Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 21 septembre 2023
Antananarivo | 15h36
 

Malagasy

Ampasampito : fitobian’ny fiara fitaterana vaovao

Nahazo fankasitrahana Rafalimanana Hery

mardi 27 novembre 2007 | Hery A.
Efa nitsodrano an-dRafalimanana ny filoha Ravalomanana mivady.

Roa taona teo ho eo izay no nahazoan’ny fanjakana ny toerana fitobian’ny fiara etsy Ampasampito ka nohavaozina ho fihantsonan’ny fiara fitaterana manara-penitra. Fiaraha-miasan’ny tsy miankina sy ny fanjakana no nahatsanganana ity foto-drafitrasa ity izay nandaniana vola

Ar. 560 tapitrisa avy amin’ny kaominina tarihan’ny ben’ny tanàna Hery Rafalimanana, ary ny Ar. 350 tapitrisa dia avy amin’ny orinasa Jovenna. 4 volana no nanamboarana ity foto-drafitrasa ity izay manana velarana 6000 m2. Hita eto ny fivarotana solika an’ny Jovenna, eo koa ny fihantsonan’ny fiara mahazaka fiara miisa 160 ary miisa 20 kosa ny « guichet » . Mampanara-penitra ny toerana ihany koa ny fisian’ny toeram-pitsaboana miisa 2.

Nitokana ity foto-drafitrasa ity ny filoham-pirenena Ravalomanana mivady izay nitoraka voninkazo ny PDS Rafalimanana Hery noho ny nahavitany ity foto-drafitrasa goavana toy izao. Teny an-toerana moa ity PDS ity nanome voninahitra ny lanonana fotsiny ihany, noho, izy kandida ben’ny tanàna ka hiatrika fampielezan-kevitra anio.

Atsy ho atsy izany dia eto Ampasampito no hihantsona ireo fiara mpitatitra mankany amin’ny faritra atsinanan’ny nosy iny.

Publicité




Newsletter

Les actus du jour directement dans votre boîte email

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS