Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mercredi 8 mai 2024
Antananarivo | 14h31
 

Malagasy

26 jiona tao Antsirabe

Hazavana roa samihafa teny amin’ny lanitr’Antsirabe

lundi 30 juin 2008 |  658 visites  | Princia R.

Trano efatra may kila forehitra tao amin’ny Fokontany Ivory Antsirabe, nifanojo indrindra tamin’ny fandefasana ny afomanga.

Taorian’ny kabarin’ny filoha Ravalomanana tamin’ny fahitalavim-pirenena dia nalefa ny afomanga teto Antsirabe izay natrehin’ireo manam-pahefana maro isan-tsokajiny, kinanjo tetsy akaiky tsy lavitra akory indro nisy hazavana be tsy misy toy izany teny andanitra ary indro lelafo no nanangasanga, avo dia avo moa ilay toerana ka halan-drivotra. Tokantrano efatra no indray kila tsy nisy azo noraisina, tsy nisy ny aina nafoy fa ny entana rehetra dia tsy nisy azo noraisina, araka ny loharanom-baovao dia ankizy nilalao arendrina no fototry ny afo ka niitatra tamin’ny trano. Ireo trano moa dia tranohazo avokoa ka mora ny fitaran’ny afo, etsy andaniny mbola mpivarotra toaka gasy ny iray tamin’ireo voa. Nijoalajoala ny afo ny fokonolona no nifanampy tamin’ny famonoana ny afo ka saiky tsy voafehy ny afo.

Tsy manana famonoana Afo

Olana goavana sedrain’ny tanànan’Antsirabe ny tsy fananana « Pompier » raha misy fahamaizana hany ka ny herim-pon’ny fokonlona ihany no mamono ny afo, mbola olana ihany koa anefa ny rano satria handoavana ariary isan’ny litatra izany ka velon-taraina ny mpiandry paompy hoe iza no hanefa izany. Orinasa iray no fantatra fa manana « pompier » eto Antsirabe saingy mbola lalan-davitra no atao vao azo izany, ny afo anefa miitatra ihany. Ho fehiny ny mitandrina ihany aloha no azo atao, satria dia ho hitan’ny havany eo.
Princia

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS