manontolo

Dia maneho fisaorana sy fankasitrahana feno anareo rehetra izay nitrotro am-bavaka sy nidodododo nampahery azy ireo tamin’ny namoizany tampoka ny malalany :

Ny Andriana RANDRIANASOLO Victor
dit « Victor Solo »
Loholona - Mpanankanto
Retraité CAPSAT Soanierana
Grand Officier de l’Ordre National Malagasy

Misaotra manokana ny :

- Présidence (Fiadidiana ny Repoblika)
- Ministeran’ny Fiarovana
- Ministeran’ny Zavakanto sy ny Kolontsaina
- Ministeran’ny Fahasalamana
- Secrétariat d’Etat chargé de la Culture et des Loisirs
- PDS Antananarivo sy ny Commune Urbaine Antananarivo
- Ny Foibe FJKM sy ny Sampana rehetra ao aminy.
- Ny Fiangonana maro samihafa sy ny Mpitandrina ao aminy.
- Ny Haino aman-jery rehetra.
- Ny Fikambanana mpanao teatra Malagasy
- Ny Tarika « Ndriana Ramamonjy »
- Ny Fianakaviana TAHORA.

Tanteraka soa aman-tsara ny fanafenana azy ny alakamisy 23 aogositra 2007 ary henin-kaja, henim-boninahitra ny Fianakaviana manontolo.

Hiredareda ao am-pon’ny Malagasy hatrany anie ny sangan’asany teo amin’ny tontolo ny zavakanto ary miala tsiny ho an’ireo izay tsy tratra antso nohon’ny fahafenoin’ny rano be loatra.

Andriamanitry ny fiadanana anie hitahy anareo mandrakariva.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS