Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mercredi 1er mai 2024
Antananarivo | 00h11
 

Malagasy

Antsirabe

Miverina ny lazan’ny fetin’ny Paska

mercredi 19 mars 2008 |  529 visites  | Hery A.

Miha miverina amin’ny laoniny ny fetin’ny Paska ao Antsirabe. Tsiahivina fa nalaza indrindra teto Madagasikara ny tao Antsirabe isan-taona. Nanomboka nosangisangian’ny raharaha politika anefa izany taorian’ny taona 1985 tany ho any ka zary tsy nahatamàna ny mpitsidika intsony.

Be politika

Nihapotika ny tanàna. Tsy nahatanteraka ny adidiny ny mpitondra nifandimby. An’ny Arema moa ny tanàna tamin’izany fotoana izany ka anjaran’ny malagasy no mitsara ny fitondràny. Niha nahantra ny vahoakan’Antsirabe ka raraka ho azy ilay voninahitry ny Paska.

Sarotra ny fitaterana

Misondrotra sahady ny saran-dàlana mankany amin’ny faritra Vakinankaratra amin’izao herinandro alohan’ny fetin’ny Paska izao. Tsy mahagaga io ! Toy ny tsy misy fety any Antsirabe, raha tsy sarotra ny fitaterana. Efa mananika ny Ar. 10000 ny saran-dàlana miainga avy eto Antananarivo, mankany Antsirabe, omaly, raha Ar. 7000 amin’ny andavanandro. Azo antoka fa mbola hisondrotra io. Tsy ampy ny fiara ka ifandrombahana ny etsy amin’ny fasan’ny karana. Efa vakansy rahateo ny mpianatra ka araraotin’ireo mpanao fitaterana. Anisan’ny nampihemotra ny mpamonjy paska any an-toerana io. Ny tena loza dia tsy mitondra tapa-dàlana ry zalahy ka raha hiala eo Ambatolampy ny mpandeha, dia saran-dàlana toy ny mankany Antsirabe no aloa.

Tsy mahavaha olana

Tompon’andraikitra amin’izany ny mpitondra fanjakana. Tsy mbola nisy ny vahaolana tamin’ity fitaterana ity.

Ny ben’ny tanànan’Antsirabe I no nikaroka vahaolana, saingy toa tsy nahitam-bokany hatramin’izao.

Na izany aza dia tsy azo lavina fa miverina tsikelikely ny lazan’ny paska any an-toerana. Efa eo am-pikarakarana ny fety ny kaominina amin’izao fotoana izao. Milamina ihany koa ny eny Tritriva sy Andraikiba sns...

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 

Archives

mai 2024 :

Rien pour ce mois

avril 2024 | juin 2024