Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 29 mars 2024
Antananarivo | 11h16
 

Malagasy

Antsirabe II • Fiara nirehitra

Kila tanteraka ny mpamily

jeudi 5 juin 2008 | Princia R.

Olona iray no maty, iray hafa miady amin’ny fahafatesana ary ny iray farany kosa afaka tsy naninona. Io no vokatry ny firehetan’ny fiara iray 405 berline tany Ambano Antsirabe ny alin’ny alatsinainy 02 jona teo. Avy aty Antsirabe ity fiara ity ary olona telo lahy no tao anatiny. Rehefa tonga tany Ambano ; teo anoloan’ny tranon’ny kaominina iny indrindra ; dia nijanona ilay fiara nikasa hampidina lasantsy ; alina moa ny andro ka nampiasa labozia nitsilovana : teo indrindra no niseho ny loza satria nirehitra avy hatrany tamin’ny lelafo avy amin’ilay labozia ilay fiara.

Efa nahazo ny fitsaboana sahaza azy moa ilay olona iray tsy maty. Mila mitandrina ihany amin’ny trangan-javatra toa izao satria tena tonga amin’ilay fitenenana hoe ny patsa iray tsy omby vava izy telolahy ireto.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS