Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 26 avril 2024
Antananarivo | 18h30
 

Malagasy

Halatr’omby tany Maintirano

Lehibe-na distrika sy delegem-panjakana ao ambadika

mercredi 25 juillet 2007 |  147 visites  | Nivo T. A.

Ravan’ny zandary tany amin’ny kompanian’i Tsiroanomandidy, vao tsy ela akory izay ny tambazotra mpangalatr’omby sy mpanadio omby halatra tany amin’ny faritra Maintirano.

Tamin’ny volana mey lasa teo moa dia omby miisa 50 no voaroban’ny jiolahy. Notifirin’ny dahalo ny tompon’omby tamin’izay fotoana izay ka namoy ny ainy mihitsy. Nandeha ary ny fikarohana ka hita tany Mahitsy ny ampahany tamin’ireo omby halatra. Efa nahavitan’ireo mpangalatra taratasy avokoa moa izany saingy hosoka avokoa.

Nandeha ny fanadihadiana ka olona 10 no voarohirohy tamin’ity halatr’omby ity. Araka ny vaovao azonay teo anivon’ny zandary dia misy lehibe-na distrika sy delegem-panjakana ary tompon’andraikitra ambony hafa voarohirohy amin’ity tambazotra mpangalatr’omby sy mpanadio omby halatra ity. Omaly moa no nentina tany amin’ny fampanoavana tany Miarinarivo ireo olona 10 ireo.
Tambazotra mahery vaika tokoa izy ity, izay efa nisy hatramin’ny ela saingy izao vao tratra. Ireo olom-panjakana moa no manadio ny taratasy mikasika ny omby mba ahafahan’ireo mpangalatra mivarotra izany etsy sy eroa.

Hafa ny mangalatra any anaty vala na any an-kijana, ary hafa ny mikarakara ny taratasy ary misy ihany koa ny mpividy omby halatra fotsiny. Samy ravan’ny ZP avokoa izany tany amin’ny faritra Bongolava.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS