Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 25 avril 2024
Antananarivo | 17h31
 

Malagasy

Toamasina

Lehilahy niova ho saka

vendredi 19 décembre 2008 | Gilbert R.

Nisy tsy nifanarahana tampoka izy roa teny ambony posy. Nilaza izany ralehilahy no niova ho saka tampoka, ary nandrangotra ny tarehin’ilay mpivarotena. Tantara niseho vao tamin’ny herinandro teo. Toa nahatsikaiky ihany ny zava-nitranga tamin’ity vehivavy iray manao asan’ny mpampanofa vatana eto an-drenivohitr’i Betsimisaraka. Raha nandeha nanao ny asa fanaony amin’ny alina, amin’ny fampanofana vatana ity vehivavy iray, no nifanojo tamina lehilahy nitady vehivavy hiarahana mandry amin’ny fanaovana ny filan’ny nofo. Rehefa vita ny fifanarahana rehetra, ka raikitra fa Ar 20 000 (100 000 fmg) no takalon’ny fiarahana, dia nandray posy izy roa hamonjy efitrano fatoriana eny amin’ny hotely lehm iray eny Anjoma. Rehefa tonga teny akaikin’ny Noor Hotel taloha, no nilaza tamin’ity vehivavy niarahany razazalahy ka nanao taminy hoe :« ianao toa atahorako ». Tapitra izay ; niova ho saka tampoka ilay lehilahy ka avy hatrany dia nandrangotra ny tarehin-drazazavavy.

Niporitsaka niala ilay posy ilay lehilahy nivadika ho saka, ka nenjehin’ilay mpitondra posy. Tsy azon’ity farany ilay saka, fa izy indray no nidona tamin’ny pôtô. Ilay mpivaro-tena voarangotra tarehy, ilay mpitondra posy nidona tamina pôtô. Samy voa izany izy roroa ireo. Aza mahavoa ny tahaka izany. Ny saka kosa tsy hita hatramin’izao !

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS