Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mercredi 24 avril 2024
Antananarivo | 14h26
 

Malagasy

CRN (Comité de Réconciliation Nationale)

Nanan-janaka ny fikambanana

jeudi 2 août 2007 | Naivo kely

Raha vao niakatra teo amin’ny fitondrana ny filoha Ravalomanana ny taona 2002, dia ny CRN notarihan’ny Profesora Zafy Albert no nanohitra ity fitondrana ity voalohany, ary nitaky ny hamoahana ireo gadra Politika sy ny hirosoana amin’ny fampihavanam-pirenena. Nirohatra niditra tao avokoa ny rehetra, saingy tato afara dia nanan-janaka ity CRN ity, ary teraka ny SPDUN, sy ny 3FN, ny MCSR. Tanjona iray ihany anefa no tao andohan’ny rehetra dia ny fidirana amin’ny fihaonambem-pirenena hametraka lamina maty paika ka hita taratra ao avokoa ny fitakian’ny CRN voatanisa etsy aloha. Tsy vitsy ihany koa no nangataka ny hanajoroana ny Governemantan’ny firaisam-pirenena, izay handrafitra ny fifidianana handio sy hangarahara. Lany andro sy fotoana fotsiny anefa ireny, satria toa tsy nasian’ny mpitondra fanjakana vidiny ny fitakian’ny hery mpanohitra rehetra.

Nivondrona indray fa tsy lasa lavitra

Rehefa tsy nahomby ny tetika dia nivondrona indray ny mpanohitra ka niova ho UFN sy ny « komity manohana ny Tsia ». Samy naka ho azy teny ny rehetra izay nivondrona tao, saingy tsy lasa lavitra noho ny fifidianana ny 3 desambra teo. Samy naka ho azy ny rehetra ka gina tsy naloa-bava indray fa vita 1er tour de vita ny fifidianana. Ny nampalahelo aza dia nitombo ny mpanao politika nahiditra am-ponja, saingy vitan’ny fanehoana ny alahelo fotsiny no ventesina, ka nahatonga ny maro hilaza fa leo politika satria toa sorona foana no betsaka fa ny firaisan-tsaina tsy misy.

Fanantenana vaovao

Dia tapaka indray ny hevitra fa hiray hina sy saina izy rehetra izay ahitana antoko Politika maro io omaly io, ary tsy nanavahana ny fanotronana, na antoko matanjaka manam-bola na ireo antoko kinkina mety tsy ahazaka bileta hiatrehana fifidianana. Mipetraka indray ny fanantenana vaovao, nefa mbola tsy voafaritra mazava na anarana iray no iraisana manerana ny Nosy ary ho toy izay ny bileta. Ho hita eo ny tohiny.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS