Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 19 avril 2024
Antananarivo | 17h01
 

Malagasy

Ambatomainty Ambohitrimanjaka

Namoy ny ainy ilay Lehilahy voahitsaka teo amin’ny filahiany

lundi 26 novembre 2007 | Hery A.

Tamin’ny Zoma lasa teo raha avy nitaona biriky ity tovolahy vao 26 taona monja, andeha hamonjy fodiana any amin’ny tokatranony, dia naheno vaovao fandrahonana fa hoe : « ho vonoina ho faty » andro zoma io ihany. Raha naheno an’izany fandrahonana izany izy dia nanao fitarainana tany amin’ny sefo fokontany Ambatomainty. Teo ampitantarana ny vaovao henony tao amin’ny anabaviny tao an-tranony, izay ambaran’ity tovolahy ity tamin’ny sefo fokontany dia nanaraka avy ao afara ity tovolahy nanana lonilony ka niandry azy hivoaka ny biraon’ny fokontany ary avy hatrany dia namely totohondry teo amin’ny fihirifany,avy eo nitsahiny ny maha-lehilahy azy, ka araka ny tombana taorian’ny nandraisan’ny dokotera ity voavono izay nentin’ny sefo fokontany, dia efa maty teo am-pamonoana azy ity raim-pianakaviana tanora ity.

Anio alatsinainy no halevina ny razana rehefa noraisin’ny zandary an-tanana ny raharaha ka nitanana vonjimaika ilay lehilahy nahavanon-doza.
Tsy fantatra marina aloha ny tena fototry ny lonilony misy amin’ny roa tonta fa araka ny filazan’ny fianakavian’ny maty dia fialonana amin’ny fiainana andavanandro tsotra izao no antony.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS