Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mercredi 1er mai 2024
Antananarivo | 00h11
 

Malagasy

Fitaterana an-drenivohitra

Miverina ny gaboraraka

mardi 22 avril 2008 |  589 visites  | Hery A.

Manao ny ataony indray ny taxi-be eto an-drenivohitra eto izay toa baranahiny ka manaram-po. Isan’andro dia andrenesana fitarainana ny fomba fiasan’ireo taxi-be, izay zary mahazatra ny mandre azy ka tsy mahataitra firy. Ny andro alahady kosa no ahitana ny fomba ratsy ataon-dry zalahy. Tamin’ny alahady teo dia fiara taxi-be maromaro no saika nitera-doza, izany hoe mandram-paharivan’ny andro dia tandindonin-doza hatrany ireo mpandeha. Mamo ny mpamily sy ny resevera ka mifanenjika amin’ity fiara toa tsy azo antoka akory. Rehefa notenenin’ny mpandeha ny mpamily iray, niainga teny Andoharanofotsy, dia ity mpamily indray no tezitra ka novonoiny ny motera, ary nivoaka ny fiara izy ka nanoko resa-toaka teo izy sy ny resevera. Teo ka teo, afaka 10 mn vao niainga indray. Nirimorimo miditra ny tetezam-by eo Tanjombato ny lehilahy ka kely foana no tsy nisehoan’ny loza. Nanomboka niala tsy fidiny ny mpandeha sasany satria ilay mpamily efa difotra tanteraka.

Rehefa nandeha ny feo dia fantatry ny mpandeha sasany fa resevera ity nitondra fiara, fa tsy teo ny tena mpamily. Vorona azon’adala marina ka na ny fitandroana ny fiara aza tsy vita.

Raha ny marina dia toetra tsy afaka amin’ireo mpitatitra intsony izao iainana izao. Tsy ho voafehy intsony ka rariny raha handraisana fanapahan-kevitra hafa. Ho avy tokoa ny fiara vaovao, mahazaka olona 30 isa, malalaka tsara. Na an’iza io na an’iza dia aleo hiditra fa mamonjy ny vahoaka. Maromaro ireo fiara ho avy, araka ny feo mandeha ka ny hanala fahasahiranana ny mpandeha taxi-be indrindra no vontoatiny.

Tato ho ato koa dia vehivavy maromaro no saika naratran’itony taxi-be itony. Manjaka indray mantsy izao ny fifanenjehana ka na tsy tafakatra akory aza ny mpandeha dia miriotra ny fiara. Matetika dia eo am-pidinana na fiakarana amin’ny fiara ireo vehivavy lehibe no tratran’ity fandehanana tampoka ity.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 

Archives

mai 2024 :

Rien pour ce mois

avril 2024 | juin 2024