Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 16 avril 2024
Antananarivo | 20h39
 

Malagasy

Habibian’ny ray niteraka teny Ivato

Miady amin’ny fahafatesana izy telo mianaka

samedi 24 novembre 2007 | Hery A.

Notsatohany antsy ny vavonim-badiny ary tafapaka hatrany amin’ny tsinainy, avy eo norarahany asidra ny vatany iray manontolo. Rehefa tsy nahatsiaro tena ramatoa dia ny zanany lahy kely vao herintaona sy efa-bolana monja no norarahany asidra ihany koa ny vatany manontolo, ary may tanteraka io zaza io, ary tsy mahatsiaro tena eny amin’ny hopitaly ihany koa amin’izao fotoana izao. Rehefa nahita izao fihetsika nataon’ity lehilahy antsoina hoe « J » ity mponina dia niantso ny kartie mobily sy ny zandary teny an-toerana, ka ireo no nanenjika ilay ray nahavanon-doza ity. Io fihetsiky ny mpitandro ny filaminana io no nahatonga ity mpamono vady aman-janaka ity indray hisotro ny ambina asidra tany aminy, ary amin’ny ora hanoratanay izao, dia miady amin’ny fahafatesana etsy amin’ny HJRA izy telo mianaka ireo. Teny Ivato Aéroport no nitrangan’izao toe-javatra mampalahelo izao omaly maraina, ary ny tena nampalahelo, dia ny tsy fandraisan’ny manodidina andraikitra amin’ny fitondrana haingana ireo niharam-boina ho any amin’ny Hopitaly. Na ireo fiara nandalo aza raha nosakanana dia nanda avokoa. Ny kandida Ndriana Rasta sendra nandalo no niolomay nitondra avy hatrany tamin’ny fiarany ho any amin’ny Hopitaly, satria efa mpanao asa soa eny an-tanàna ny tenany.

Raha ny fanazavan’ny renin’ilay vehivavy niharan’ny ity herisetra ity, dia efa nisy disadisa teo amin’izy mivady, ary efa in-telo saika matin’ity lehilahy ity io vehivavy io. Herinandro lasa izay no nandao tanteraka ny tokatranon’izy mivady ity vehivahy antsoina hoe « V » ity sy ny zanany, ary nisy mihitsy fikasana handoro ny trano nitoeran’ilay renim-pianakaviana, saingy voavonjy ka tsy nisy ny fananana may. Raha ny fanadihadiana natao dia toy ny olona mamon’ny zava-mahadomelina mihitsy ny fihetsiky io lehilahy antsoina hoe « J » io. Miandry ny tohin’izao vono olona mahatsiravina izao ny rehetra eo amin’ny fanadihadiana atao,ary efa mandray an-tanana tanteraka ny mpitandro ny filaminana eo amin’ny ady heloka be vava sy ny zandary eny amin’io kaominina Ivato Aéroport io.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS