Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mercredi 24 avril 2024
Antananarivo | 17h03
 

Malagasy

Hery Rafalimanana

Nandray ny fanilo miampita

lundi 3 décembre 2007 | Hery A.

« Ny sasany vao mikasa fa izaho efa miasa » io hatrany no noventesin’ny kandida Hery Rafalimanana nandritra ny fitsidihany ireo boriborin-tany maro teto an-drenivohitra ny sabotsy lasa teo. Nanomboka teny amin’ny boriborin-tany faha 5 ny fampielezan-kevitra, avy eo nivadika teny amin’ny firaisana faha 6, nitsidika ny boriborin-tany faha 4, teny Namontana, ary namarana azy tao Antohomadinika. Natevina ny delegasiona ary nitombo isa hatrany ireo olona liana amin’ny tetik’asan’ity kandida ity. Ny alahady tolakandro indray dia niseho vahoaka teo amin’ny « kianja Hery Rafalimanana » etsy Ambodin’Isotry izy, natolony ho an’ny tanora fony izy mbola tsy PDS. Nisy teto ny lalao famaranana Basket, lalao famaranana. Avy eo nankeny akaikin’ny Jesosy Mamonjy Ankasina, no faranana teny Andohatapenaka.

Nanatevin-daharana hatrany moa ireo artista malaza, nanao fanentanana. « Tsy azo tsapatsapaina ny fitondrana ny tanàna » hoy ny kandida Rafalimanana, fa mila olona efa niasa toa azy nandray ny fanilo miampita avy amin’atoa Ravalomanana, sy Ramiaramanana. Raha nanontaniana ity kandida ity dia nanambara fa ho henjakenjana ny fampielezan-kevitra amin’ity herinandro farany ity, saingy efa vonona amin’izany ny mpanohana azy. Inoana fa hisy stratejia vaovao indray hoentin’ny kandidan’ny TIM. Omaly moa dia nisy ny fihaonan’ny kandida tamin’ny zanak’i Toliary monina eto Antananarivo, raha efa nanatevin-daharana ny fanohanana ny zanak’Avaratra.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS