Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 26 avril 2024
Antananarivo | 23h24
 

Malagasy

Taratasy misokatra

Inona marina ?

mardi 28 octobre 2008 |  1149 visites 

« Inona marina ny zavamisy ao amin’ny Synodaparitany Antananarivo Andrefana 10 FJKM ? Hoy i Paoly araka ny Epistily voalohany nalefany ho an’i Timoty toko faha-3 andininy 1 ka hatramininy faha-3 »Mahatoky izao teny izao : Raha misy olona maniry ny asan’ny mpitandrina, dia maniry asa tsara izy. Koa ny mpitandrina dia tsy maintsy ho tsy manan-tsiny, manambady tokana mahonon-tena, hendry, tia filaminana mampiantrano vahiny, mahay mampianatra, tsy mpimamo lian’ady, tsy mpikapoka, fa mandefitra, tsy mpila ady, tsy mpitia vola".

Ny vy tsy mikitrana irery raha tsy misy mampikitrana azy. Fiteny ny taolo ireo ary marina. Noho izany tsy misy ny korontana ao amin’ny fitandremana raha tsy misy devoly manakorontana. Misy 36 ny Synodamparitany mifehy ny Fitandremana manerana an’i Madagasikara. Ny fanontaniana dia hoe : manao ahoana ny Synodamparitany Antananarivo Andrefana fa toa hafakely. Toa liana amin’ny korontana izy ireo.

Atao ohatra taona vitsy izay dia nikorontana ny Fitandremana FJKM Isotry Fitiavana ary saika tsy nety nilamina, tao Andavamamba Filadelifia sy ny sisa.
Amin’izao fotoana izao dia mangotraka ny raharaha ny Anosipatrana FJKM izay nanalany an-terisetra ny mpitandrina izay tena mitory sy mampianatra marina ny Tenin’Andriamanitra. Fantatra koa fa anisan’ireo fitandremana antsoina ho lehibe ihany, ka tsiriritin’ny mpitandrina ny hitondrana an’izany fitandremana izany ka tadiavin-dry zareo ny hevitra hanalana ny tompon-toerana. Sendra ny diakona vitsivitsy nanana lolom-po tamin’ny mpitandrina ka tsy nahazaka ny teny sy anatra mafy nahazo azy ireo noho ny zavatra nataony izay tsy mendrika ny maha-Mpandray ny Fanasan’ny Tompo sy ny maha-Diakona, dia ireo indray no nioko ka nanenjika ny mpitandrina ary nambarany fa « mpitandrina tsy tia mahantra fa ny mpanambola ihany no mahazo avara-patana, masiaka, manopa olona sy ny tsy hay tanisaina fa mahamenatra » dia lasa nivadika ny mpitandrina indray no meloka ka dia namoronana « dossier sandoka » ary nentina nihazakazaka nakany amin’ny Synodamparitany, ary napetraka ho fitarainana.

Rehefa afaka andro vitsivitsy dia navadika ho fitoriana noho ny toro-hevitra avy tamin’ny manampahefana tao amin’ny Synodamparitany satria raha fitarainana fotsiny mantsy dia tsy azony raisina fa tsy maintsy ny biraon’ny fitandremanana no mandray azy. Tafaray izany ny tia sy ny manina ka ny olom-ben’ny Synodamparitany nitady toko, ireto andian’olona vitsivitsy kosa tonga nitondra alahelo natao vato.

Soa ihany fa miasa Andriamanitra ary nampiasany ny laika sy mpitandrina sasany tsara sitrapo ao amin’ny biraon’ny Synodamparitany, afaka nampandre sy nampitandrina ny Kristiana Miaro ny Fahamarinana « K.M.F » izay mitsipaka ny fanampan-kevitrin’ny Synodamparitany.

Raha tsorina dia tsy mety milamina na mandry ny ao amin’io Synodamparitany. Efa nolavin-dry zareo mpitandrina mifehy ny Synodamparitany ve ny fampianarana natolotr’i Paoly. Aminay laika dia toa fanjakan’ny nofo no manjaka izay heverinay fa mifanalavitra amin’ny zavatra andrasana aminy.

Farany, raha tiana ny hampilamina an’ireo fitandremana mikorontana ao amin’ny Synodamparitany Antananarivo Andrefana ireo, dia mangataka ny FOIBE FJKM mba handray ny andraikitra, ka handrava ny Birao sy ny FIFAMPI ao amin’io Synodamparitany io ary hamerina amin’ny toerana ireo mpitandrina izay noesorina tamin’ny tsy rariny, ary mangataka koa ny BIANCO mba hiditra an-tsehatra am’izao raharaha izao".

Jaona (Laika ao Anosipatrana)

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS