Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 23 avril 2024
Antananarivo | 15h57
 

Malagasy

Oniversite Ankatso : CUA

Namboarina ny kianja fanaovana basket

mardi 20 novembre 2007 | Hery A.

Eo am-panamboarana ny kianja filalaovana basket vaovao eo amin’ny trano iray noravàna, izay nonenan’ny mpianatra mpanao politika tamin’ny fotoan’androny.

Navadika ho kianjan’ny fanatanjahantena ity toerana ao Ankatso ity. Herinandro eo ho eo izay no nanombohan’ny asa, raha kasaina ho vita alohan’ny faran’ny taona izao. Kianja miisa 2 no hamboarina eto, miampy ny toerana fijerena lalao sns...

Tamin’ny sabotsy teo no nijery ny fizotran’ny asa ny PDS Antananarivo, Hery Rafalimanana, izay tompon-kevitra amin’ny hanampian’ny kaominina ny oniversite, amin’ny lafiny rehetra. Tamin’io fotoana io koa no nanolorana ity kianja ity tamin’ireo mpianatra ka nandray izany ny solotenan’ny mpianatra sy ny filohan’ny CROUA. Nanolotra baolina miisa 6 sahady ny PDS, hanombohan’ny mpianatra ny lalao kitra sy basket. Iaraha-mahalala ny fahasahiranan’ny mpianatra amin’izao fotoana izao ka nanolotra vary 5 taonina ihany koa ny PDS Rafalimanana. Taorian’izay dia nitsidika ny fokontany Antsahakely ny PDS izay fokontany onenan’ny ankamaroan’ny mpianatra ao Ankatso.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS