Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 27 avril 2024
Antananarivo | 14h39
 

Malagasy

Hevitra

Mampitandrina ny fikambanana « Otrikafo »

mardi 29 janvier 2008 |  720 visites 

« Tafiditra amina kizo lalina ny fitondrana (...). Mahatsapa izany avokoa, na ny vahoaka na ny mpanao pôlitika, na ny eto an-tanindrazana na ny any am-pita, na Malagasy na Vazaha… Izy tenany koa dia mahatsapa fa tena lalina ilay kizo. May volon-tratra izy ka mikoropaka ary manjary manaonao foana. Manaonao foana dia mihalalina ny kizo (« cercle vicieux »).

Mamorona sangodina mandetika azy hatrany ny fihetsika asetriny ny trangan-javatra vokatry ny ataony :

- Nampiditra ny firenena sy ny vahoaka anaty kizon’ny fampahantrana mahery vaika nateraky ny trosa sy ny hataka ka tonga amin’izao tsy fitiavan’ny vahoaka azy izao intsony. (...)

- Tsy mahatanty ny halam-bahoaka an-karihary, dia miroso amin’ny jadona : (...)ampiasaina ny herim-pamoretana ampanginana izay mampiseho ny heviny, toy ny vahoaka any amin’ny tanàna samihafa toa an’Ambohimandroso, Ampefy, Miadanandriana sy ny hafa koa, ary any amin’ny sehatra samy hafa koa.

- Miditra amin’ny jadona dia vao miha halam-bahoaka bebe kokoa… Izany no atao hoe sangodim-panina mamarina an-kady.

Mahita izany ireo goaika antitra teo amin’ny sehatry ny pôlitika, toy ny tari-dRatsiraka mbamin-dry Pierrot Rajaonarivelo ary ny hafa solofony, ka mendy hiverina eo amin’ny fitondrana indray.

- Ao ireo milaza fa tonga ny fotoana tokony hanaovana tetezamita.

- Ao ireo miventy fa tokony hatsangana ny fitondram-panjakan’ny
« firaisan-kinam-pirenena » (« gouvernement d’union nationale »).
Fony teo amin’ny fitondrana anefa ireo mitady « hanavotra » ireo dia nampiditra ny firenena tamin’ny fahantrana lalindalina kokoa noho ny teo alohany. Heveriny ho marivo tadidy angaha ny vahoaka ka tsy hahatsiaro ny zavatra nataony. Fa amin’ny maha goaika azy dia miandry eo amoron-dàlana ry zareo, manantena hihinana ny fatim-biby voahitsaka eny amin’ny arabe.

Tsy mipetra-potsiny koa i Lafirantsa any ambadika any fa tena manararaotra ny kizo idiran-dRavalomanana izay tsy zaza tinaizany, mba anosehana ny ankiziny, na ireo olona mahazatra azy izany na ireo vaovao hafa koa. Ampiasainy ny tsy fankasitrahan’ny mponin’Antananarivo ny filoha intsony anangolena ary anohanana sokajina olona sasantsasany hifanandrina amin’ny fitondrana. Ny fihetsika jadona toy ny fandroahana zezoita mbamin’ny fandrarana ny « Karajia » ao amin’ny RDB rahateo dia mampihataka ny mpitondra fivavahana katôlika amin’ny filoha bebe kokoa, ary miteraka disadisa eo amin’ny mpino tsotra.

Misy ny vaha-olana fa tsy voatery milefitra amin’izao pôlitikan’ny fampahantrana izay efa nianjady nandritry ny 50 taona niankinan-doha tamin’ireo firenena mpanjanaka izao ny Malagasy. Niatomboka tamin’ny andron’i Tsiranana (Repobilika voalohany) izany, ary mbola mitohy amin’izao andron-dRavalomanana izao.

Ny rafitra aman-damina vaovao aroson’ny « Otrikafo » miaraka amin’ireo tia tanindrazana tsy miankin-doha mandala ny fiandrianam-pirenena no hany vaha olana ialàna amin’ny pôlitika nampahantra natao teo aloha (AREMA, UNDD, AVI, 3FN, ets…) ary amin’izao kizo itondran-dRavalomanana izao.
Korontana hatrany no nataon’ny fitondrana nifanesy, hatrany am-boalohany ka mandraka izao. Lamina vaovao mitondra amin’ny tena fampandrosoam-pirenena no tadiavin’ny vahoaka ».

Otrikafo

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS