Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 23 avril 2024
Antananarivo | 15h02
 

Malagasy

Tonga saina ny TIM

Napetraka ny SG vaovao

mercredi 19 décembre 2007 | Naivo kely

« Nampita hafatra ny vahoaka teto Antananarivo tamin’ny latsa-bato natao farany teo, ka sehatra maro no voakasik’io, ary isan’izany izahay teto anivon’i Tiako I Madagasikara. Handray ny andraikitra mifanandrify amin’izany izahay, satria ny feom-bahoaka feon’Andriamanitra ». Isan’ny fanehoan-kevitra re teny Ankorondrano io omaly raha nitafa tamin’ny mpanao gazety ny teo anivon’ny irao foiben’ny TIM izay notarihan’ny filohany Yvan Andriasandratriniony. Izay vao tafapetraka ihany koa ny SG-ny ity antoko ity taorian’ny nanesorana an’ingahy Jacques Sylla fony izy nitana izany toerana izany, ka ny minisitra Ivohasina Razafimahefa no nomena io andraikitra goavana io.

Tonga saina izany ny TIM hatreto ary hanova ny fomba fijery satria misy antony ao matoa nitsipaka ity antoko ity ny vahoaka teto Iarivo, ary ny tsy azo lavina dia nahitana fiovana mahery vaika tahaka izao avokoa ny kaominina maro teto Madagasikara. Fifidianana izay isan’ny manakaiky ny vahoaka indrindra ity natao ny 12 desambra ity, ary tsy azo lavina fa nisy fiantraikany goavana teo anivon’ny mpikambana ireny fivakisan’ny antoko ka nananganan’ny sasany ny CRTIM ireny. Ny sivana avy any ambony ho an’ny kandida izay heverina fa mamim-bahoaka ka nampiteraka savorovoro maro teo amin’ity antoko ity, dia io nametraka fery goavana ho an’ny tantaram-pirenena io.

Nihena ny risim-po teo amin’ny mpikambana ifotony noho io sivana nidina nataon’ny lohandohan’ny mpisorona io, ka zary namela takaitra ho an’ny fototra, ary dia nilatsaka ho mpifaninana amin’ny TIM ny ankamaroan’izy ireo, ary maro no lanim-bahoaka satria mamy hoditra teny amin’ny faritra fa ratsy endrika tany amin’ny birao politika. Nirary soa ho an’ny ben’ny tanàna sy ny mpanolontsaina ho lany eo ny birao foiben’ny TIM omaly, ka soa lavo ahay hamindra ary tsy hoe ny TIM ihany fa na ireo mpanao politika naloan’ny vahoaka aza dia tokony handinika tsara fa tsy ho faly fotsiny hoe notsimpahin’Antananarivo ny TIM fa « mahaiza mijery ny eo ambany maso vao manenitra ny hafa ».

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS