Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 2 mai 2024
Antananarivo | 00h14
 

Malagasy

Vakinankaratra : fitsidihan’ny filoham-pirenena

Hitondra ainga vao ho an’ny faritra

vendredi 19 octobre 2007 |  566 visites  | Princia R.

Somary tampoka ihany ny fitsidihina nataon’ny filoham-pirenena Marc Ravalomanana ny biraon’ny Faritry Vakinankaratra ny alarobia lasa teo. Nisy ny fihaonan’ny filoham-pirenena tamin’ireo manampahefana teto antoerana sy ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny ao amin’ny Faritra ary ireo solom-bavambahoaka tratra antso avy eto anivon’ny faritra. Tamin’ity fotoana ity no nampahafantarana tamin’ny filoham-pirenena ny solombavam-bahoaka lany teto Antsirabe Voalohany sy Faharoa.

Araka ny nambaran’ny lehiben’ny faritra Vakinankaratra Lanto Rabenatoandro dia hitondra fihaingana vaovao ho amin’ny tsaratsara kokoa ho an’ny Faritra Vakinankaratra iray manontolo ny fandalovana sy ny fitsidihina nataon’ny filoham-pirenena, satria raha maro ny tetikasa niandriandry tao ho fampandrosoana dia maro ny fanapahankevitra azo noraisina avy hatrany nandritra ny fihaonana. Ohatra azo raisina amin’izany ny fanampian’ny Filoham-pirenena amin’ny fitrandrahana angovo ao Tsinjoarivo Ambatolampy, ny fampitaovana sy fananganana foto-drafitrasa ao amin’ny distrika vaovao Mandoto, ny famitana ny tranompokonolona Antsirabe, sy ny maro hafa.

kapila manara-penitra

Tamin’izao fandalovan’ny filoham-pirenena teto Antsirabe izao no nahafantarana fa hisy ny tetikasa goavana hatao eto vakinankaratra indrindra fa ao Betafo ny mikasika ny fanaovana kapila tanimanga manara-penitra.

Araka ny fantatra mantsy dia havanana amin’ny fanaovana kapila ny ao Betafo fa mila hampiana izy ireo ara-pitaovana sy ara-teknika mba hampanara-penitra ny asa vita. Tsy ho ela dia handefa teknisianina ny filoham-pirenena hijery sy handinika akaiky ny mikasika izay.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 

Archives

mai 2024 :

Rien pour ce mois

avril 2024 | juin 2024