REPOBLIKAN’I MADAGASIKARA
Fahafahana - Tanindrazana - Fandrosoana
MINISTERE DE L’INTERIEUR
PREFET DE POLICE DE LA VILLE D’ANTANANARIVO
N° 003 1 09 - MININTER /PREF / POL / OP
Fanambarana avy amin’ny Prefet de Police eto amin’ny tananan’Antananarivo
Eo anatrehan’ny fiantsiana miendrika fanonganam-panjakana tamin’ny kabary teny Ambohijatovo tamin’ny Sabotsy 17 janoary 2009 teo, sy ny fametrahana fe-potoana hialan’ny mambra sasany ao amin’ny Governemanta ;
Eo anatrehan’ny fandavana tsy hanatanteraka didy avy amin’ny fitondram-panjakana sy ny fanevatevana Andrim-panjakana ;
Eo anatrehan’ny fiantsoana ny vahoaka ho tonga eo amin’ny kianjan’Ambohijatovo rahampitso Sabotsy 24 janoary 2009, kanefa tsy nangatahana alàlana avy amin’ny Solontenam-Panjakana ;
Ny Préfet de Police-n’Antananarivo dia :
manambara fa tsy ara-dalàna io famoriam-bahoaka eo Ambohijatovo rahampitso Sabotsy 24 janoary io,
manao antso avo amin’ny vahoakan’Antananarivo tsy ho tonga amin’io famoriam-bahoaka tsy ara-dalàna io.
matoky ny fahendren’ny vahoakan’Antananarivo.
Antananarivo, anio 23 janoary 2009
RAKOTOMAVO Edmond
Administrateur Civil