Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
dimanche 28 avril 2024
Antananarivo | 16h28
 

Malagasy

« Caisse d’Epargne »

Mitokona ny mpiasa anio

jeudi 24 juillet 2008 |  749 visites  | Kama

Raha tsy misy ny fandraisana andraikitra haingana dia hitkona ny mpiasan’ny “Caisse d’Epargne de Madagascar”. Hosahirana ny orinasa noho izany. Nolazain’ireo mpiasa fa “miziriziry tsy mety miresaka hamahàna ny olana mianjady amin’ny orinasa ny mpampiasa ao”. Marihina anefa fa efa feno 90 taona ny Caisse d’Epargne de Madagascar. Izy irery ihany sisa no mbola foibe fandraharahana ara-bola malagasy an’ny Fanjakana, “saingy raha izao toe-javatra misy eo amin’ny fitantanana amin’ny endriny ankehitriny izao, dia ho potika tanteraka ny orinasa ”, hoy ny solotenan’ny mpiasa. Mbola izy ireo ihany no nanamarika fa isan’ny toe-javatra mahamenatra“ ny tsy nahatanterahan’ny famatsiam-bola avy amin’ny MCA ho an’ny“ Caisse d’Epargne ”tamin’ny taona 2004”. “Noho ny fomba fiasa tsy matotra nisy no nahatonga izany, hany ka ny sehatra hafa no nahazo io famatsiam-bola io”, araka ny fanambarana hatrany.

Sendika

Nohamafisin’ny mpiasa an-kilan’izay, fa tompon’andraikitra tanteraka amin’ny areti-mikiky ny orinasa ireo mpampiasa noho izy manidy varavarana tsy mety hifanakalo hevitra ho amin’ny fampandehanana ny asa. “Mbola hiala nenina anefa izahay”, araka ny fanamarihana nataon’ny solotenan’ny sendika. Amin’ny alalàn’ny fitokonana faobe mandritra ny 24 ora no atao, hikatona tanteraka ny “Caisse d’Epargne de Madagascar” eran’ny Nosy anio tontolo andro. Mety hitohy mandritra ny andro tsy voafetra io raha toa ka mbola mitohy ny fizirizirian’ny tompon’andraikitra ao anivon’ny orinasa.

Tsy karama no olana

Tsy mitaky ny fisondrota-karama ny mpiasa. Ny fampiharana ny lalàna 2005-728 tamin’ny 08 Novambra 2005 no takian’izy ireo. Takiany koa ny fananganana ny filankevi-pifehezana (CODIS), izay mbola tsy misy hatramin’izao, Torak’izay ny fanavaozana ny fifanarahana iombonana, ny fampidirana ny mpiasa ho ao anatin’ny filankevi-pitantanana, ary ny fampidirana ny mpiasa ho anisan’ny tompon’ny petra-bola ao amin’ny “Caisse d’Epargne de Madagascar”. Efa noraisin’ny tompon’andraikitra avokoa ireo fangatahan’ny mpiasa ireo, saingy tsy namaly izany ny mpampiasa.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS