Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
dimanche 5 mai 2024
Antananarivo | 18h19
 

Malagasy

Toamasina

Nahazo lapa manara-penitra ny polisy

lundi 5 mai 2008 |  504 visites  | Nivo T. A.

Trano lehibe iray misy rihana roa ary ahitana efitra miisa 59 no iasan’ny polisim-pirenena any Toamasina amin’izao fotoana izao. Fiaraha-miasan’ny sekreteram-panjakana miadidy ny filaminam-bahoaka sy ny Vondrona Eoropeana no nahatontosana izany lapan’ny polisim-pirenena izany, izay nandaniam-bola manodidina ny Ar 600 tapitrisa.

Teo aloha dia tao amin’ny Lapan’ny Tanàna no nisy ny komisarian’ny polisy. Amin’izao fotoana izao dia nifindra ao amin’ny trano vaovao ireo polisy na ny polisy misahana ny fandikan-dalàna ( police judiciaire) na ny polisy siantifika sy ny teknika.

Atao renivohitra ara-toe-karena moa i Toamasina, araka ny fanambarana nataon’ny filoham-pirenena, ka izay no nahatongan’ny tompon’andraiki-panjakana isan-tokony hanao laharam-pahamehana ny filaminam-bahoaka any amin’iny faritra iny. Tsy hisy rahateo ny fampandrosoana raha tsy misy ny filaminana. Ho an’ny kominina Toamasina-Renivohitra, dia mbola hisy ny fananganana « vigies » sy « postes de police », araka ny nambaran’ny ben’ny tanàna Rakotomanana Gervais.

Ankoatr’izay dia voalaza fa hampitomboana ny isan’ny polisy miasa any an-toerana mba hanamafisana ny fandriampahalemana. Ny kominina moa dia mitaky ny hamerenana amin’ny laoniny ny jiro amin’ny faritra sasany izay simba taorian’ny fandalovan’ny rivo-doza farany teo. Anisan’ny mampirongatra ny asan’ireo olon-dratsy mantsy ny fahamaizinan’ny tanàna.

Ny sekreteram-panjakana miadidy ny filaminam-bahoaka, ny Inspekitera jeneraly Rasolomanana Désiré indray dia nanamafy ny fiaraha-miasa matotra eo amin’ny vondrona eoropeana sy ny polisim-pirenena. Efa nanome fiara miisa 22 sy 4x4 miisa enina ary bisikileta ho an’ny polisy moa ny Vondrona Eoropeana.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS