Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 25 avril 2024
Antananarivo | 23h28
 

Malagasy

« Mifohaza ry Gasy »

Fangatahana famindram-po faobe

vendredi 22 août 2008 | Manou

Mitohy ny fitarihan’i Maître Avoko ny mpiray tanindrazana hiara-hiombom-bavaka hanavotan’Andriamanitra an’i Madagasikara ! Mbola ny zoma alina araky ny torohevitra napetrany tany am-piandohana ihany no hanatanterahana ity hetsika « Mifohaza ry Gasy » ity, ary voalazany fa efa misy mifoha mihitsy taorian’iny fanombohana tamin’ny herin’ny androany iny.

Ny fangatahana famindram-po faobe avy amin’Andriamanitra, hoy izy, no hanompanana ny vavaka anio alina raha ny fangatahana ny fidinany teto amintsika no nanombohana azy tamin’ny zoma voalohany ka ny Salamo 71 andininy faha-5 no andàlan-tsoratra masina iangaviany ho vakiana intelo izao alina izao raha vao mipaika ny amin’ny 8ora, arahin’ny tonombavaka hoe : « Andrimanitra ô ! Mamela ny helok’i Madagasikara. Mamindra fo amin’ny Malagasy », averina intelo na aiza na aiza toerana misy ny tsirairay. Mbola nohamafisin’i Maître Avoko fa olana tsy voavahan’olombelona intsony no mianjady amin’ny firenena ka ilana avotra avy amin’Andriamanitra.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS