Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 26 avril 2024
Antananarivo | 06h08
 

Malagasy

Fetiben’ny Betsimisaraka

Lohalaharana ny fihinanana amin’ny ravina

vendredi 19 décembre 2008 | Ravo

Anisan’ny zavatra tena anavahana ny foko betsimisaraka ny fihinanana amin’ny ravim-potsy na ravinala. Amin’ny andro manan-tantara, na fanaovana tsaboraha, na ny fetim-pianakaviana sy ny maro hafa ireny no tena ahitana soritra ity fomba ity. Andro sisa no isaina, ho tonga ny andron’ny noely sy ny taom-baovao. Ny fetin’ny faran’ny taona sy ny fankalazana ny taom-baovao no tena ahitana soritra ny fihinanana amin’ny raviny ity aketo Toamasina.

Manomboka amin’ny 1 janoary 2009 izao, vaky ireo karazana fety maro samihafa ataon’ireo fikambanana maro mijoro eto Toamasina. Amin’ny maha Betsimisaraka antsegna, mazava ho azy fa ny fihinanana amin’ny raviny no entina hanamarihana ny fety mba ho fanomezam-boninahitra ny kolontsaim-paritra izay tsy itovizana amin’ny faritra hafa. Mba ho fiatrehana an’izany rehetra izany, hisy izao ny fanaraha-maso amin’ny fanapatapahana ny ravim-potsy na ravinala amin’ny zavatra tsy misy dikany.Tombony betsaka amin’izany ny fiarovana ny tontolo iainana no sady fiarovana ny kolotsaina mba hipetraka mandrakariva amin’ny olona. Ny fihinanana amin‘ny raviny, midika ny fanarahana ny kolotsaina napetrak’ireo razam-be taloha.

Tsetsatsetsa tsy aritra no ilazana eto, fa ho anao izay manana olon-tiana Betsimisaraka, ka mbola tsy mahay mihinana amin’ny raviny : dieny izao mianara sahady fa sao ho menatra eo imason’ny olona eo ny tena. Ilaina ny fahaizana mifehy tsara ny kolotsaim-paritra isany avy, mba hipetraka ho lova ho anao sy fampitomboana ny efa fantatrao. Tsy misy ny kolotsaina ratsy, fa ny tsy fahazarana no mateti-pitranga.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS