Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 29 mars 2024
Antananarivo | 09h01
 

Malagasy

Mpitandrina Andriamanjato Richard

Mila mandray andraikitra ny tanora...

vendredi 23 novembre 2007 | Hery A.
Filohan’ny JCM sy ny mpitandrina Andriamanjato Richard.

« Kitro ifaharan’ny fiaraha-monina sy ny fireneko aho ka hijoro ho fanilo mpitarika sy mpanazava azy ireo ». Io no lohahevitra nofakafakain’ny pasitera Andriamanjato Richard tetsy amin’ny tranompokonolona Isotry omaly tolakandro, tao anatin’ny hetsika niantsoan’ny JCM « Jeune challengers de Madagascar » ireo tanora avy amin’ny fikambanana samihafa eto Antananarivo. Tao ireo mpitondra fivavahana avy amin’ny fiangonana maro samihafa, tanora kristiana, tanora mpianatra eny amin’ny anjery manontolo sy ireo tanora niofana tao amin’ny JCM.

Mba hamporisihan’ny Pasitera Andriamanjato an’ireo tanora ho kitro hifaharan’ny fiaraha-monina dia nampatsiahiviny ny tantara politika niainan’ny tanora tamin’ny taona 1971-1972 tany ho any izay saika naompany tamin’ny hetsiky ny mpianatra, ka niteraka fanonganam-panjakana. Tsy mora ny fandraisana andraikitry ny tanora hoy ity pasitera ity fa mila ny fijoroan’ny tanora ho fanilosy ho mpitarika.

Ny JCM moa dia fikambanana ivondronan’ny tanora manam-pahaizana mpanao asa soa. Roa taona izao no niforonany izay tarihan’ny filohany atoa Ramanambintana Richard. Manana ny tanjona hampivelatra ny tanora, mba hampivelaran’ireo tanora ireo ny manodidina azy, no anton’ny nisafidianany an’atoa Andriamanjato Richard mba hampita ny ampahana traikefany amin’ireo tanora eto amin’ny nosy.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS