Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 23 avril 2024
Antananarivo | 20h08
 

Tribune libre

Tribune libre

Moa ve ny fanarenana ny Rova Manjakamiadana no laharam-pahamehana ?

samedi 16 février 2019

Tandindomindoza ny vakok’i Madagasikara ary tsy tafita amin’ny mpiara-belona sy taranaka fara-mandimby ny Tantara.

MOA VE NY FANARENANA NY ROVA MANJAKAMIADANA NO LAHARAM-PAHAMEHANA ?

- TSIA, satria :

  • Maika kokoa ny mikajy sy manamafy ireo tsangambakoka anjatony izay manana ny lanjany miavaka nefa rava, misy mandoro na mametaveta (consolidation de l’existant)
  • Maika kokoa ny mampianatra sy manazava ny saim-bahoaka ny amin’ny atao hoe vakoka sy ny lanjany ary ny antony hitandrovana azy
    (sensibilisation) )
  • Maika kokoa ny manohy sy manaparitaka ny asa « fanisàna sy fandraiketana antsoratra » ny vakoka isam-paritra
    (inventaire)
  • Maika kokoa ny manamboatra sy manatsara ny tranombakoka efa mipetraka nefa tsy voakarakaraka ary tsy mahefa intsony ny andraikiny amin’ny maha mozea azy. Ohatra : mozean’Andafiavatra izay toerana fitehirizana ireo fitaovana « tena izy » ny toerana manan-tantara may tamin’ny 6 novambra 1995.
    Sady toerana fampitàna ny tantara ho an’ny taranaka fara-mandimby ka mendrika ny hanara-penitra.

- TSIA, satria :

Ny Rovan’i Manjakamiadana tsy tsangambakoka mijoalajoala ihany fa Ivohasina manana lanjany tsy roa amantany ka mendriky ny arindra ampilaminana sy ampahendrena ny fanarenana azy na amin’ny lafin’ny vakoka « tsy azo tsapai-tanana » na amin’ny lafiny teknika.
Ireo sokajy roa voatanisa ireo dia samy tokony hanaraka ny fenitra nentin-drazana avokoa.

« Ny hazo hono no mijoro, asesiky ny fakany »

Fikambanana Mamelomaso
(Febroary 2019)

3 commentaires

Vos commentaires

  • 16 février 2019 à 11:46 | Behantra (#9165)

    Tsy takatr’i bôka zany ry mamelomaso a !

    Ny azy dé : jé suis ihany !

    Mahagaga fa izahay eto Antani’narivo zao dia tsy mahazo ary tsy mahita vaoavao intsony amin’ity délétazy ity

    Oatran’i misy manao fanahy iniana .. amin’ilay hoe : avelao koa ireo hihinany a....y ao !

    Kà efa tonga moa izao bôka , anao fahagagana , satri moa izy zany mpanao mazi gaigy be

    Ho asiny tapolaka mahatsiravina , akapony mafy amin’i rindrina ny lohany dia isy vôla bédabé mahintsiny iaparitaka , hamonjena ireo traboina ao andrenivohitra ireo

    Koa mifalia , mihobia , mandihiza fa tonga ny mpamonjy anareo ... vetivety faona dia ho avy ny tramway .. fafao ny ranomaso

  • 16 février 2019 à 12:27 | Turping (#1235)

    Ny fanarenana ny rovan’i Majakamiadana ve no laharam-pahamehana !?

    - Raha ny tranga hita amin’izao fotoana : tsia satria betsaka ireo zavatra betsaka tokony harenina amin’ny lafiny maro : ara-tsosialy ,ekonomika , ara -pahasalamana ; ny fampianarana ; ny fanamboarana lalana ; ny fampitomboina ny famokarana ; ny ady amin’ny tsy fahandriam-pahalemana .

    Raha ny zavatra hita anefa dia tamin’ny 6 Novambre 1995 no may ny rova ,izany hoe 23 taona taty aorina mbola tsy vita foana nefa efa filoha 5 no efa nifandimby teo ; Zafy (fotoana nahamay ny rova teo @ fitondrana ) ; Ratsiraka ; Ravalomanana ; Andry Rajoelina (tetezamita ) ; Rajaonarimampianina .
    Raha ny fahitana azy anefa no toa efa tsy laharam-pahamehana hatramin’izay mihitsy ny fanamboarana ny rova izay mitahiry ny rakitry ny ela (patrimoine national ) .Zavatra izay ataon’ny firenena maro hafa tsy ho amabanin-javatra velively .
    Raha dinihina anefa ,toa mety mampidi-bola koa hoa an’ny kominina ,ny fanjakana ny fahavitan’ny rova ,indrindra ho an’ireo vahiny mpitsidika .

    Ny olana vaventy izany dia mipetraaka eo @ fahalomoran’ilay toe-tsaina nanomboka tamin’ny mpitondra nandoro ny rova ,anefa fantatra fa ry zalahy mpanao ratsy ,olona jiolamboto moramora manomboka amin’ny fahantrana ara-tsaina ny manangana ,nefa mora ny manapotika .
    Mahagaga ve ilay firenena raha tsy tafavoaka hatramin’izao ????

  • 17 février 2019 à 18:38 | Shalom (#2831)

    Salanitra isika rehetra,
    Lahara-pahamehana ny fanamboarana ny Rova saingy mitaky toe-javatra maro izany vao azo atao.
    Marina avokoa ireo voalazan’ny fikambanana Mamelomaso ireo kanefa ny mampalahelo dia mbola lavitra ny làlana vao ho takatry ny sarababem-bahoaka ny maha-zava-dehibe ireo loha-hevitra ireo.
    Tsy misy hifanomezan-tsiny anefa izany satria vahoaka noana no miaina ao Madagasikara, ary hoy ny fitenenana manao hoe : « raha ny kibo no noana, mivezivezy ny fanahy », raha ny kibo no noana, hanan-tsaina handinika an’izy Manjakamiadana ve ny Ambanilanitra ?
    Manarak’izany dia tsikaritra ny tsy fandraisan’andraikitra eo anivon’ireo fianakavian’Andriana fa dia toa mizalavolavona miray petsapetsa amin’ny mpanao politika fotsiny ka manary hasina ny andraikitra tokony ho sahaniny. Hoy ny Fahagola : « Ny Andriana tsy andriana raha tsy ny vahoaka » izay midika hoe : y maha-Andriana dia tsy fiantsoana fotsiny fa mitaky adidy eo anivon’ny vahoaka. Tsy ny Andriana ve no tokony ho loha-laharana amin’ny fanarenana an’i Manjakamiadana ? Vitsy loatra ireo Andriana tonga saina manao izany, maro kosa ireo manary ny sata maha-izy azy. Koa raha ny andry ho jerena sy iankinana ve no tsy eo, iza no ho toky hialofana sy hitarika ny vahoaka ?
    Fararanon-jozoro any Itasy, fararanon-tapia eny Imamo fa fararano-mpomban-drazana ny Zanak’Andriana.
    Ny fitondrana tsy toky ary tsy antoka velively, ny fijejojejoana no maha-maika azy fa tsy izay tena fototry ny rakitra hevitry ny hoe Rovan’i Manjakamiadana velively.
    Ambava homana am-po mierotra.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS