Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
dimanche 28 avril 2024
Antananarivo | 16h54
 

Malagasy

Nahay lesona i Miarinarivo

Mitaky ny hanaovana fampitahana PV

samedi 26 janvier 2008 |  405 visites  | Naivo kely

Fanodikodinana ny safidim-bahoaka tsotra no miseho aty aminay tao Anosibe Ifanja sy Sarobaratra ao anatin’ny distrikan’i Miarinarivo nandritra ny fifidianana izay ho ben’ny tanàna farany teo. Ny ankamaroan’ny birao fandatsaham-bato dia nitarika ny kandida Josoa Maminiafiana, saingy rehefa tonga taty amin’ny tribonaly misahana ny ady amin’ny fanjakana, dia lasa ny TIM indray no nandresy. Ny fikambanana « Ny hoavinao » indray no resy. Rehefa nampitahana avokoa ny vokatra teo am-pelan-tanana hatrany amin’ireo mpanara-maso ny fifidianana, sy ny Crmv, dia tsy hita izay antony handresen’ny kandidan’I TIM ; noho io antony tsy mazava io dia mitaky ny ampiharana ny lesona nampianarina aminy tamin’ny taona 2002 ireny ny fikambanana « Ny hoavinao » ny hampitahana ny PV rehetra misy hatrany amin’ny TAF sy ny kandida isan’isany ary ireo mpanara-maso ny fifidianana. Voalaza fa atahorana ny hampitroatra ny vahoaka manoloana izao fanodinana ny safidiny izao.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS