Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mercredi 1er mai 2024
Antananarivo | 10h33
 

Malagasy

Antongo

Nosamborina ny ben’ny tanàna

jeudi 3 avril 2008 |  646 visites  | Hery A.

Banga iray ny mpifidy vaventy amin’ny fametrahana loholona hatao atsy ho atsy. Naiditra am-ponja tamin’ny talata hariva teo mantsy ny ben’ny tananan’Antongo, anatin’ny distrikan’ny Morombe. Araka ny vaovao azo dia fampiasana ny dina tsy nankatoavin’ny fanjakana sy ny fitsarana no maha voarohirohy ity ben’ny tanana ity.

Etsy andaniny anefa dia nanambara ny mpiahy ny TIM any an-toerana fa bengy an’ity ben’ny tanana ity ihany no nisy nangalatra ary nampiharana ny dina.

Tsy mijanona eo ny raharaha fa hikaroka hevitra ny TIM any an-toerana. Angataka fahafahana vonjimaika an’ity ben’ny tanàna ity ry zareo, alohan’ny fifidianana loholona hatao atsy ho atsy. Tsy voasakana ny hidiran’ity resaka ity ao anatin’ny politika satria maro ny vahoaka nilaza fa kandida tsy miankina no lany tamin’ny vokatra tsy ofisialy, saingy nivadika izany tamin’ny ora farany ka lasan’ny TIM ny toerana. 5 andro taorian’ny valim-pifidianana ofisialy moa dia namoy ny ainy io kandida io noho ny aretim-po, araka ny filazan’ny fianakaviany.

Arak’izany dia maro no manana kakay amin’ity ben’ny tanàna ity ka manamafy ny ahiahiny amin’ny fisian’ny olona ao amin’ny TIM hamoaka azy.

Ny tantara dia mbola mitohy.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 

Archives

mai 2024 :

Rien pour ce mois

avril 2024 | juin 2024