Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 25 avril 2024
Antananarivo | 07h02
 

Malagasy

FDL « Fonds de développement local »

Horesahina amin’ny loabary an-dasy

jeudi 22 novembre 2007 | Hery A.
Ireo solotenan’ny mpamatsy vola, noraisin’ny minisitry ny MDAT.

Noraisin’ny minisitry ny Fanapariaham-pahefana sy fanajariana ny tany atoa Yvan Randriasandratriniony tetsy amin’ny birao fiasany etsy Anosy, tamin’ny talata tolakandro teo ireo delagasionan’ny vondrona Eropeana sy ny banky iraisam-pirenena. Anton-dian’ireto mpamatsy vola ireto ny fanomanana ny fametrahana ny FDL (« Fonds de developpement local ») hahafahana manohana ny kaominina sy ny faritra. Hanamafy izany amin’ny dinika eny anivon’ny fiadidiana ny repoblika « dialogue présidentiel » ireto mpamatsy vola ireto ka hanazava amin’ny antsipiriany ny fepetra arahina. Ny minisitry ny Fanapariaham-pahefana kosa dia nanamarika aty am-boalohany fa mila ny faharisihan’ny olona hampiana ny fanatanterahana ny fanapariahana ity FDL ity.

Miisa 9 mianadahy ny delegasiona notarihan’atoa Philippe Auffret « chargé de mission » an’ny banky iraisam-pirenena sy atoa Thierry Rivol, solontenan’ny vondrona Eropeana.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS