Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mercredi 1er mai 2024
Antananarivo | 12h42
 

Malagasy

Tontolo iainana • PGDRN

Hitombo ny faritra arovana

lundi 17 mars 2008 |  267 visites  | Hery A.

Natao teny amin’ny NLIM Iavoloha nanomboka tamin’ny faha 12 martsa hatramin’ny faha 14 martsa ny atrik’asa momba ny « Programme de gestion durable des ressources naturelles », na PGDRN. Ny firenena Alemana, amin’ny alàlan’ny GTZ sy ny KFW no nanolotra ity programa ity. Manomboka amin’ity taona ity, hatramin’ny taona 2011 no ampiharana ny tetik’asa izay vatsiana vola 12 tapitrisa Euros.

Ny tanjona amin’ity dia ny hampihenàna ny fitrandrahana ala, indrindra ireo atao arina fandrehitra. Faritra telo no miandry vokatra amin’ity tetik’asa andiany faharoa ity, dia ny faritra Boeny, Diana, ary atsimo Andrefana. Olona miisa 200 avy amin’ny fikambanana miisa 10 no hahazo fiofanana voalohany, ka ny fampiasana fatana manara-penitra no hianarana amin’izany. Anisan’ny paik’ady amin’izany koa ny fambolena hazo, ary io ihany no ampiasaina, mba tsy hikitihana ny ala efa teo aloha. Hitombo arak’izany ny faritra arovana. Voakasik’ity resaka ity ny minisiteran’ny Angovo, sy ny minisiteran’ny Fizahan-tany, ary ny minisiteran’ny Tontolo iainana, izay nampiantrano ny atrik’asa rahateo.

Nanakatona ny atrik’asa tamin’ny fomba ofisialy, ny zoma teo ny minisitry ny Tontolo iainana Randriarimanana Harisson, sy ny tompon’andraikitra avy amin’ny GTZ sy ny KFW.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 

Archives

mai 2024 :

Rien pour ce mois

avril 2024 | juin 2024