Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mercredi 1er mai 2024
Antananarivo | 06h40
 

Malagasy

Tanora vonona Analamanga

Hijoro ho amin’ny fampandrosoana

jeudi 24 avril 2008 |  338 visites  | Hery A.

Tamin’ny faha 4 aprily 2008 no nankatoavin’ny fanjakana malagasy ny fijoroan’ny fikambanana « Tanora vonona Analamanga » na ny TVA. Fikambanana tanora tsy mirona amin’ny foto-kevitra politika ny TVA izay tarihan’Atoa Guy Maxime, ben’ny tanànan’Ankaraobato, eny amin’ny distrikan’atsimondrano. Omaly tolakandro no nampahafantarina tamin’ny mpanao gazety ity fahazoan-dàlana ity ka voatsipika fa ny sehatry ny famolavolana tanora ho amin’ny fampandrosoana no tarigetrany. Tsapa mantsy hoy ity filohan’ny TVA ity, fa tsy ampy ny fanabeazana tanora eto amintsika. Efa vonona ny tetik’asa hanatanterahana ny tanjona, ary efa misy koa ny mpiara-miombon’antoka, ankoatry ny herimpon’ny mpikambana tsirairay. Miisa 300 ny mpikambana ao amin’ny TVA. Ireo mpikambana tao amin’ny TVA (Tanora vonona atsimondrano) ireto lasa ara-panjakana ireto. Fanehoan-kevitra ireny hoy ihany ny TVA, ka nanolorana kandida ho an’ny mpanolotsaim-paritra. Ireny ihany koa no manaporofo fa afaka misehatra politika ny tsirairay, saingy tsy amin’ny anaran’ny fikambanana.

Amin’izao voalohany izao dia ireo tanora mpikambana ao aminy no homena fiofanana fahaiza-mitarika sy fahaizana mamorona tetik’asa fampandrosoana. Aorian’izay dia hiparitaka eny anivon’ny fokontany isam-paritra ireo tanora ka hizara ny traikefany sy hampihatra izany amin’ny fiainana andavanandro.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 

Archives

mai 2024 :

Rien pour ce mois

avril 2024 | juin 2024