Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 26 avril 2024
Antananarivo | 07h13
 

Malagasy

Feon’ny mpamaky

« Nanome asa ho an’ny zanakay ny ELTER »

vendredi 23 novembre 2007

Tsy dia fanaoko tompoko ny mba manoratra aty aminareo mpanao gazety, kanefa tsy aritro kely ny fanazavan’ny depiote voafidy aty aminay Vohipeno tao amin’ny antenimieram-pirenena ny alarobia teo milaza fa mampijaly ny mpiasa ao aminy ny orin’asa mpanao lalana ELTER. Ny zanako lahimatoa sy ny anadahiko izay samy mipetraka ato amiko tompoko dia miasa ao amin’io orinasa io, izay manao ny làlana Irondro, Manakara, Farafangana ary ho vita amin’ny taona 2008 io asa io.

Misy mpamatsy vola vahiny fantatro fa miara-miasa amin’io ELTER io, ary misy fahatarany kely indraindray ny fahatongavan’ny vola hamatsiana ity orinasa ity, saingy tsy mihoatra ny 10 andro kosa ny fahatarana eo amin’ny fandoavany vola ara-dalana. Koa miangavy anao re izahay « mose le-depiote » aza lotoina imasom-bahoaka tahaka ireny ny toeram-piasan’ny zanakay, fa raha mandositra anie ny mpampiasa vola tahaka ireny, inona no mba hiveloman’ny fianankavianay ?

Tsara ny fitondrana ny feon’ny vahoaka, kanefa aoka tsy dia hosoram-potaka izy ireo, fa ho aiza ny alehan’ireo mpiasa 400 miasa ao raha hakaton’ny tompony ny fananany ?

Maman’i Voahangy mpivarotra eto Manakara

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS