Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mercredi 1er mai 2024
Antananarivo | 04h13
 

Teny zato, kabary arivo

Mampihinana maloto

jeudi 3 avril 2008 |  1064 visites  | Hery A.

Miparitaka eto an-drenivohitra indray ny trondro maloto amin’izao fotoana izao. Saika ny faritra rehetra, na mihaja na tsia no ahitana ireny trondro ireny. Azo antoka avy hatrany fa tena maloto ireo trondro, indrindra izay tetsy Anosibe omaly izay. Itangoronan’ny lalimanga ny entana. Tsy miafina ny maha trondro maloto azy, ampian’ny filazan’ny mpivarotra hoe trondron’Itasy sy Ambatondrazaka io. Tsara anefa ny mamaritra fa ny trondro avy any Itasy sy Alaotra dia miavaka. Tsy misy trondro madinika tonga aty fa tsy maintsy vaventy be avokoa. Ireo amidin’ny olona eto anefa dia salasalany. Mbola velona ny sasany matetika, ka eo no maharesy lahatra ny mpividy. Ny trondro avy any Itasy anefa dia saika efa voakarakara, izany hoe efa maty.

Mahagaga eto ny fahazoan’ireny trondro ireny vahana. Etsy amin’ny farihin’Anosy ohatra, dia amin’ny andro antoandro no maka trondro. Torak’izany ny etsy amin’ny ranon’i Masay. Tsy tahotra tsy henatra fa toy ireny olona nahazo alàlana ireny. Iza no tompon’andraikitra ? Vinavinaina ho trondro an-jatony taonina mihitsy no miparitaka etsy sy eroa, amin’ireny trondro maloto ireny. Maro ny olona mahalala azy, saingy minia mividy satria mora ny vidiny. Rahoviana koa no ahita trondro mora tahak’izany ? Tandremo anefa fa poizina ireny trondro ireny.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 

Archives

mai 2024 :

Rien pour ce mois

avril 2024 | juin 2024