Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 29 mars 2024
Antananarivo | 12h46
 

Malagasy

Ibity

Misy mangalatra ireo zava-maniry harovana

mardi 20 mai 2008 | Princia R.

Efa tafiditra sy voasokajy ao anatin’ny faritra harovana ato anatin’ny faritra Vakinankaratra ny haram-bato ao Ibity. Anisan’ny naha-voafidy azy ho arovana ny fananany haren-javaboary maro na zava-maniry izany na karazam-biby ao ihany koa ny lavaka nanahary mankadiry na
« Grotte ».

Ny faran’ny herinandro teo ary dia lehilahy iray 28 taona no tra-tehaky ny ben’ny tanàna nitondra karazana « orchidée » iray sobika andeha haondrana amidy any Antsirabe. Tsy vao sambany no nisy tahaka izao teto Ibity fa efa matetika ary efa misy fianakaviana maromaro mivelona amin’ny fivarotana ireo « orchidée » amin’io faritra harovana io. Araka ny nambaran’ilay tovolahy dia isak’alina no hakan’izy ireo ny voninkazo ary hamidy maraina eny Antsirabe.
« Olana mianjady amin’ny fiarovana ny faritra », hoy ny Ben’ny tanàna, ny halehibeny nefa tsy misy mpitandro ny filaminana mifanampy aminy akory hany ka raha misy tratra dia mamerina rehefa votsotra satria maivana ny sazy atao aminy ».

Raha voasokajy ho faritra arovana ny faritra iray dia tokony misy ny fepetra arahina manarak’izany fa tsy avela ho baranahiny.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS