Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 29 mars 2024
Antananarivo | 02h28
 

Tribune libre

Fanambarana nataon’ny FFKM ny sabotsy 21 febroary 2009 tao Antanimena

samedi 21 février 2009

Misaotra an’Andriamanitra izahay ato amin’ny FFKM tamin’ny zava-niseho teto Antanimena androany 21 febroary 2009 dia ny fihaonana sy ny fampihaonana ny Filoha Marc Ravalomanana sy Andriamatoa Andry Rajoelina. Misaotra ihany koa azy mirahalahy mianaka manana fandavan-tena sy fahasahiana namaly ny antso nataon’ny FFKM. 

Teo amin’ny fifampidinihina dia ireto no zavatra nifanarahan’ny roa tonta :

-  atsahatra ny fifampihantsiana na ny fifanaratsiana na fifandranintana amin’ny haino aman-jery
-  atsahatra ny fampielezana vavao tsy marina
-  atsahatra ny fandrobana sy ny fanimbana fananan’olona na fananam-panjakana
-  atsahatra ny fihetsiketsehana an-dalambe
-  atsahatra ny fisamborana sy fanenjehana manana endrika politika

Ireo no napetraka dia mba hanamorana ny fifampidinihina satria mbola hisy indray ny fotoana hihaonan’ny roa tonta. Samy hanentana ny andaniny sy ny ankilany mba ho tanteraka tokoa ireo zavatra nifanarahana ireo. Marihina fa nizotra tamim-pirahalahina sy fifanajana ary fahatoniana izany fihaonana teo ambany fitarihin’ny filoham-piangonana FFKM izany.

Ankinintsika amin’ny Tompo izao ezaka ataontsika izao satria raha tsy ny Tompo no manao ny trano dia sasa-poana izay manao azy.

Ny filoham-piangonana efatra tonta :

Mgr Odon Razanakolona

Mgr Ranarivelo Samoela Jaona

Pasteur Rakoto Endore Modeste

Pasteur Rasendrahasina Lala

48 commentaires

Vos commentaires

  • 21 février 2009 à 17:53 | RADAGIL (#127)

    Pleure o mon pays bien-aimé§Je crois que quelqu’un a déjà utilisé cette phrase mais en ce moment c’est bien de circonstance.Ces hommes d’Eglise jouent sur la sensibilité des Malgaches et Ra8 doit bien rire sous-cape car il va pouvoir rester au pouvoir malgré ses meurtres et son affairisme.La rue prime sur les urnes car il n’y a pas d’Opposition forte à Madagascar.Il restera ad vinam eternam car il est facile de truquer les élections.Avec sa bondieuserie (mandevin-tay an-tsalaka)il berne tout le monde !

    • 21 février 2009 à 19:29 | Gardash (#351) répond à RADAGIL

      Ry Rahalahy sy Ranavavy,et Mr. RADAGIl
      Tsy tokony hitomany mihitsy isika Malagasy fa tokony matanjaka ara batan sy ara tsaina LALANDAVA na eo aza ny fasahiranantsika.
      Il ne faut jamais encourager les autres a pleurer. Tsy ni fitomaniana no ahitantsika ny fomba ampindrosoana ny firenentsika.
      Tena mahagaga ahy mihitsy fa dia maro be mihitsy ny manampahaizana sy ny manantsaina @firenentsika koa dia maninona isika no tena mahantra be. Maro dia maro tokoa ny commentaire @ iti site ity ary dia manantsaina be daholo ny mpanoratra. Izay angamba ny problemen-tsika. Manantsaina be loatra @ resabe ka tsy hita izay atao mba hampandrosoana ny firenena.
      Manontany ny tsirairay be commentaire be ny tenako : Inona moa no ataonao mba hampandrosona ny firenena raha ohatra ka mba Filohan’ ny firenena ianao ? Inona ny zavatra soa nataonao ho an’ ny firenena na hoe Ray aman-dReninao na ny manodidina anao ? Raha ohatra ka tsy nisy, ataovy aloha izay, apres be resaka be. NY TENAKO DIA MANORATRA @’ireo manampahaizambe tsika Malagasy.

    • 21 février 2009 à 20:09 | Rivohanitra (#142) répond à RADAGIL

      « Pleure ô pays bien aimé » est un roman de l’écrivain Sud-Africain Alan PATON. Il l’a écrit en 1948 au début de l’apartheid.

      Oui, nous avons laissé les deux clones négocier la sortie de crise et ils l’ont fait à leur manière : chacun devait sauver ses meubles, pour Ravalo, il fallait garder son pouf et pour TGV le tout était de rester libre malgré les troubles manifestes à l’ordre public.

      Qu’en est-il de l’intérêt du peuple malgache dans cette négociation ?

      Les mamans des 38 brûlés vifs vont ressentir bien de douleur quand elles vont constater que Ravalo est toujours à la tête du pays et que TGV reste libre.

      J’ai honte pour ces hommes d’Eglise qui cautionnent ces deux milliardaires.

    • 22 février 2009 à 00:54 | jonas (#185) répond à RADAGIL

      Izay foana ny resaka rehefa miresaka fifidianana : mangalabato, mahay fika hamadihana isam-bato.
      Ny mpanohatra tokony hanana fandresen-dahatra ny rehetra hanaraka tsara ny fanisam-bato. Raha ilaina ampidiro Tgv daholo izay resy lahatra hanatevina izany fanaraha maso izany. Raha mbola tsy mahatarika olona hanao izany fa andian’olona 10000 na 20000 eny fa na hatrany 5 000000 aza mbola tsy mahasolo vahoaka mety ho any hoany amin’18 000000 eo ho eo Reseo lahatra ny olona fa izany no demokrasia, dia ampirisio hifidy sy hanaramaso fa aza manao baroa fa any amin ny tany baribarianina no manao izany.

    • 22 février 2009 à 12:03 | tsy tia tabataba (#366) répond à RADAGIL

      Ne soyez pas pessimiste et négatif. Nous avons déjà commencé à y voir clair. Depuis quand nos gouvernants ont pensé à revoir les lois sur les partis politiques si ce n’est maintenant ? Il y a déjà un début d’amélioration aussi timide soit-elle, mais c’est un commencement. Les partis politiques auront leur place et leur financement et donc, peuvent se positionner sans problèmes s’ils auront un projet de société valable et compréhensible par la population. Entrons maintenant dans l’ère moderne. Fini la démocratie dans la rue. Il nous semble que Andry était élu avec 63 % à Antananarivo, alors trucage des élections, où es-tu ?

    • 22 février 2009 à 13:28 | tsy tia tabataba (#366) répond à Gardash

      Miarahaba an’i Gardash,

      Marina ny anao fa dia miandry izay soson-kevitrao azo ampiharina eto amin’ity firenena ity ary izahay. Alefaso eto fa miandry anao izahay, izay tsy mbola hita izay hi-kilasiana anao na ao anatin’ny manamphaizana, na ny antonony na ny mpitsikera fotsiny !
      Manantena anao izahay ô !

    • 22 février 2009 à 13:31 | tsy tia tabataba (#366) répond à jonas

      Tena miombon-kevitra amin’i Jonas. Ary izany no tokony hataontsika sy hapetrantsika eto amin’ity firenena ity. Jereo ny fifidianana farany teto Antananarivo, nahalany an’Ingahy A. Rajoelina moa ê ! Tsy efa mangarahara ve ireny ê ? Sa inona indray no mbola tadiavintsika sa filam-boatsiary fotsiny moa ê ?

    • 22 février 2009 à 15:48 | Gardash (#351) répond à tsy tia tabataba

      Miarahaba an’i Tsy tia tabataba,

      Misaotra betsaka. Ny tenako moa dia tsy politicien. Izany no mahatonga ahy tsy mitsikera ny Fanjakana sy izay tsy faly @’ny Fanjakana fa kosa mitsikera ireo zay be resaka be tsy hoe mba hampandrosoana ny Firenena fa fotsiny mba handrangitana ny sasany mba hisian’ ny ady toy izao nisy tamintsika izao. Raha mikasika ny kilasiko indray dia azo lazaina ho anisan’ ny tsy manampahaizana aho satria tsy hita izay soa vita mba hampandrosoana tsika. Na izany na tsy izany aza, azo ato manampahaizana koa satria mba manana diplome ambony ihany.
      Raha mikasika ny hevitra hampandrosona antsika indray, dia tsy manana hevitra ara-politika fa mba misy kelikeli ihany ara-tsiantifika na dia efa maro angamba ny fiovana misy @ ny Madagascar. Koa satria maro dia maro ny manana hevitra ampandrosoana antsika, tsy mba manana komite na firaisana ve ny Fanjakana mba ahafahan’ ny be sy ny maro mampiseho ny heviny ? Mino ny tenako fa raha misy izay dia mety mba ho faly ihany ny be sy ny maro.
      Tsy dia manaraka ny zavamisy any Dago koa ny tenako noho ny antony maro samihafa fa ny mikasika ny Koreana sy ny etranger hafa hiasa any Dago : Mino ve nareo fa dia tena ho tsara ho antsika ve izany ? Mba ahoana ny karaman’ny Gasy izay hiaraka miasa @’ ireo etrangers reo ? Mba firy an’ isan’ ny Gasy no andaray anjara @’ ireo asa ireo ? Tsy zany mantsy fa nalahelo ihany ny tenako nahare fa architects etrangers no nanao ny projets izay nataon’ny Filohantsika (fanaovana tsena...)Fa maninona tsika no tsy mampiasa ny manampahaizantsika ? sa mbola tsy ampy fahaizana ireo olontsika ? Dia avy eo koa : Ny etrangers manao recherche any @ntsika, dia mba jereo ny vidin’ ny zavatra vitan’ireo (Nila carte vitan’ ny Japonais sur Madagascar aho, nefa ny vidin’ ireo cartes ireo pas moins de 400$) Ny tiako ho lazaina dia ny vidin’ ny zavatra vitan’ny etrangers any @ntsika dia tokony hifanaraka @ vidinjavatra eto Mcar (pour les Malgaches).
      Izay aloha fa de manantena ny hevitrareo sy ny fahatsarampo-nareo eh.

    • 22 février 2009 à 17:07 | objectivité (#372) répond à tsy tia tabataba

      tsy tia tabataba, je suis complètement de ton avis. Si on veut faire avancer notre pays, il nous faut tout d’abord avoir un gouvernement fort et stable constitutionellement pour ne pas etre renversé à chaque coup de tete d’une minorité active. Mais à celà doit s’ajouter un meilleur controle des élections ; et c’est là que tous les politiciens doivent s’atteler au lieu de faire valoir une démocratie de la rue à chaque conflit. Et on peut dire que de ce coté madagascar a déjà fait des progrès depuis 2002 ; il est loin le temps des 90% même si on n’est pas encore au top. La tricherie existe partout dans le monde même dans les pays qui se disent super démocratique. Le role des politiciens est de faire en sorte que ces tricheries soient minimes que possible en insistant sur un meilleur contôle de l’election puis suivre la vrai règle du jeu de la vraie démocratie et non usurper le nom du peuple dans la rue. De plus, ce débat parlant de légalité,légitimité,dictature,démocratie,est en réalité un faux débat car en faisant des regroupements d’actualités, l’enjeu est plutot d’ordre d’intérets internationals alors PÔVRE de nous malgaches perdant notre temps à s’injurier entre nous au lieu de penser à sauver notre pays et sa souveraineté en utilisant le FAHENDRENA MALAGASY aussi réputé.PS Une guerre est facile à provoquer, l’arrêter est une autre paire de manche.Posez seulement la question : à qui va profiter la guerre quand nous devrons par la suite demander des aides(avec interêts)chez tous les bailleurs ? Cessons de ne voir que notre bout de nez.

    • 22 février 2009 à 20:08 | tsy tia tabataba (#366) répond à Gardash

      Ho an’i Gardash,

      Na tsy manao politika aza isika tsy maintsy mihezaka ny mahafantatra izany satria mihaina ao anaty politika. Ny eto amintsika dia hafa kely ny politika satria rehefa alalinina tsara, politikan’ny fanapotehana no betsaka. Tsy mba misy manao politika hitondrana ny fampandrosoana tanteraka ho an’ny gasy. Izany hoe, ny an’ny tena ihany. Misaotra anao fa na dia tsy mipetraka eto aza ianao dia miezaka ny manaraka ny toe-draharaha. Mbola ho ela vao ho tafita isika ka miandry izay soson-kevitra azonareo entina ê ! Fa izao ! Nahita aho fa tsy mbola voafehin’ny malagasy ny fitondrana irery ny asa rehetra eto amintsika. Porofon’izany ireo orinasa notantanantsika fahizay rehefa lasan’ny vahiny, toa miroborobo, raha tsy hilaza afa tsy ny banky aho (BTM, BNI, BFV, BMOI...). Dia aza gaga isika raha toa ka mbola misy vahiny betska maka ny anjara toerantsika eo anivon’ny asa ! Kanefa dia izao, tadidio fa vahiny iray miasa eto amintsika dia hahafahahana mampiasa gasy tanora 10 na 15 raha kely indrindra. Diniho amin’izany ny fatiantoka ho antsika. Fehiny, mila fahamatorana betsaka eo amintsika malagasy. Ny mahafaly dia efa betsaka ny tanora no miezaka hahatratra ny tanjona sy mila vokatra tsara. Fa vao manomboka... dia izao nazera indray izao. Na samy tanora aza moa tsy mitovy tanjona !!!

    • 22 février 2009 à 20:21 | tsy tia tabataba (#366) répond à objectivité

      Objectivité, faites passer le message. C’est fort intéressant d’arriver à faire comprendre à la population - toute couche sociale confondue - qu’il n’y aura pas de développement sans respect de la légalité. Mettons-nous dans la peau de la Chine (elle n’est pas un exemple idéal) qui, avec ses 1.3 Milliards d’habitants, arrive à faire respecter l’ordre et la stabilité en faveur du développement. A chacun sa démocratie, ce qui compte aux yeux de tout le monde, c’est le développement et le bien être social... Et nous dans tout cela ? 10.000 voire 25.000 âmes prétendent avoir la légitimité pour renverser un pouvoir en place, non sans faille, mais qui travaille quand même !
      Bon courage. Nous avons un long chemin à faire !

    • 22 février 2009 à 21:57 | Gardash (#351) répond à tsy tia tabataba

      Miarahaba an’ i Tsy tia tabataba.

      Misaotra betsaka indrindra @ valintsoratra izay manambara ny fitiavan-Tanindrazana. Ny tena moa dia manotra fotsiny fa tsy dia hoe manan-kevitra azo antenaina. Ny azoko lazaina fotsiny dia ny hoe mba te hody any Mcar ny tenako satria efa ela be no nialana ny Tanindrazana, nefa tsy hitako ny ilana ny fandehanana mody raha ohatra ka tsy manana soa entina mody ho an’ i Mcar. Ny tenako irery no malagasy @n’ ny toerana misy ahy. Ny antony iray mbola mahatonga ahy mijanona aty dia ny mbola tsy fahavitana ny izay heveriko fa adidy @ Tanindrazana. Zany hoe : ny tenako dia magistre en architecture ary nanao etude mba ahazoana Phd en architecture @ these sur Mcar, nefa noho ny tsy fandrosoan-tsika dia sarotra ny hananana izay ilaina mba ahavitana ny etude araky ny tokony ho izy. Ny Japonais no mety manana izay zavatra ilaiko fa lafo dia tena lafo be mihitsy. Ny tenako dia nanoratra tamin’ireo mba hampiena ny vidin’ireo vokatry ny asa nataony tany Mcar fa tsy nisy valiny. Tany Mcar aho t@1999. Tao @ ministeran’ ny amelioration de la ville (izay angamba ny anaran’ ilay ministera raha tsy diso aho)Na dia ny ministerantsika t@ zany fotoana izany tsy nanana ny plan’ ny ville de fivondronana rehetra. Ny recherche nataoko dia efa presque vita fa ny chapitre farany, dia ny hevitra hanatsarana ny architecture sy ny urbanism de Mcar (raha miteny aho hoe urbanism dia tsy ny fiainana @ ville ihany fa ny Malagasy rehetra) zay le these. Efa misy solution maro publies mikasika an’ i mcar @ pays misy ahy fa mbola tsy tonga any Mcar.
      Na dia najanoko aza ilay etude satria mila miasa dia mino aho ho vitaiko ilay izy afaka fotoana kelikely.
      Conclusion : Il me semble que Manao zavatra ny fitondrantsika tsy au niveaun’ ny Mcar manontolo fa par detail. Zany hoe mba handrosoan-tsika dia tokony tsy maintsy manana ny plan general(sur Mcar entier) de development isika. Ny plan teneniko dia tsy plan politika fa plan scientifique.Izay no fantatro mba asa tokony atao voalohany voalohany. Io plan io no mibaiko ny zavatra rehetra atao. Disons, raha misy organisation te hanampy antsika ara-bola @zao, tsika zay vao mieritreritra sy hiady inono no atao @ilay fanampiana, fa rehefa efa manana izay plan general zay dia efa mazava inona no atao ka tsy tokony hisy ady vola.Raha ohatra manontany anao aho hoe a base de qoui no nizarana ny faritany ho 22 province ? Ny tenako dia afaka miteny satria izay be resaka ihany no henoina. Avant n’io hevitra io dia efa nanana hevitra publie aho, tsy hoe hanovana ny faritany izay misy fa correction kely fotsiny @izay misy, ary raha anontany ahy ianao, ny valiny dia tsy politika mintsy fa hitenenoko anao ny normes sy standarn’ ny ville normle, ary hitenenoko anao koa ny distance entre ny villes de fivondronana rehetra nisy. Izay no fahitako ny problementsika sa ahoana hoy anareo ? Ianareo mantsy no tena mahita ny fandehanjavatra any.

    • 23 février 2009 à 04:37 | tsy tia tabataba (#366) répond à Gardash

      Manao ahoana indray i Gardash,

      Faly aho nahita ny valinteninao. Mety tokoa ireo soson-kevitrao ireo. Azo ampiharina tsara araky ny teninao rehefa miverina amin’ny filaminana ny fiainana eto Madagasikara. Misy fomba ve hifanakalozana hevitra ankoatr’ity toerana ity ? Mirary tontolo andro tsara ho anao sy antsika rehetra. Enga anie ka mba hilamina amin’ity herindrano ity ny raharaham-pirenena !

  • 21 février 2009 à 18:22 | fandresena (#299)

    Mitomania izay hitomany fa izahay aloha dia hidera sy hisaotra an’ Andriamanitra satria milamina ny firenena. Miaina tsy misy ahiahy ny olona ary afaka mandroso amin’ny famapnadrosoana ; Misaotra ny FFKM na dia niandry an’i Andry kely ho tapi-dala-kaleha aza vao nihetsika.
    Fa mailo hatrany ianao Ravalo sy ny vahoaka Malagasy mandinika mbola be dia ny tsy maty voalavo an-kibo ary tsy ampoizina ny olon-dratsy ; Fa mba nahagaga ahy mantsy fa tsy hita ary tsy re mihitsy i Jacques Sylla tao anatin’ny olana fa toa izao vao mipoitra ? Manjary mampatahotra ahy ireto gasy manana natinalité vazaha ireto fa asanreo aloha e !

    • 21 février 2009 à 18:31 | fandresena (#299) répond à fandresena

      Fa maninona moa ilay hoe ,« Tompo »no natao minuscule e ! Mba mahagaga ahy aloha ilay izy .Dia hita tokoa hoe hafahafa ilay filoha mpitarika ao kah . Mampisalasala be ihany hoe iza no tompoiny anefa ny Filoha sy Andriamatoa natao majuscule ; tena erreur ve sa izay no ao am-pony . sarotra ny mitsara fa mampieritreritra fotsiny kah

    • 21 février 2009 à 19:47 | Gardash (#351) répond à fandresena

      Ho an’i Par Fandresena,
      Ianao ve dia olona hidera ny filaminan’ ny Malagasy, sa dia olona be demagogie fotsiny. Raha faly @’ny filaminan’ ny Tanindrazana ianao, manino no milavaniny @’ ny zavatra rehetra izao ? Na dia teny niniscule na majiscule dia ilainao vaniny. Ianao izany no mpaneligelintsaimbahoaka ou bien tsy misy atao ka dia soratana zao rehetra tonga antsaina izao. Izany ve no hitanao hampandrosoana ny Madagascar ?

    • 22 février 2009 à 12:11 | tsy tia tabataba (#366) répond à fandresena

      Na dia tsy tokony hanatrika an’io fifampidinihina io aza ny Filoha dia nataony izany satria tsapany ankehitriny fa ilaina ny miresaka amin’ny rehetra. Tafampita soa aman-tsara any aminy ny zavatra takian’ny ampahan’ireo vahoaka ary hitako fa efa niova izy, niova ho tsara sady mihaino ny vahoakany rehetra. Olomobelona iza moa no tsy ho diso ê ! fa rehefa mahatsapa ny tsy mety dia manarina an’izany. Sao diso hevitra mantsy ny sasany fa hoe midina amin’ny toerana misy an’Atoa Rajoelina izy. Tsia ny valiny, te hampitony ny resaka izy satria raha mitohy izao fitakian’ny olom-bitsy izao (vitsy tia setrasetra) dia tsy afaka hanao asa fampandrosoana izy ! Fahamatorana lehibe izany ! Aza matahotra ianao ry Fandresena ary aza mifaly alohan’ny fotoana ihany koa fa mbola ho lavitra ny dia. Mila fanarenena ara-toe-tsaina sy fanabeazana betsaka isika malagasy rehetra... Alao hery ary ê !

  • 21 février 2009 à 18:36 | fandresena (#299)

    Fa nahoana hoy aho no natao minuscule ilay hpoe « TOMPO » sady miverina in-2 mihintsy . hafahafa mihintsy ilay filoha mpitarika ao kah . tsy te-hitsara aho fa mba lasa saina fotsiny hoe fa iza ity tompokeliny ity .Ny Filoha sy Andriamatoa anefa dia natao majuscule . sa ianareo ao amin’ny tribune no nandiso ? Rha ianareo mantsy tsy tsy dia handefa fisainana lavtra aho fa asa ny anareo .

    • 22 février 2009 à 08:11 | Rédaction internet (#89) répond à fandresena

      Zavatra nadika an-kamehana tamin’ny heno tamin’ny magnétophone iny tompoko, fa tsy fanahy iniana na avy amin’ny mpanao fanambarana, na avy amin’ny mpitatitra.

      Efa natao ny fanitsiana fa misaotra anao.

  • 21 février 2009 à 19:51 | Rivohanitra (#142)

    « Pleure ô pays bien aîmé » est un roman de l’écrivain Sud-africain Alan Paton (1948, début de l’apartheid).
    Vous évoquez ce roman à juste titre en ce qui concerne Madagascar en ce moment.

    Oui on a laissé les deux milliardaires négocier à leur façon puisque de chaque côté il fallait sauver les meubles : TGV ne voulait pas se faire arrêter et Ravalo devait garder son pouf.

    C’est la honte, et comme je l’ai déjà demandé sur un autre site : les mamans des 38 enfants brûlés vifs lors de cette guerre des clones doivent elles supporter de voir gouverner le pays par l’un des auteurs de ces crimes ? La mairie de Tananarive est entre les mains de quel type de mafia aujourd’hui ?

    Ce sont des enfants pauvres et des Mainty qui ont été sacrifiés dans cette sale guerre et l’Eglise s’est foutu de leur poire !

    Dans l’histoire horrible de l’humanité l’Eglise a toujours joué le même rôle. Quel manque de courage et quelle compromission !

    Honte à nous tous !

    • 21 février 2009 à 20:44 | Gardash (#351) répond à Rivohanitra

      Ho an’i Rivohanitra,
      Nareo ve tsy menatra manotra amin’ ny site la phrase « Ce sont des enfants pauvres et des Mainty ». Fa angah tsy zanak’i Madagascar ve ianao ? Tsy fantatrao ve fa ny Tanindrazantsika dia fantatra @ zao tontolo izao fa firenena mahantra be. Izany dia midika fa tsika rehetra dia mahantra. Tsy fantatrao koa ve fa na dia mety fotsifotsy aza ianao, dia mainty be koa raha ohatra ka mandeha any @ tany mandroso. Sa angah mahitahita ka tsy te ho Gasy intsony ? Na koa Mirary ny mba hisian’ ny fanavakavahan’ koditra any @ Madagascar ? Raha mba manantsaina na te ahita ny fahasambaran’i Madagascar leitsy de mba eritrereto zay soratana fa dia aza manangona izao fakofako rehetra izao e. Nareo ve tsy vizaka @ fahantran-tsikeee ? Sa dia miaina tsara ka faly mahita ny mahantra ?

    • 21 février 2009 à 20:57 | Rivohanitra (#142) répond à Gardash

      Essayez de lire chaque ligne de mon message et aarêtez surtout de tout pervertir.

      Même un enfant aurait compris mon message et nul n’est dupe de la ségrégation de fait qui existe dans ce pays.

      C’est un élément du sujet mais ce n’est pas le coeur du sujet.

      Honte à vous tous !

    • 21 février 2009 à 22:03 | Vitagasy (#304) répond à Rivohanitra

      Quelle solution auriez vous propose ? Jusqu’au boutisme de l’un et de l’autre jusqu’a ce le plus mauvais gagne ?

      N’est il pas dans le meilleur interet du peuple malgache que les violences s’arretent et que tout le monde se remette au travail le plus rapidement possible ?

      Par contre, je ne comprends pas egalement la reference aux « mainty » (??) brules vifs lors des pillages. Honte a Dieu s’il existe ou bien justice immenente ? En bon republicain, je vous laisse le choix de decider comme bon vous semble.

      Mais apres que l’UA, les diplomates et autres ministres francais n’aient pas reussi a faire assoir ces deux idiots a la meme table, je remercie ces gens d’eglise pour ce qu’ils ont fait. Pas vous ?

    • 21 février 2009 à 23:31 | Rainisoa (#360) répond à Rivohanitra

      et « la guerre des clones » est le titre du dossier Madagascar de Jeune Afrique du 5 fevrier dernier.
      On peut reprocher bcp de choses à la FFKM mais encore heureux qu’elle soit là, au moment où « tout fout le camps ».

    • 22 février 2009 à 12:28 | tsy tia tabataba (#366) répond à Rivohanitra

      Salut Rivohanitra, guerre des clones, dites-vous ? je ne pense pas ! merci de remonter l’histoire. Vous essayez de comparer deux situations incomparables. Ce que nous vivons actuellement est un mouvement de contestation, comme dans tout pays développé, digne de ce nom (et si on veut faire partie des pays développés, nous aurons beaucoup à faire pour changer et la culture et la mentalité). Vous vous rappelez (je ne connais pas votre âge) des évènements de 2002 ??? Ce que nous avions appelé mouvement populaire. Il n’était étonnant de le voir réussir. Aujourd’hui, nous contestons certaine dérive de nos gouvernants, ce qui est juste et légitime, mais n’allons pas accepter que 30 à 50.000 contestataires allaient exiger le départ d’un Président, élu au suffrage universel ? et rien que sur ce point, je partage votre avis « Pleure ô pays bien aimé ». Et enfin, ne soyez pas naïf en pensant que les chefs contestataires allaient risquer leur vie pour arriver à leur fin. NON Rivohanitra, ce fût, c’est et ce sera toujours le petit peuple qui fera cette sale besogne. Pensez aux militaires qui, ce jour-là, étaient de service et furent obligés d’accomplir leur travail, malgré eux. Ils étaient là pour défendre ce que les gens du monde entier appellent « Institution » ? A qui la faute ?

  • 21 février 2009 à 20:55 | king58 (#342)

    Amiko aloha dia somary tena soren’aho na ny @ Mpitondra fanjakana na ny @ Filohan’ny Mpanohitra.
    Ny mpitondra fanjakana, tsy mampiasa ny filazàny @ hoe« ny ara-drariny,sy ny ara-dalàna »,betsaka ireo niharan’ny lalàna izay @ fampidirana an-trano maizina ny sasany,nefa tsy dia nisy heloka be toy ny nataon’i Ra-Andry(fanonganam-panjakana,famelezan-tsao etsy sy eroa,fitaritana an’ireo andian’olona handorony fananam-pirenena na ny RTM izany,fakàna hakeriny ny Ministera efatra,...sns...)nefa dia hodina tsy hita,ny lalàna izany amiko tsy ho an’ny rehetra,fa ho an’izay safidim-pon’ny Mpitondra.(Tena tsy rariny),dia eo ihany koa ny famarotàna ny tanindrazana @ vahiny(tsy rariny),afaka manofa izy mandritra ny 99 Taona rénouvelable,fa tsy tokony ho hamidy,heloka be vava ho an’ny firenena izany,ary koa ho an’ireo razam-be),dia ny Force One moa iny,dia heloka ihany koa,satria ny 70% dia volan’ny Fanjakana.Dia tokony hiaran’ny lalàna koa ny Filoha e !Manodikodim-bolam-panjakana.5tena tsy rariny ihany koa)
    I Ra-Andry indray moa dia natao hitady toerana sy mpandika lalàna,ka mampiasa ireo vahoakany izay manara-dia azy ho tohatra fiakarana,mieritreritra ny tenany ho filoha,dia manao fanjakan’ny baroa,fa dia tsy misy fieritreretana,mitsinjo ny tombotsoa irery ho an’ny tenany.Ny Vahoaka madinika no mampalahelo atao sorona.(Ka dia tena tsy rariny ihany koa raha tsy hiaran’ny lalàna)
    Farany,@ fo tsy mihangatra,dia samy areti-mandoza ny firenena ny Filoha sy Ra-Andry e !Enga anie ka hitsara anareo ny avo indrindra,sy ireo Razam-be fahiny.

    • 21 février 2009 à 22:35 | Rakoto (#358) répond à king58

      Miariary tokoa fa na iRa8 na i Andry TVG dia samy manankina ny ho aviny @ « Zanahary » na « Andriamanitra ». Na iza na iza anefa mpitondra fanjakana mbola manankina ny heriny @ « hery avo tsy ho hita hamarinina ny fisiany » dia milaza izany fa tsy hisy ho antenaina hitondra vaha-olona @ fahantran’ny ankamaroan’ny Malagasy« ireo mpitondra ireo ! . Ny mahantra koa anie efa ela no niantsoin’ny »herin’ny Tompo, ny zanahary, ny Andriamanitra« fa toa vao maika aza mitombo ny fahantrany satria tsy misy mpihaino tokoa ny fangatahana ! Efa maro be ny mpivavaka era-tany ary azo marihina anefa fa maro koa ny olana aterakin’ny »finoana @ hery tsy taza-maso hatrizay« . Firifiry akory ny isan’ny olona maty ho azy era-tany § ... Aiza foana io Andriamanitra handrasana io ! ... Inona no ilainy vao hiseho sy »hitsara« ny olombelona nolazaina fa »IZY3 ihany no namorina azy sy izao tontolo izao !!! Tsy tokony ho ankinina @ izay mbola mampanantena ny tsy misy ny fiatrehana ny olana efa maro loatra era-tany ! ... Tsy tokony minomino intsony ny zanak’olombelona raha mandinika ny avo sy iva era-tany ! Ampy izay fanodikodinan-tsaina ataon’ny Eglizy era-tany izay ! Raha ny vola notatazany isakin’ny Alahady no atao ny totaliny dia mety efa nahafahana namonjy aina maro teto an-tany tokoa ! Jereo ny anton’ny ady etsy sy eroa. Matetika dia ny finoana na nahatonga ny olona mifamono era-tany !!! Iray sa roa sa maro karazana ny « Zanahary » ! Inona no mbola andrasana tsy hanomezany ny vaha-olona ilain’ny ankamaroan’ny zank’olombelona !!! Inona no antony mbola hiantsona ny hery any andanitra nefa ny basy mbola ampiasaina hitifirana sy hamonoan’olona !.

    • 22 février 2009 à 01:05 | jonas (#185) répond à Rakoto

      Saotra ny mamaly ny resakao satria toa efa lasa lavitra loatra fa dia ny mampahery anao hiady amin ny fiainana no azo atao

    • 22 février 2009 à 07:31 | RADAGIL (#127) répond à Rakoto

      Monsieur:Je suis d’accord avec vous si on regarde l’histoire du Monde c’est par la Religion que s’est faite toutes les Colonisations.Je ne connais pas TG ni ce qu’il vaut mais neanmoins je le soutiens car il osé dire et crier fort ce que tout le monde pense tout bas.Les Malgaches auraient du le soutenir et je pensais qu’il aurait eu une radicalisa-
      tion du mouvement.Les petits fonction-
      naires que sont la plupart(puisqu’il n’y
      a plus de PME ni autres choses à part les petites gargotes et la vente au bord de la route de 3 ou 4 tiges de cigarette )sont restés muets et préférer
      garder leur maigre avantage par rapport aux autres qui crèvent la faim.Nous ne savons pas ce qui peut nous arriver quand nous serons morts personne n’est jamais revenu pour le dire c’est ici bas
      que doit se construire notre bonheur ou notre malheur.Les preches des hommes de l’Eglise c’est pour nous endormir ;c’est comme Ra8 qui a promis une 4L à tous les Malgaches « Minoa fotsiny ihany »Il est vrai que les promesses n’engagent que ceux qui les écoutent

    • 22 février 2009 à 08:04 | RADAGIL (#127) répond à king58

      Au ZIMBABWE Mugabe s’est offert pour 4,5
      millions d’euros une villa à Hongkong à l’heure ou la moitié de sa population survit grace à l’aide alimentaire.On peut faire le parallèle avec Ra8 avec sa Force one.TGV a hissé le drapeau blanc sans rien obtenir« des morts pour rien ».Avec ses affidés ce Président qui fait le mélange des genres peut faire avaler des mouches et des couleuvres au Peuple Malgache avec la bénédiction des Eglises.Daewo va revenir les Malgaches vont etre spoliés de leur terre.Les engrais chimiques vont polluer les cours d’eau et les nappes phréatiques pour quelques emplois payés pour une bouchée de pain.Ra8 est prisonnier de ses engagements il ne pourra rien et c’est le peuple qui paie

    • 22 février 2009 à 12:03 | ??tena marina ?? (#225) répond à Rakoto

      Tena lazaiko anao fa tena miasa tokoa Andriamanitra mamaha ny olana rehetra misy eo amin’ny zanak’olombelona ankehitriny sy ny olana misy eo amin’ny tokantrano tsirairay avy ; saingy ny zanakolombelona no mafy fo ka tsy mahatsapa izany. Soa fa mbola misy ireo olona mitalaho ny famindrampony isanandro ary an’isan’izany ireo olona ao amin’ny Eglizy ; fa raha tsy izany angamba dia efa sodoma sy gomora teto an-tany. Koa eto aho dia mitondra fisaorana be dia be ho an’ireo rehetra nanandram-bavaka ho an’ny firenena ary misaotra koa ny FFKM amin’izao asa ataony izao, ny Tompo anie homba anareo ary hamindra fo amin’ny malagasy rehetra tsy an-kanavaka ary hanasitrana ny firenentsika. Amen
      Na ny FFKM na fikambanana hafa na olona hafa no nanao izao fampiresahana izao dia tsarovy fa valim-bavaka izao : « ..ny zavatra rehetra dia entin’Andriamanitra hahasoa izay tia Azy »

    • 22 février 2009 à 12:46 | tsy tia tabataba (#366) répond à king58

      Misy marina ny tenin’i King58. Fa izao no tiako hisarihana ny sainao. Ny olona mihevitra ny tenany fa manana ny « fahamarinana » ka tsy miala amin’ny heviny mandrapahafaty sy tsy afaka mihaino ary maka lesona no olona fadiranovana indrindra eto ambonin’ny tany. Rehefa nanao fihetsiketsehana hanakorontana ny fanjakana ireo « voasambotra » teo aloha, tonga dia nogejaina. Betsaka ny tsikera nataontsika. Tsy misy ny fahalalahana miteny, mpanao didy jadona io fitondrana io, ary na izaho miresaka aminao izao koa aza mba tonga saina ihany sady efa manontany tena hoe, fa ahoana kosa no tsy samborina i Andry... Niasa be ny loha. Rehefa nodinihiko anefa ny fizotran’ny tantara dia nahatsapako fa efa niova ilay Filoha mafy loha teo aloha, efa mba namela ny rehetra hiteny sy hizara ny alahelony. Nifanojo tamin’i fihetsiketsehan’i Andry anefa ilay fiovana sy fihainoana ny hetahetam-bahoaka... Nihevitra ity farany fa dia natahotra azy ny fitondrana ka dia nisetrasetra izy ! Rehefa lasa tokoa ny fitakiana, dia tsy tana intsony, ka lasa sarotra angamba ny fisamborana satria amin’ny saina tsy miangatra, misy ampahany vitsy ihany kosa marina tamin’ireny fitakiana nataon’ny vahoaka niaraka tamin’i Andry ireny... Koa amiko tsy tia tabataba dia heveriko re fa tsy ho an’ny zanak’Ikala hafa ihany ny fisamborana fa sasanangy samihafa no zava-niseho. Fa na izany aza, jereo ny tantara, fa ireo mpitari-tolona voasambotra tany Toamasina anie toe hoe efa nohafahana madiodio ê ! Ny tolona tokony hatao izao angamba dia hitadiavana vaha-olana hivoahana amin’izao « kizo » misy antsika izao. Ilaina ve ny hiovan’ny Mpitondra hanohizana ny lalana efa vita ? Asa !!

    • 23 février 2009 à 19:15 | Ranosera (#112) répond à RADAGIL

      On ne peut pas comparer Ravalomanana avec Mugabe. Sous Ravalomanana la production agricole a augmenté. Sous Mugabe elle a diminué.

  • 22 février 2009 à 11:10 | Tia tanindrazana (#349)

    Ilaina ny manao bilan’ny fitondran-dra8 @ izao fotoana izao satria izay no ahitana ny mety sy ny tsy mety vitany indrindra manoloana izao fifanantonana misy aminy sy @ Andry tgv izao izay tarihin’ny FFKM.

    Izao ny azo ambara mikasika ny bilan ra8.

    Les côtés positifs :

    1)Fanamboaran-dalana sy ny infrastructures (PIC à Taolagnaro, Nossy be, Sainte Marie, routes nationales et les routes qui mènent à des endroits riches en ressources)
    2)Fiantsoana investisseurs étrangers ( minerais, informatique, tourisme, etc.)
    3)Croissance économique à + de 5% par an.
    4)Beau gosse koa hono hoy ny sasany

    Ny lesoka na côtés négatifs :

    1)Tsy rariny sy fangoronan-karena hoan’ny tenany, ny fianakaviany ary ny namany sady tsy fitsinjovana ny vahoaka maro an’isa izay mijaly sy mahantra.
    2)Monopole de TIKO sur tous les secteurs juteux du pays : Agroalimentaire, BTP, Tourisme, minerais, industries de transformations, distribution, etc.
    3)Tsy fandoavan-ketra ataon’ny TIKO sy ny filiale ny rehetra
    4)Fanapotehana ireo mpandraharaha malagasy @ secteurs tian’ny TIKO hidirana ka anaovany tsy rariny @ alalan’ny redressement fiscal foronina.
    5)Fivarotana tanindrazana @ DAEWOO mba ahazoany pourcentages sy commissions.
    6)Tsy firaharahina ny vahoaka @ fividianna Boeing 60 millions de dollars @ izao fotoanan’ny crise izao.
    7)Didy jadona, tsindry, mandats d’arrêts hoan’izay rehetra tsy manaiky izany tsy rariny (injustice sociale, injuste économique, injustice totale) ataony izany. Fangadrana eny Antanimora sy eny Tsiafahy ny olona mba mitsikera ny tsy mety ataony na olona tiany ho simbaina.
    8)Fitondrana ny firenena toy ny fitondrany ny TIKO. Toa zavany manokana i madagasikara iray manontolo ka dia i TIKO no interlocuteurn’ny FMI, banque mondiale, investisseurs étrangers rehetra te hanao asa eto madagasikara.
    9)Famonoan’olona t@ 7 février 2009 teo izay nadripahany olona tsy misy afatsy tanam-polo teny Ambotsirohitra. Mihoatra ny 30 no maty ary 400 mahery naratra voan’ny bala.
    10)Fanaovana ny fivavahana fitaovana fandangolangona ny vahoaka (FFKM, FPM ary indrindra ity FJKM ity)

    Famintinana na conclusion :

    - Anjaran-tsika ny mijery ka dia angamba mahatsapa isika hoe rariny loatra raha nitraotra ny vahoaka manoloana ny tsy rariny nataon’ity ra8 ity. Enga anie i Andry Rajoelina tsy hamitaka ny vahoaka @ izay négociation ataony @ ito ra8 ito ka tsy sanatria hanao toa azy koa raha tambazany seza na sanatria vola eo.
    Na ho inona hitranga na ho inona no hiseho dia izao no azo tazonina mandrakariva momba ity ra8 ity :
    MPAMONO OLONA, MPANGORON-KARENA, MPANAO JADONA, MPANAO NY TSY RARINY. Tsy hafafa ny tsy rariny sy ny famonan’olona nataony ireo làlana vitany sy ny investisseurs nantsoiny ireo.
    Tsy ho adinon’ny olona ny famonoana nataony eny fa na dia be aza ny fikezahana ataon’izy ireo hanadinona izany sahady. Dradradradraina fa i Andry TGV no manao terrorisme, lazaina aza fa ny gardes du corpsn’i Andry no nitifitra. Izy ireo TIM indray no milaza fa victimes.

    Marina fa mora manadino ny olona, ny porofon’izany dia i didier ratsiraka namono olona aman-jatony teny Iavoloha t@ 10 août 1991 dia tsy mba notsaraina mandrak’izao anio izao ary dia mbola nofidian’ny olona indray aza t@ 1996.
    Izao safotofoto izao dia mitovy tanteraka t@ situation 1991 sy t@ mai 1972. Ny TIM sy ny mpomba ity ra8 ity dia tsy mety hijery izany fa dia ny 2002 hatrany no averiny hoe resaka légalité taoriana fifidianana hono. Nefa ny 1972 dia tena ao anatin’ny fitondrana mihitsy Tsiranana taorian’ny naha lany azy à 90% t@ 1970 angamba izy izay. Toa izay koa ny t@ 1991, vao lany t@ salan’isa 80% ingahy ratsiraka t@ 1989 dia nitraotra ny vahoaka 2 taona taoriany.

    Tsy mendrika antsika malagasy mihitsy ve ny mpitondra sady tia fahafahana (liberté individuelle et collective) no tia ny rariny (Justice sociale, justice économique, justice tout court) ? Fa dia izay iray tonga hatrmin’izao dia sady tenda-kanina no mpanao didin’ny be sandry sy loham-boto ?
    Enga anie Andriamanitra mpanao ny lanitra sy ny tany hanampy ny vahoaka sady hamaly ny ratsy vitan’i’ ra8 @ sahaza azy, indrindra @ filalaovany an’Andriamanitra @ zava-doza ataony !

    • 22 février 2009 à 12:49 | Befamaly (#365) répond à Tia tanindrazana

      F’ianao irery izany no tia tanindrazana ?!!! Manenjika ny ampihimanba sy ny jadona ianao ary koa ny halatra sy amboletra. Mahagaga anefa fa nataonao ampihimamba sy amboletra ihany koa ny teny hoe :« Tia tanindrazana » ! Mifankahaiza @n-dRavalo sy i Andry ianao na ingahy Ratsiraka ihany koa ianao izany raha toa ka eo @ fitondrana ? Sa avy teo no niala ka mahay miteny ?
      Ny @ Daweoo sy ny Air force 1 dia tsy « d’accord aminao velively aho » Efa misy ny fanambarana sy fanitsiana nataon’ny mpitondra ny@ ireny kanefa dia roritina foana ! Izay ve le hoe : « likiliky »-mpo ? Iny Vam iny anie tsy ho azy fa ho an’izay mitondra mifandimby eo e ! Sa Hanao « requisition » lava toa an’i Deba foana ianareo rehefa hanao dia lavitra ny filoha ? Ohatrinona moa ny Fatiantoky ny Air Madagascar isaky ny alain-dRatsiraka hitondra ny delegasiona manaraka azy ny fiaramanidin’ny Air Mad ? Vols annulés, vols détournés (satria tsy maintsy manatitra an’ingahy deba aloha ny Vam vao manohy indray ny làlany). Ny fotoana lany @ izany miampy satria tsy maintsy hamarinina manokana foana ilay fiaramanidina. Fa tsy manana zo hanana ny fiaramanidina ve izay mpitondra eto ? ... Taperiko ny resaka momba an’iny. Daewoo : Efa mazava ny @ iny efa misy ny fanitsiana nataon ’ny mpitondra sy ny fanambarana nataon’io Asosaiety io sady mbola tsy nisy fanampahan-kevitra hentitra koa anga ny momba ireny e !

      Ny @ ireo mpanohitra migadra indray dia mino ve ianao fa olo-masina sy nanao ny tsara daholo ireo olona any Tsiafahy sy Ajaniko eto aloaha ny fanohana ny fitondrana. Tsy manana firohana @ antoko politika ny aty fa miezaka mipetraka @ fijery ara-dalàna fotsiny./.
      Ny ankoatr’izay dia mitovy hevitra aminao aho fa aza manahy saingy izaho tsy entanim-po dangitra rehefa mitsikera ny fitondrana na rehefa mitsikera ny mpanohitra ihany koa ary tsy ho giazako ho ahy samy irery ny teny hoe : « Tia tanidrazana »
      Sa ahoana hozy ianao ?

    • 22 février 2009 à 13:24 | tsy tia tabataba (#366) répond à Tia tanindrazana

      Manao i tia tanindrazana. I tsy tia tabataba ihany ity. Misaotra anao tokoa nanao jery todika tamin’izay vitan’io fanjakana mila amboarina io ! Samy manaiky daholo tokoa ange isika fa ilaina ny fanamboarana sy ny fanavaozana ny fitondrana ê ! sa tsy izany ? fa amin’ny maha tsy tia tabataba ahy dia tsy sasatra mihitsy aho misarika ny saintsika (samy afaka maneho ny heviny moa an !) ka milaza hoe soa fa nisy izao fihetsehana izao hahalalan’ireo mpitondra mihevitra azy ho tapitr’ohatra ireo fa izy ireo ihany no mahita ny lalana hitondrana an’izao vahoaka izao ho any amin’ny fandrosoana. Fa izao anefa, soa TOKOA aloha fa mba nisy ihany ny fandrosoana vita fa raha tsy izany tsy mba nisy zavatra ho simbaina teo indray isika malagasy. Isika mantsy toa natao hijanona ao anatin’ny fahantrana foana (tsy tiako ny milaza hoa hoe voaozona) ka izay mba kely vitan’izay nifandimby nitondra teto amin’ny firenena dia tsy maintsy ravaina. Taiza teto amin’ny fiainantsika tokoa moa no mba nanana fampielezam-baovao tsara sy ari-fomba toy ny TVM, RNM, RTA, VIVA, TVPlus, ... (ataoko teboka telo fa tsy ho voatanisa daholo, sao hananantsiny !) fa dia tsy maintsy nodorana ny sasany, nopotehina ny ankamaroany. Asa aloha i tia tanindrazana raha olona mipetraka eto Dago, fa efa nihatsara ange rey olona ny fandaharana sy ny fampielezam-baovao ary ny fialam-boly teto amintsika. Amin’izao fotoana izaon, INONA SISA NO MIJANONA ???? INDRISY ! na ny fandaharana izay mandeha aza amin’izao fotoana toa tsy zarizary sisa ! Fa tsy manala fahadisoana nataon’ireo mpitondra ireo aloha izany satria mbola mahatsapa ny vahoaka fa mbola tsy ampy ny ezaka ! Ary izay no maha-vahoaka azy ! Mitady ny tsara hatrany ! Marina fa mety ho diso tafahoatra ny fitiavan-tenan-dRa8, fa hatrizay fitondrana nifanesy teto, dia hitako fa efa mba nisy fizarana ny AMPAHAN’NY FANDROSOANA teo amin’ny vahoaka ! (fa izaho aloha tsy mbola nahazo ê, sao diso fomba fijery ahy ianareo !) Na dia teo aza ny fitiavan-tena lehibe teo aminy, nanao ahoana kosa ny fiantraikan’ny krizy tany ivelany teto amintsika ??? niakatra ve ny vidin’ny vary sy ny hafa fampiasa andavan’andro ? Izaho ary toa gaga fa raha vidin’ny vary avy any ivelany no jerena dia latsaka be ny teto amintsika ! Nangalatra ary ve ny fanjakana nampidinany an’izany vidim-bary izany sa ahoana ? Raha nangalatra ny fanjakana dia nangalatra ho an’ny vahoaka izany izy !!! Marina fa tsy afaka manao fampitahana amin’ny any ivelany isika satria tsy mitovy ny fahazoana ny vaovao avy any, fa raha ny marina dia i Madagasikara saika tsy nianjadin’ny krizy rehetra nisy ! Izao indray, hitan’ny fanjakana fa misy tsy mazava ny tombon’ny alain’ireo mpivarotra solika, dia mba hahafahany mampidina ny vidin-tsolika dia toa hoe hanafatra mivantana solika ny fanjakana... Toa ohatran’ny mety ihany izany ho an’ny vahoaka !
      Tsy omen-tsiny ny vahoaka raha mitaky ny tsaratsara kokoa fa ny mampalahelo dia ny fanaovana an’izay fitakian’ny vahoaka amin’ny mpitondra azy izao ho fitaovana hakana ny fahefana... Mbola tsy tonga eo amin’ny toerana tadiavina akory aza moa ny mpangataka fahefana dia efa hita taratra sahady ny ho mety hitondrany ny firenena... Isika mahita ny vokany sahady.
      Fa na izany aza, mila miova tanteraka ny Filoha ary raha mety aza dia tokony handray ny ankolafin-kery rehetra misy eto amin’ny firenena izy (araky ny herin’ny tsirairay io an, fa tsy hanao ankeriny fotsiny) na avy amin’ny ekipan’ny teo aloha izany (Ing Ratsiraka), na avy amin’ireo mpanohitra (Ing Zafy Albert sy ny hafa), sy ity milaza fa misolon-tena ny vahoaka rehetra ity (Ing Rajoelina), tsy ho adino ry zareo efa mpanohana... Izay angamba ny lalana hahatongavana amin’ny fialàn’ny tabataba eto... Mahereza daholo moa ê !

  • 22 février 2009 à 16:41 | batista (#170)

    Miaiky andry zareo ireo aloha izaho eh !

    Tao ampiangonana androany de niteny mihintsy ny mpiandry iray fa raha ilaina aza ny hampiasana hery (basy) de vonona koa izy na haningotra ny aina aza.

    Hay mbola sahy manao maritiora marina ny kristianina refa miantso ny ...
    Mahomby noho ny tenin’Andriamanitra anie izany ny antso politika eh ! (hanao sorona ny aina).

    Raha le resaka aloha de mbola hafahafa. Mitandrema isika rehetra fa la trave peut signifier une autre préparation" !!!

    Enga anie ka tsy ho izany. ZANAHARY o tahio ny Tanindrazanay.

    • 22 février 2009 à 20:28 | tsy tia tabataba (#366) répond à batista

      Ny mampalahelo anie ry batista dia lasa fitaovana hanaovana izay tian-ko azo ny fivavahana ê ! tena marina ny anao, misy sahy manao sorona ny ainy satria mihevitra izy fa ilay olombelona arahiny no andriamaniny. Tsy Andriamanitra tena izy ny azy ! Marina koa ny ahiahinao fa mila mitandrina isika tsy tia tabataba satria mampalahelo fa tena nivadika ho ratsy (biby) ilay tovolahy sy ny namany. Atao ahoana tokoa moa ! Ny mahonena dia ilay gasy efa mitolona amin’ny fahantrany no mbola atao fitaovana miaraka amin’ilay fivavahana. Tandremo koa anefa fa misy koa ny hafa mampiasa izany ho fitaovana an ! Tsy tokony hampidirina amin’izany ny fivavahana !

    • 22 février 2009 à 20:34 | Gardash (#351) répond à batista

      Miarahaba an’i Par batista,

      Oh re ol eh ! Dia tena izany tokoa ve ? Gravy anie zany eh ! Na izany na ts’ izany dia tadidio ny voasoratra @’ Baiboly Ecclesiastes,1:2 « Vanity of vanities saith the Preacher, vanity of vanities ; all is vanity » (azafady raha manoratra @ teny angilisy satria tsara kajy ny Baiboly malagasiko) Ny tiako ho lazaina dia tsy aleo ve miaina mba ahita ny havana sy izay tsara misy toa izay hanampy anisa ny victimes. Dia izao koa ; mino aho fa tadidinareo tsara ny hiran’ i Jean-Jacques Goldman « Il changeait la vie » Izay zany mba message-ko amintsika Malagasy" Raha tadidinareo tsara angamba ny hira, dia le plus important @ntsika dia ny manao izay mahasoa ny tena ara-drariny fa tsy @resaka be mampididoza. Tsy omena tsiny koa izay te ahafoi ny ainy @zao fotoana izao satria izai no mba fantany sy ny azony atao mba hanatsara ny fiainany sy ny Firenena. Izay no hitany fa voninahitra.

  • 22 février 2009 à 18:20 | TIAGASY (#375)

    Mampalahelo ahy ianao Andry TGV, ratsy conseillers, tena mbola zandry kely marina.

    Ianao ve dia tena mihevitra fa tian’olona be ianao ka vonona ny hamoy tena sy fananana ho anao ny olona ?

    Diso hevitra tanteraka ianao, tsy fantatrao ve fa ny ampahany betsaka (tena betsaka) tamin’ny 63% azonao anie ka tsy hoe fitiavana anao e !

    Fa noho ny FANKAHALAN’NY OLONA AN-DRA8 SY NY FITIAVANTENANY, TOFOKA AMIN’NY FOMBAN-RA8 SY NY FANAFANGAROANY NY BUSINESS-NY SY NY AFERAM-PANJAKANA NY OLONA, LEO NY FANJAKANJAKAN’NY TIM NY OLONA, TSY MANAIKY NY HIOVAN’NY MADAGASIKARA HO TIKOLAND NY OLONA, TONGA SAINA NY OLONA FA TSY MPANDALA IZANY FAHAMASINANA IZANY MIHITSY INGAHIRAINY FA MAMPIASA NY FIVAVAHANA NO FANDIOVAN-TENA SY TAKON-KENATRA FOTSINY.

    Mba mihevera tena ianao Andry TGV fa ho vetivety foana dia ho potika eo, ny olona manodidina anao anie ka tsy fitiavana anao mihitsy no antony iarahany aminao fa ny fankahalana an-dRa8 fotsiny e ! Hampitin-dry zareo ianao rehefa tsy ilainy intsony.

    Izaho aloha midera anao sahy, tsy mora hampitahorina ohatran’ireo goaika antitra manodidina manararaotra anao fa mba jereo ihany ny gestion-ny carrière politique-nao sao miasa sy miady ho an’ny sasany eo fotsiny dia ho potika vetivety eo (MBA HO AFO MOLOLO FA TSY HO AFOM-BOZAKA)

    • 22 février 2009 à 20:35 | tsy tia tabataba (#366) répond à TIAGASY

      Misaotra an’i TiaGasy mananatra ny tanora mety hanana ny ho aviny. Sady tsara raha mba hampahafantarina azy koa fa misy fotoanany daholo ny zava-drehetra. Aza mety hataon’ny sasany tohatra fiakarana fotsiny. Ny an’izy ireny anie ka efa vita ny aminy ê ! Hita taratra amin’ny fitadiavan-tseza fotsiny dia ampiasaina daholo ny tetika sy teny tsy maotina hanazimbazimbana ny mpitondra. Rehefa tsy manaika manaja ilay olona mpitondra isika amin’ny maha-olona azy dia tokony mba HANAJA ny « Institution » fa tsy ambaniana tahak’ireny ny toerana maha-filohan’ny Repoblika sy ny Andrim-panjakana rehetra ao aminy !

  • 22 février 2009 à 18:39 | Lucie (#101)

    Après moultes démonstrations de force de Ravalomanana et de Rajoelina au cours desquelles des vies humaines ont été sacrifiées,le rétablissement de la paix civile est le préambule essentiel
    avant toute discussion sur l’avenir de Madagascar.Et d’abord :
    - 1)En signe de respect pour les victimes,il serait indiqué qu’une commission d’enquête indépendante fasse la lumière sur les circonstances de la mort des manifestants du 26 janvier et sur ceux du 7 février 2009 et que des
    dédommagements soient payés aux familles.
    - 2)Dans la période transitoire qui se profile,il est indispensable que les institutions de la République soient rétablies dans leur neutralité et stabilité, permettant le fonctionnement régulier du jeu démocratique et surtout l’alternance sans violence au pouvoir. Tant que les institutions restent au service des dirigeants, d’un régime, la rue continuera à agir de cette façon.
    - 3)Pour la population dans sa grande majorité,le terme de démocratie est depuis longtemps perverti en « prise de pouvoir par la rue ».Ereintés,appauvris,
    sans perspective ni pour eux,ni pour leurs enfants ,c’est le hurlement des ventres vides et la révolte devant l’absence de sens d’une vie de sacrifices.Le défi de celui qui prétend ou prétendra diriger Madagascar reste économique.Agriculture et auto-suffisance alimentaire,éducation,santé sont les bases d’une société saine.Une population nourrie,éduquée,en bonne santé est le plus grand trésor d’un pays.D’elle-même,elle assimilera les notions de liberté,justice,égalité des chances...
    - 4)Infléchissons le cours d’une Histoire contemporaine de Madagascar trop souvent marquée par des errements et des débordements irresponsables aboutissant à une misère endémique,et ce par un comportement honnête.Celà commence par le Chef de la nation qui devra très rapidement donner l’exemple.
    Mais il y a une chose que nous ne pourrons heureusement jamais changer dans notre pays bien aimé et qui poursuivra chacun d’entre nous si d’aventure nous l’oublions,comme un garde-fou hérité de nos Ancêtres dans leur immense sagesse : c’est le « Tsiny » et le « Tody ».

    • 22 février 2009 à 21:13 | tsy tia tabataba (#366) répond à Lucie

      Bonsoir Lucie,

      Intervention très pertinente. Seulement, je voudrais attirer votre attention sur les points évoqués :

      1. la commission d’enquête a été déjà diligentée par le Président. Comme il l’a dit, ce sera une commission indépendante. Bon nombre d’entre nous ont tendance à dramatiser la défense des Institutions. A ma connaissance, dans l’histoire de ce bas monde, et surtout dans les moments les plus fous, je n’ai jamais entendu ni vu des récriminations face à la défense des Institutions. Vous qui aimez l’histoire, souvenez vous qu’en mai 1968, les étudiants français n’osaient pas prendre d’assaut le palais de l’Elysée et aussi les Américains en colère ne voulaient pas prendre de force la Maison Blanche. M’enfin, attendons avec impatience le résultat de l’enquête...
      2. Je ne suis pas d’accord avec vous en pensant que la période transitoire se profile ! Est-ce bien pour cette jeune démocratie encore hésitante mais qui avance à petit pas ? Rappelez vous des lois sur les partis politiques, la tendance vers la pratique du bulletin unique, la refonte du code électoral... tous les ingrédients étaient à un moment donné disponibles pour asseoir une vraie démocratie, mais un ventre creux ne peut pas effectivement attendre. Et le problème est que même les plus nantis tels Andry Rajoelina et consorts ont encore le ventre creux et usent de leurs moyens pour agir anti- démocratiquement... Chaque dirigeant a sa propre politique et sa façon d’agir. Résultats escomptés : le bien être de la population, la sécurité et l’harmonie assortie d’un respect mutuel.
      Donc, oubliez la transition car à mon avis, elle ne sera pas la solution, pas à cette crise, mais surtout pour l’avenir de notre pays.
      3. Vous avez l’air de bien comprendre la situation et j’oserai vous parler du développement déjà engagé par Madagascar, non seulement par nos gouvernants mais par l’ensemble des « forces vives » de ce pays. Nous avons déjà un vrai projet social bien établi, une politique économique d’ouverture libérale, un concept de développement culturel fort. Il a suffi d’une simple adhésion citoyenne de notre part pour qu’elle réussisse. Malheureusement, en un clin d’oeil, tout est perdu à cause de l’impatience et de l’irresponsabilité d’une personne s’estimant avoir l’intelligence et la capacité mentale de diriger autrement ce pays.
      Le développement était au rendez-vous même dans le milieu rural (jamais, dans l’histoire de ce pays, le paysannat n’a été l’objet d’une attention particulière comme aujourd’hui... dommage). Ce qu’on peut reprocher au Président, c’est d’avoir oublié la politique du ventre. Sur ce point, il a foncé sur le développement au détriment de ce minimum vital qui a fait honneur au Président Tsiranana...
      4. Je pense qu’avec les évènements qui venaient de se produire, le message semble être bien perçu et saisi par le Président. Aussi, à mon humble avis, NON à la transition, OUI à la politique de la représentativité au sein de l’appareil d’état !
      Puisque nous aspirons tous à la démocratie, alors attendons le verdict des urnes !
      Bon courage !

    • 23 février 2009 à 13:25 | RADAGIL (#127) répond à tsy tia tabataba

      Monsieur:Dans votre éccrit vous ne faites que défendre ce Président honni par les Malgaches.Je pense que vous aussi vous avez profité de l’Affairisme du Président.Si vous etes un tant soit peu honnete envers votre patrie vous reconnaitriez qu’il y a beaucoup d’errements dans la gestion du Pays.Dans les urnes ne traduisent pas la volonté du Peple car on peut toujours les bourrer.Les Malgaches ne seraient restés 25 ans avec Ratsiraka s’il y avait une démocratieLa voix de la rue prime sur les urnes quand il y a une contestation forte.

    • 23 février 2009 à 20:07 | Ranosera (#112) répond à RADAGIL

      Il y a beaucoups de gens qui on profité des activtés du président : des enfants qui vont à l’école maintenant, des familles, dont les enfants recoivent une bourse, des paysans qui ont acquis un terrain et augmenté leur production agricole. Si vous êtes un peu honnête envers votre pays vous devez aussi accepter cela. Il y a beaucoups d’errements, c’est vrai, mais aussi ce n’est pas facile de trouver le bon chemin toujours. Si vous voulez un gouvernement sans errements, Madagascar serait le premier pays du monde à en avoir un. La démocratie ne viendra qu’avec les urnes. Ils sont toujours plus représentatif pour le pays que l’opinion des manifestants à Tana. En plus l’observation international des élections, si elle est voulu, donne au moin une assez bonne garantie pour la vericacté des résultats. Un pays n’est jamais une démocratie par définition. Il l’est à partir du moment où la plus part de la population a aquis une notion démocratique.

  • 22 février 2009 à 19:13 | fano tahina (#376)

    Vavaka ho an’i Madagasikara - 2009

    1/ Fanekena an’Andriamanitra
    Andriamanitra Andriananahary, dia Jehovah – eny, Andriamanitra Andriananahary, dia Jehovah.
    Ry Jehovah ô, Andriamanitry ny razanay, tsy Hianao va no Andriamanitra any an-danitra ? Eny, Hianao no manapaka amin’ny fanjakan’ny jentilisa rehetra, ary eo an-tànanao ny hery sy ny fahefana, ka tsy misy mahasakana Anao.
    “Ianao no mandahatra ny andro sy ny fotoana ; Ianao no manaisotra mpanjaka sy manangana mpanjaka”, araka ny Soratra Masina.
    Fa an’i Jehovah ny fanjakana ; ary manapaka amin’ny firenen-tsamy hafa Izy.
    Lehibe sy mahatalanjona ny asanao, Tompo ô, Andriamanitra Tsitoha, Mahitsy sy marina ny làlanao, Ry Mpanjaka mandrakizay.

    2/ Fitalahoana/ Fangatahana
    Omeo rariny aho, Andriamanitra ô, ary alaharo ny teniko haharesy ny firenena tsy misy famindram-po ;
    Andriamanitra ô, mifona aminao aho, mba sitrano re Madagasikara. Hifonako aminao ireo Malagasy. Hifonako aminao ireo manampahefana. Mifona aminao aho, mamelà ny helok’ity firenena ity araka ny halehiben’ny famindramponao ;

    Mifona izahay fa tsy hataonay fitaovana fotsiny ny Anaranao Masina mba hanatanterahanay ny sitraponay sy ny politikanay. Te hibebaka izahay, izany hoe hiala amin’ny ratsy fanaonay ka tsy hinia hanao izany intsony, ary tena hitady anao amin’ny fo rehetra fa tsy amin’ny molotra ihany. Mahatezitra Anao ny mpihatsaravelatsihy.
    I Jona mpaminaninao aza raha nitory hoe : rehefa afaka efa-polo andro, dia horavana Ninive, dia nino an’Andriamanitra ny mponina tao Ninive ka niantso fifadian-kanina sady nitafy lamba fisaonana hatramin’ny lehibe ka hatramin’ny kely. Ary nony efa ren’ny mpanjakan’i Ninive izany, dia nitsangana niala tamin’ny seza fiandrianany izy, ka nanaisotra ny akanjom-boninahiny, dia nisarona lamba fisaonana sady nipetraka tamin’ny lavenona (Jona 3:4-6).

    Aoka koa isika hibebaka, hiantso fifadian-kanina, hitafy lamba fisaonana ary hipetraka amin’ny lavenona. Na ny lehibe na ny kely, na ny mpiandraikitra ao amin’ny fanjakana na ny vahoaka. Angamba hahita famindram-po eo anatrehan’Andriamanitra ihany isika.
    Sitrano i Madagasikara satria koa Ianao Andriamanitra efa niteny, ao amin’ny bokinao 2 Tantara 7 : 14, hoe : “Raha ny oloko izay nantsoina amin’ny anarako ho avy hanetry tena ka hivavaka sy hitady ny tavako ary hiala amin’ny ratsy fanaony dia hihaino any an-danitra Aho ka hamela ny helony ary hanasitrana ny taniny”. Ary indray vonjeo ity taninay.

    3/ Ny amin’ny fitiavana an’Andriamanitra
    Andriamanitra no atahory, ary ny didiny (ny Baiboly) no tandremo, fa izany no tokony hataon’ny olona rehetra. Andriamanitra tsy azo vazivazina, fa izay afafin’ny olona no hojinjany na amin’ny firenena, na amin’ny olona tsirairay.
    Hahatsiaro ka hiverina ho amin’i Jehovah ny faritany rehetra ; Ary hiankohoka eo anatrehanao ny fokon’ny firenena. Fa an’i Jehovah ny fanjakana ; Ary manapaka amin’ny firenena Malagasy Izy.
    Koa araka izay lazain’ny Fanahy Masina hoe : « Anio, raha hihaino ny feony hianareo, Aza manamafy ny fonareo tahaka ny tamin’ny fahasosorana … » (Salamo 95 : 7-11).

    4/ Fanoloran- tena
    Koa avaozinay etoana ny fanoloran-tenanay ho an’i Kristy Ilay Mpanjaka mandrakizay.
    Atolotray ho anao ry Jesoa Kristy Tomponay i Madagasikara. Mba ho anao tanteraka tokoa, ka tsy zaraina amin’ny hafa. Fa Andriamanitra saro-piaro tokoa ianao ; Ary ny voninahitrao tsy omenao ny hafa.
    Arianay ny fanompoan-tsampy rehetra eto amin’ny firenenay fa tsy sitrakao izany, mampahatezitra Anao izany. Fa Ianao no niteny fa ny firenena manompo sampy, dia ny tavanao no hanandrina azy. Koa aiza no halehanay raha mitsanganko-fahavalonay Ianao Jehovah o !

    Hanompo sy hanaiky Anao izahay amin’ny fo manontolo, fa tsy amin’ny molotra sy ny fomba ivelany fotsiny. Ho Anao Irery i Madagasikara, ary i Kristy ho an’i Madagasikara.
    Vady ara-dalàna ka tsy mijangajanga intsony, araka ny voasoratra hoe : “Eny, hofofoiko ho vadiko amin’ny fahamarinana ianao. Ka dia hahalala an’i Jehovah” (Hosea 2:22).

    Amena !

    5/ Vakinteny
    - Izahao Levitikosy toko 26 :
    Fitahiana sy ozona.
    - Izahao Nehemia toko 9 :
    Ny fivorian’ny olona rehetra hanetry tena noho ny fahotany sy hanao fanekena hanaraka ny lalan’Andriamanitra.
    - Izahao Jona toko 3 :
    Ny nitorian’i Jona teny tao Ninive.

    Adiresy E-mail : info@madagascar4christ.com

    • 22 février 2009 à 22:06 | Rakoto (#358) répond à fano tahina

      Rehefa lasa lavitra tokoa ny finoana an’Andriamanitra dia tsy hisy ahafahan’ny zanak’olombelona mifampitaha hevitra intsony !!! Lasa fanompona an’Andriamanitra sisa ny tanjon’ny fiainana !. Tsarovy mandrakariva ary aza adino fa nanamora ny fanandevozan’ny mpanajanatany tokoa io raha ny tantara nojerena !.
      Aza adino koa fa tsy iray na tokana anie ny finona fa maro karazana !
      Na ny te hanao tsara na ny mpanao « ratsy » dia samy miantso azy daholo !. Aiza no hahitana ny fahamarinana amin’izany !. Tsarovy koa ny fiavian’ny teny hoe « Andriamanitra = Andriana manitra = Le noble qui sent bon = tsy misy tokoa ny Andevo manitra akory » ... Oviana no nisian’io teny io t@ tantaran’i Madagasikara.
      Raiso indray ny « Zanahary = Izaho no nahary ! ». Nahary an’iza tokoa moa ! Raha raim-pianakaviana ianao ka ohatra manao ny tsy mety ny zanakao dia tokony anjaranao no manoro ny lalana tsara ho azy fa raha tsy izany dia anisan’ny « mihambo adidy ianao ».
      Ny teny hafa toy ny « Tompo », tompon’inona moa ary mampindrana inona koa !!!...
      Amin’izao tena fisian’ny fivoarana @ fifandraisana izao (TV, Radio, Internet sns ns...) dia tokony hahatsapa tokoa intsika fa tsy herin’ny tsy hay tonony io fa vokatrin’ny « fahaizan’ny zanak’olombelona namehy ny manodidina azy ». Tsy ho azo hinona tokoa hoe avy an’any @ tany tsy misy fianarana no nahatongavana @ izao fotoana hiainantsika izao ! Na ny Eglizy aza mampiasa ny fitaovana moderina ampielezany ny fomba fijeriny !!! Laliny sy marivo tokoa ny saina fa ny tsirairay ihany no tena mahafantatra ny azony atao sy ny tsy takatrin’ny sainy !. Maro ny fisehoan-javatra efa azo porofoina @ fomba tsotra ny niaviany !. Aretina lehibe ao an-tsain’ny maro tokoa ny fiandrasana fotsiny ny « fanampiana » avy any an-danitra ! Asa aiza marina io andanitra io" fa efa mba maro ihany ny fikarohana nataon’ny zanak’olombelona momba ny lanitra sy ny habakabaka !!!

  • 27 février 2009 à 09:27 | dodi (#393)

    Tsy misy idiran’ny FFKM io raharaha io.
    Ny andraikiny dia ny mampatsiahy ny vahoakan’ Andriamanitra ny sitrapon’ Andriamanitra, miantso ho amin’ny fampihavanana, ary mamela izay voakasika hisafidy malalaka.
    Tokony natao hoe « Fanambaran’ny FFKE (Fikambanan’ny Fiangonana Kirisitianina Efatra) » io, satria tsy ny fiangonana kirisitianina rehetra no ao.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS