Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mercredi 27 octobre 2021
Antananarivo | 13h54
 

Annonceurs directs

Lettre ouverte au Directeur Général des Douanes
Taratasy misokatra ho an’ny Tale Jeneralin’ny Fadin-tserànana

mardi 16 avril 2013

PV sans cachet ni signature, constat par contumace, incohérence entre services, interdiction d’importation : jusqu’ou les Douanes useraient-elles de ses (abus de) pouvoirs pour ruiner 67+50 familles malgaches (à suivre)

Monsieur Le Directeur Général,

Nous avons été très surpris de vous entendre annoncer à la Presse, concernant l’affaire Feline Duty Free (FDF) " qu’il faut laisser le tribunal suivre son cours "… : à notre connaissance, Monsieur le Directeur General, et sauf erreur de notre part jusqu’à ce jour, 15/04/2013, à 15h, date et heure auxquelles ce communiqué a été remis à la presse, la société Féline Duty Free n’a ni intenté ni été notifiée d’un procès l’opposant à l’Etat malgache, sauf l’affaire que nous avons portée au pénal contre des agents du Service de Lutte contre la Fraude (SLF) pour manipulation visant à " pirater et trafiquer les bases de données informatiques de la société FELINE ", comme l’atteste un expert assermenté auprès des Cours et Tribunaux de Madagascar.

Puisque, malgré notre conférence de presse d’interpellation, vous nous avez retiré nos autorisations d’importation, permettez-nous, par cette lettre ouverte d’attirer votre attention sur les incohérences commises par les agents du Service de Lutte contre la Fraude (SLF).

1. Le Procès-verbal n 045/SLF du 03/07/2012, en référence de toute votre correspondance, n’a pas été signé par l’agent, ne porte aucun cachet officiel et on peut, de ce fait, douter de sa valeur juridique.

2. Ce " PV " fait état de 60 déclarations constatées " fausses " : après confrontation, aux services des douanes a Antanimena, 56 dossiers ont été confirmées, visées et régularisées par vos propres services, bien avant la date de votre " PV ". Concernant les 4 restantes, elles n’étaient même pas encore déposées aux bureaux des douanes Antanimena, à la date du 03.07.2012, alors qu’elles étaient déjà constatées fausses au niveau des douanes Antaninarenina !!! Comment faire confiance à un service qui statue bien avant d’avoir vu et contrôlé des documents qui engagent la vie de 117 familles ?

3. En décembre 2012, vous invitez Féline Duty Free à renouveler son AGLOMEP 2013, sans nous reprocher une quelconque irrégularité, mais en avril 2013, par lettre n°214/MFB/SG/DGD/D4/S41 du 11/04/13, vous nous interdisez " toutes les opérations d’importation et d’exportation " pour l’ensemble du groupe Féline, malgré l’avis favorable des Douanes Antanimena.

4. Nous nous étonnons que l’on confonde le cas de la SARL Féline Parfums Beauté, qui est autorisée à des ventes sur le marché local et aux résidents, avec l’entreprise en zone franche FELINE DUTY FREE.

Monsieur le Directeur Général, ce sont respectivement, 50 et 67 familles, que votre lettre d’interdiction menace aujourd’hui dans leur quotidien.

Par cette lettre ouverte, nous prenons à témoin le public et les autorités de l’existence d’un acte délibéré de nuisance contre une société qui fonctionne sans reproche depuis 17 ans qu’elle est établie à Madagascar.


PV sady tsy misy Sonia no sy tsy misy fitomboka ofisialy , didy jadona, fifanipaha-kevitry ny Douane samy Douane, tsy fahafahana manafatra sy manondrana entana : Hatraiza ny hetraketraky ny fadin-tserànana manoloana izao zava-mihatra amin’ny ankohonana aman-jatony izao ?

Andriamatoa Tale Jeneraly hajaina,

Gaga sy talanjona ny tenanay naheno ny fanambaranao amin’ny haino aman-jery milaza fa " efa eo anivon’ny Tribonaly io trangan-javatra io ". Izahay anefa milaza mazava fa hatramin’ny androany faha 15/04/2013 amin’ny 3 ora tolakandro, daty sy ora nanolorana ity ho an’ny Mpanao Gazety, dia mbola tsy naharay na fampiantsoana (convocation) na fampandrenesana (signification) fa misy fitoriana mikasika anay napetraky ny Douane eny anivon’ny Fitsarana.

Ny raharaha misy dia izahay no nametraka fitoriana ny mpiasa sasany tao amin’ny Service Lutte contre la Fraude (SLF) noho izy ireo tsy teo imason’ny tompony, "nanova " (modifier) sy " nanimba " (supprimer) ny bases de données informatiques tao anatin’ny Disque Dur nandritra ny fotoana nigiazana (réquisition) ireo fitaovana ireo. Izany dia voamarin’ny " Expert informatique assermenté " voatondron’ny Tribonaly hanao constat ireo fitaovana ireo.

Na dia teo aza ny conférence de presse nataonay indrindra indrindra mba hampahafantarina ny manam-pahefàna ny zava-nisy, ny harivan’iny ihany dia nandefasanao taratasy sahady izahay nilaza ny tsy fahafahanay manondrana sy manafatra entana intsony. Noho izany, manao ity taratasy ity izahay mba ho hita fa tsy mitombona ny nataon’ireo mpiasa sasany ao amin’ny SLF :

1. Raisinao ho référence foana ny PV n° 045/SLF du 03/07/2012. Izy io anefa dia sady tsy misy cachet officiel no tsy voasonian’ny tompon’andraiktra nanao azy, ka mampanahy.

2. Io PV io ihany dia milaza fa tsy marina ny 60 déclarations natao tao amin’ny Douane, Izany hoe araky ny filazan’ny SLF izay ao main’ny Douane Antaninarenina. Gaga ihany izahay satria ny Service Douane Antanimena fanaovanay ny opération en douane rehetra dia manamafy sy manamarina fa ny 56 izay voalaza dia vita voamarina ara-dalàna fa efa vita fanambaràna ao amin’ny Douane. Ny 4 ambiny kosa dia mbola tsy voapetraka akory dia efa voalazan’ilay PV sahady hoe tsy marina ! Ny fanontaniana mipetraka dia Azo itokisana ve izany ny Mpiasa sasany ao amin’ny SLF izay namoaka fanapahan-kevitra mialoha na dia mbola tsy nahita ireo dossier ireo akory aza ?

3. Ny volana Desambra 2012 dia ianareo ihany no nampiantso anay hanao " renouvellement ny AGLOMEP" ary tsy nisy filazàna na kely akory aza ny fisian’ny disadisa ara-doany teo amintsika roa tonta. Ny volana avrily 2013 kanefa ianao vao nampilaza fa tsy afaka manondrana sy manafatra entana intsony ny Orinasa FELINE.

4. Hantitranterina anefa fa ny FELINE DUTY FREE SHOP no misy disadisa eo anivon’ny Douane ao anatin’ity toe-javatra mitranga ity. Ny zavatra mbola mahagaga ihany koa anefa dia ny taratasy n° 214/MFB/SG/DGD/D4/S41 tamin’ny 11/04/13 avy any aminao, dia manasazy any orinasa FELINE iray manontolo (Duty Free Shop + Feline Parfums Beauté). Izy roa ireo anefa dia samihafa mihitsy satria samy manana ny "Statut" tsirairay avy

Andriamatoa Tale Jeneraly, manao antso avo aminao izahay satria ny fanapaha-kevitrao dia hisy fiantrakany ratsy eo anivon’ny fianakaviana 117.

Ity taratasy ity dia mba hahafantaran’ny be sy ny maro fa ny Société FELINE nandritra ny 17 taona nisiany teto Madagasikara dia tsy manana zavatra hafenina na mampiahiahy kely akory aza, fa dia nanaovana atsojay fotsiny ihany.

Publicité




Publicité

Newsletter

Les actus du jour directement dans votre boîte email

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS