Mijoro ankehitriny ny fikambanana « tanora sahy sy vonona » ka hiantsehatra eo amin’ny raharaham-pirenena. « Mety ve ny fitantanan’ny mpitondra firenena ankehitriny ? » Io no fanontaniana angatahan’ity fikambanana ity hanaovana fitsapankevi-bahoaka. Ataovy ny fitsapankevi-bahoaka hoy ny fikambanana mba hirosoana haingana amin’ny fampandrosoana. Fikambanan’ny tanora manana fahavononana, manohana an’i Andry TGV ity « TSV » ity. Atoa Mamonjisoa Isaak no filohany.
Hatramin’izao dia mbola afaka mandray ny tanora mitovy firehan-kevitra aminy ny fikambanana.
Efa manomana ny hetsika hanaovana ny fanentanana rehetra moa ny fikambanana.