Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mercredi 24 avril 2024
Antananarivo | 09h16
 

Malagasy

Raharaha Jamal Khalifa

Niampy iray indray ny olona voasambotra

samedi 2 juin 2007 | Nivo T. A.

Na dia efa tratra aza ny ati-doha nikotrika ny fanafihana sy famonoana an’i Jamal Khalifa, zao-dahin’i Ben Laden, tany Sakameloka, dia mbola mitohy hatrany ny fanadihadiana ataon’ny zandary ao anatin’ny kaompanian’Ihosy, izay nandray an-tanana ny raharaha, mba hahitana izay tena marina.

Fantatra amin’izao fotoana izao fa lehilahy iray, fantatra amin’ny anarana hoe « Longe » no voasambotry ny zandary tany Ihosy, vao tsy ela akory izay. Anisan’ny voarohirohy ho nandray anjara tamin’ny « opération », tany an-tranon’i Jamal K. izy io. Mbola mitohy moa ny famotorana azy ireo.

Tsiahivina fa olona roa izay anisan’ny nandray anjara mivantana tamin’ny fanafihana an’i Jamal no efa any am-ponjan’Ihosy amin’izao fotoana izao, miandry ny fotoam-pitsarana azy. Ilay anisan’ny ati-doha, fantatra amin’ny anarana hoe Dr Olivier kosa dia maty voatifitra noho izy ninia nitsoaka nefa efa teo am-pelatanan’ny ZP.

Mbola tsy vita hatreo araka izany ny fanadihadiana mikasika ny raharaha Jamal Khalifa. Nohamafisin’ny mpitandro filaminana hatrany moa fa tena asan-jiolahy tsotra izao no nahafaty an’i Jamal fa tsy misy idiran’ny raharaha fampihorohoroana.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS