Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 19 avril 2024
Antananarivo | 11h10
 

Fanambarana

Antoko « Madagasikarantsika »

Fanambarana ho famahana ny krizy politika mampihitsoka ny Firenena

vendredi 14 juin 2013

  1. Manoloana ireo didy tsy azo hivalozana navoakan’ny Vaomiera Manokana momba ny Fifidianana (CES) mikasika ireo mpilatsaka ho fidiana filoham-pirenena, ka nahitàna tranga mifanohitra amin’ireo fepetra takin’ny lalàna manankery, izay miteraka krizim-pahatokisana amin’ny hitantanany ny ho amin’ny fomba tsy miandany ny fifidianana hifanesy ;
  2. Manoloana ny fisian’ny fifanoherana amin’ireo lalàna lehibe toy ny lalàm-panorenana, ny Tondrozotra sy ny lalàna fototra mikasika ny fifidianana, izay miteraka krizy ara-drafi-pitondrana ;
  3. Manoloana ny fitavozavozan’ny Fianakaviambe Iraisampirenena teo amin’ny andraikitra nifampizarana ho famahana ny krizy ka niteraka fahasarotana amin’ny fampiharana ny Tondrozotra, indrindra eo amin’ny lafiny fametrahana tontolo tony sy milamina mialoha ny fifidianana, ny firosoana amin’ny fampihavanam-pirenena ary ny Fiantohana ny fampandehanana ireo rafitra samihafa nifanarahana voalaza ao amin’ny tondrozotra ;
  4. Manoloana ny tsy fahatomombanana sy ny fahatarana eo amin’ny fanomanana ny fifidianana eo anivon’ny faritra maro (karam-panondro, lisi-pifidianana, solokajy amin’ny fikirakirana ny ho vokam-pifidianana, vaomiera eny amin’ny faritra hitsinjaram-pahefana) ary ny tsy fisian’ny fiantohana entitra ho an’ny fandriam-pahalemana mialoha sy mandritra ary aorian’ny fifidianana, izay miteraka fanahiana sy tahotra ny amin’ny tsy fankatoavana izay vokatry ny fifidianana, ho sanatria ampihiafara amin’ny korontana ;
  5. Manolona ny fahafantarana fa nisy anarana mpifidy miisa 1.600.000 (sahabo ho 25% ny mpifidy) niverina indroa tao anatin’ny lisi-pifidianana nandritra ny fitsapakevi-bahoaka nandaniana ny lalàm-panorenan’ny Repoblika Fahefatra. Lalàm-panorenana izay natao hianianan’ny filoha ho voafidy, kanefa ambaran’ny maro amin’ireo mpilatsaka ho fidiana filoham-pirenena fa hovany raha lany izy. Ka miteraka fanahiana amin’ny hasin’io lalàm-panorenana io sy miteraka kolotsainan’ny fivadiam-belirano sy ny tsy fihazonana ny teny nomena sahady ka hifampitaizan’ny ny samy Malagasy amin’ny fanohanana izay vonon-kandainga, ka mandrava ny soatoavina.

HITA ARY FA TAFAHITSOKA AMIN’NY KIZO MAMPIFANDRINGOTRA NY FIRENENA, KA NANOLORANAY IRETO SOSOKEVITRA HO VAHAOLANA IRETO VAO TSY ELA NY HOE :

  • TSY METY RAHA TSY HAVAOZINA TANTERAKA NY FITSARANA MANOKANA MOMBAN’ NY FIFIDIANANA ;
  • TSY MILAMINA RAHA TSY ARINDRA ALOHA IREO LALANA LEHIBE SY FOTOTRA ;
  • MANETRITENA KA MIARA-MANAIKY NY LESOKA TEO AMIN’NY FANANTATERAHANA NY ANJARA ANDRAIKINY NY TSIRAIRAY AMIN’IREO MPIARAMIOMBON’ANTOKA REHETRA (MALAGASY SY Iraisam-pirenena) AMIN’NY FAMAHANA NY KRIZY, KA MANOLOTRA INDRAY VAHAOLANA MAFONJA ;
  • AMPIANA NY RAFITRA REHETRA EO AMIN’NY FANDRIAM-PAHALEMANA,

Ny Antoko Madagasikarantsika dia mampahatsiahy indray fa :

  1. tamin’ny taona 2009 izahay dia nanolo-kevitra ny hanomanana fihaonambe izay hitondra amin’ny fananganana Antenimiera Hamolavola ny Lalàm-panorenana ;
  2. tamin’ny taona 2010 kosa dia nampanao TSIA ka niantso ny vahoaka hanao tsia tamin’ny fitsapan-kevi-bahoaka momban’ny Lalàm-panorenan’ny Repoblika Fahefatra, noho ny fahatsapanay fa io Lalàm-panorenana io dia mitondra sahady Tsimoky ny krizy ka efa tazana izay mitranga ankehitriny ;
  3. tamin’ny taona 2010 dia nandray anjara sy nitondra hevitra ka nahatonga ny fitsanganan’ny ESCOPOL izay fanoitra tamin’ny fametrahana ny Tondrozotra niteraka ny fiaraha-mitantana ankehitriny teo amin’ny ankolafy mpifanohitra ;

EO ANATREHAN’IZANY REHETRA IZANY SY MANOLOANA NY FAHAVOAZANA MANGITSOKITSOKA MIANTRAIKA AMINTSIKA JIABY, DIA MANAO IRETO TOLON-KEVITRA IRETO AMPAHATONIANA NY ANTOKO MADAGASIKARANTSIKA, HO FAMAHANA MIANDALANA NY KRIZY :

  1. Tanterahina voalohany indrindra, ao anatin’ny fotoana fohy, ny fampiahavanana ireo mpifanandrina rehetra niandohany krizy, ary itarina tsikelikely eo amin’ireo ratra mandrotika ny ankolafin’ny lafivalo ka lasa sakana ho an’ny fananganana firenena misy fiaraha-monina an-kasitrahana sy hatsangan’ny rehetra ka mandroso.
  2. Aroso ny fifidianana izay ho solombavam-bahoaka hisafidy ireo volavolan-dalàmpanorenana haroso ho amin’ny fitsapankevi-bahoaka (vote constitutionnel) ;
  3. Atsangana ny Governementa mpandrindra , tarihin’ny Praiminisitra lany tao amin’ny Antenimiera avy amin’ny maro an’isa amin’ireo solombavam-bahoaka voafidy ; ka,
  4. Tanterahina ny fitsapa-kevi-bahoaka amin’ny ny lalàm-panorenana nahazo vato be indrindra teo amin’ny antenimiera (Referendum) ;
  5. Apetraka avokoa ireo Andrim-panjakana rehetra vofaritry ny lalàm-panorenana voafidy eo ;
  6. Tanterahina ireo fifidinana rehetra voasoritra ao amin’ny lalàm-panorenana vaovao araky ny rafi-pitondrana voafaritry izany lalàm-panorenana izany ;
  7. Mandritr’izany fotoana rehetra izany, sy ao aoriany dia tsy mitsahatra fa, dia tanterahina ny fampihavanam-pirenena ifotony, hifamelàna ka hifanadiovana ary hanasitranana ireo ratra rehetra nentin’ny tantara.

MADAGISAKARA TSY AHY IRERY FA ANTSIKA JIABY !

Ny Filoha Mpanatanteraka
Rtoa Elia Ravelomanantsoa

Ny Filoha Lefitry ny Vaomiera Mpandrindra ny Vina
Atoa MOSA Justin

Ny Tonia Nasionaly
Atoa Rabearivelo Rivo

Ireo tonia isam-paritra Ifotony
Antananarivo/ Randrianirina ZAFITSIFERANA
Toamasina/ Rakotonirina Jean Claude
Toliary/ Mong Fock Hervé
Antsiranana/ Assiata
Fianarantsoa/ JAONA Christian Yves
Mahajanga/ Rafamatanantsoa Kotoniaina

4 commentaires

Vos commentaires

  • 14 juin 2013 à 12:00 | mpitily (#1212)

    « Grands et petits calculs »

    Noheveriko fa resaka politika io post iray io dia novakiako haingana kay tena resaka fahasalamana !

    Ny mampikatso ny fiainampirenena hatramin’izay dia resaka grands et petits calculs politiques (polifika) foana. Samy miseho azy ho dadany daholo kanefa tsy misy mihevitra izay ho an’ny vahoaka manontolo fa izay ho an’ny tenany sy ny ekipany ihany.

    Tsy mila fampihavanam-pirenena izany ireo politicards antsika ireo fa tsy hihavana mihitsy ny nahazo laka sy ny voadaka satria mifanohitra ny tanjony. Rehefa voadaka daholo ireo dia mihavana ho azy hiady @ izay nahazo ny laka (oh : Ravalomanana sy Ratsiraka sy Zafy sy colonel Charles ankehitriny sns.).

    Indrisy mantsy fa tsy noraharahiantsika ny sosokevitry ny ICG t@ 2010 satria tsy mety amin’ny calculs an’ny politicards antsika sy ny CI izay manohana azy ireo, kanefa eh ity isika izao tsy mbola tafavoaka ihany 3 taona aty aoriana ! Mampalaelo !

    Tsotra anefa ny hevitry ny ICG. Tsy mila Transition vaovao fa ny fandrafetana lalampanorenana ifanarahana arahin’ny référendum constitutionnel sy ny fifidianana mangarahara sy eken’ny rehetra no tokony imasoana haingana ; ny CI no tokony hi-organiser sy miantoka (garantir) izany fifidianana izany ; miandrakitra ny raharaha andavanandro sy maika fotsiny ihany ny governemanta ary mijanona ho neutre ny tafika. Tsy naleo ve narahina ireo dia efa vita ny krizy ohatra an’izay ?

    Amiko koa dia tokony hatomboka hatrany @ ambaratonga ambany ny fifidianana ary faranana @ présidentielle izany. Ny candidats ho filoha rehetra dia tokony hahazo sonian’olomboafidy (maires, conseillers régionaux, députés) anjatony vao azo raisina ho candidat (toy ny any France) fa tsy izao mampihomehy manana 50 M Ar rehetra izao. Misy @ ireo 41 mianadahy ireo izay tsy manana base nationale akory ary tsy fanta-poko tsy fanta-pirenena kanefa dia milingilingy ho fidiana ho filoham-pirenena.

    Atsipy ny tady eny antandroky ny omby, atsipy ny teny...

    Mpitily

  • 14 juin 2013 à 13:14 | Rakotoasitera Fidy (#2760)

    Ary i rabri , jansi , betoko , Isandra , Iarivo , ange , da fily , che ... sns

    Ahoana ny hevitrareo ??

  • 14 juin 2013 à 13:16 | Rakotoasitera Fidy (#2760)

    Aza adino faha ny loha teny dia hoe : Famahana ny krizy politika mampihitsoka ny firenena

  • 14 juin 2013 à 15:03 | Nirina RAKOTONDRABE (#2132)

    Mankasitraka tokoa ny fandraisan’ny antoko Madagasikarantsika andraikitra amin’izany fitiadiavana vaha-olana izao.

    Misy ho tsakotsakoina, misy ho hieritreretina tsara.

    Nefa ny fepetra voalohany tokony ho raisina ve mialoha ireo, dia ny hanesorana ny fitondrana tetezamita ity, izay tsy mitombona amin’inoninona na mitombona amin’ny fandrobana ny fitondrana no tena marina, izay isika vao afaka miroso amin’ny resaka tena matotra ?

    Satria raha tsy izany ireo olona nangala-toerana, tsy ara-dalana izany no handeha hitantana ireo fifidianana sy resaka hifampihavanana ?

    Mbola lavitra ny lalana, ka samia mahereza avokoa.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS