Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 16 avril 2024
Antananarivo | 15h21
 

Tribune libre

Fanambarana ataon’ny Mpitandrina avy amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara

mardi 1er juin 2010

« Ny marina amin’ny finoana no ho velona » (Rom 1,17b)

Noho ny trangan-javatra mifanohitra amin’ny sitrapon’ Andriamanitra sy ny soatoavina maha Malagasy, izay
aseho sy miharihary eto amin’ny tany ama-monina sy ny firenena, indrindra izay mihatra amin’ny
Mpitandrina sy ny Fiangonana FJKM, nanomboka tamin’ny volana Martsa 2009 ka mitohy mandraka
ankehitriny, izahay Mpitandrina ato amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara (FJKM), namaly
ny antso maika izay nataon’ny Biraon’ny Mpiandraikitra Foibe ka nivory tao amin’ny Ivon-toerana
TABITA Ampandrana, ny Alakamisy 27 sy Zoma 28 Mey 2010, dia tery am-panahy, ka tsy hangina,
araka ny Tenin’ Ilay efa niantso anay manao hoe : « Ezaho ny fiantsonao, fa aza atao malemy, asandrato ny
feonao ho tahaka ny an’ny anjomara
 » (Isaia 58,1).

Noho izany dia asehonay ireto :

Zava-misy sy nitranga

  • Tsy fanajana Raiamandreny

Nanomboka tamin’ny volana Martsa 2009, dia niharihary teto amin’ny firenena ary fantatr’izao tontolo izao
ny tsy fanajana sy fikasihan-tanana mpitondra fivavahana. Tsy nitsahatra izany fa mitohy mandrakizao. Vao
tsy ela akory no mbola nisy Mpitandrina rahalahy maty voatifitra ; nisy ny nitondra takaitra ary misy ny
maratra sy mitondra faisana noho fikasihan-tanana tamin’ny nisamborana azy mialoha ny nampidirana azy
am-ponja ; ao koa ireo Mpitandrina FJKM valo (8) mirahalahy rahonana ary hazaina sy enjehina.
Mampanan-tsiny ny firenentsika tokoa, raha ny manao azy ho Mpitondra sy manam-pahefana eto amin’ny
firenena no tsy manaja sady mikasi-tanana sy mandratra ary mamono ny mpanompo
voahosotr’Andriamanitra toy izany. Fa izao no voasoratra : « Fa iza no maninjitra ny tànany tamin’ny
voahosotr’i Jehovah ka tsy nanan-tsiny ? » (1 Sam 26,9). Tsiny tsy zakan’ny firenentsika lanjaina ny
vokatr’izany ka mahatonga antsika ho ao anatin’ny toe-java-tsarotra tsy mahita lalan-kivoahana toy izao.

  • Hetraketraka sy antsojay amin’ny Fiangonana

Tsy izany ihany, fa anaovana antsojay ny fananan’ny Fiangonana tamin’ny fakàna an-keriny ny fitaovan’ny
FJKM teny Alarobia, ary nokaisana hatao tany Toamasina ihany koa izany endrika fandrobana ny
Fiangonana izany, izay midika ho fandrobana an’Andriamanitra. Mbola maro ireo sotasota atao amin’ny
Fiangonana sy ny fananany any amin’ny faritra samihafa.

Ao koa ny famoahana didy hanakatonana ny Radio Fahazavana sy fakana ny fitaovana tao amin’ny Radio
izay mbola fananan’ny Fiangonana ihany. Nosamborina sy nogadraina ny maro tamin’ireo mpiasa ao
amin’ny Radio, na mpanao Gazety na ny Teknisianina, hatramin’ny mpanolotra fandaharana. Izy rehetra
ireo dia tsy hafa fa mbola mpiasan’ny Fiangonana ao amin’ny FJKM ihany koa.

  • Antso sy fanambarana

Satria ny Mpitandrina dia voahosotra hitory ny teny soa Mahafaly amin’ny Mpandefitra ; « ary nirahina
hanasitrana ny torotoro fo sady hamoaka ny ao an-tranomaizina ho amin’ny mazava
 » ( Isaia 61,1), noho izany
dia manao izao antso sy fanambarana izao izahay :

- Tsy sitrapon’Andriamanitra ka toherinay ny fandatsahan’aina sy ny famonoana amin’ny endriny
samihafa, satria hoy ny Soratra Masina , hoe : « Aza mamono olona ».
- Lavinay ny fisamborana feno herisetra ataon’ny Mpitandro ny Filaminana izay nanampatra ny
heriny, tahaka ny nampiharina tamin’ny Mpitandrina namanay, efa hatramin’ny 17 Martsa 2009 ary
naverina indray tamin’ny 20 Mey 2010 lasa teo izay nandratra azy sady mampitondra takaitra ireo
niharan’izany.
- Toherinay ny tsy fanajana sy fanaovana zinona ary fikasihan-tanana ny Mpitandrina FJKM sy ny
Mpitondra fivavahana hafa, satria ankoatra ny maha herisetra sy an-keriny azy dia fanapotehina ny
soatoavina ary fikatsahana hametraka volintsaina vaovao, izay sady manohitra ny sitrapon’
Andriamanitra no tsy fanahy sady tsy fahendrena malagasy. Potika tanteraka ary rava ny fanajana
Raiamandreny mbamin’ny Mpitandrina FJKM sy fanimbazimbana ny fombam-pivavahana. Efa
niseho izany tamin’ny nanitsakitsahina sy nanosihosen’ny miaramila ny Baibolin’ny mpitondra fivavahana iray nandritra ny fisamborana azy teny amin’ny Mausolée. Tena mifanohitra amin’ny
finoana sy soatoavina kristianina izany ka tsy azonay Mpitandrina ekena velively.
- Takinay ny hamoahana tsy misy hatak’andro ny Mpitandrina namanay sy ny mpiasan’ny
Fiangonana ary ny vahoakan’Andriamanitra notànana am-ponja tsy an-drariny tao anatin’izao
savorovoro izao.
- Takinay ny hamerenana ny Radio Fahazavana, satria ny famoahana didy nanakatonana izany sy ny
nakana ny fitaovan’ny radio dia sady fanapenam-bava amin’ny endriny hafa ny Fiangonana no
mbola fandrobana ny fitaovana ihany. Mangataka izahay mba hatsahatra ny fakana ny fananan’ny
Fiangonana .
- Takinay ny hampitsaharana ny fampihorohoroana sy herisetra amin’ny endriny rehetra, atao
amin’ny Fiangonana sy ny olona ao aminy.
- Takinay ny hisian’ny fahalalahana amin’ny fanehoan-kevitra sy filazana ny vaovao marina.

  • Eo anoloan’izao zava-misy samihafa izao :

- Izahay Mpitandrina dia mitaona ny Mpiray tanindrazana rehetra tsy ankanavaka, indrindra fa ireo
manana andraikitra amin’ny Sampandraharaha samihafa eto amin’ny Firenena, sivily na miaramila,
mba hampitsahatra ny fiandaniana amin’izay hita fa miteraka korontana sy faharavana ary
famonoana olona maro eto amin’ny Firenena. Aoka samy hanapa-kevitra hampandefitra ny
hambom-pony avy, ary hanao ho zava-dehibe ny fihavanana, ny fandriampahalemana, ny
fifanatonana sy fifanakalozan-kevitra ary ny fifanajana, samy hifamela heloka « Fa ny heloka
ibabohana mody rariny ; ary ny rariny itompoana mody heloka
 », hoy ny razantsika... Ambony noho
izany, ny Soratra Masina dia mitaona antsika, manao hoe : « Aoka isika hiezaka hitady ny momba
ny fiadanana sy ny momba ny fifampandrosoana.
 » (Rom 14,19) ary koa « Halaviro ny ratsy,
manaova soa ; mitadiava fihavanana, ka araho izany.
 » (Salamo 34:14)
- Manao antso avo amin’ny FFKM izahay mba hanohy ny fandraisany andraikitra manoloana izao
toe-javatra misy eto amin’ny firenena izao.

Farany, izahay Mpitandrina dia mampirisika ny kristiana rehetra eto amin’ny Firenena, indrindra fa ireo
zanaky ny FJKM any amin’ny seha-piainana misy azy avy, mba hijoro sy hitondra tena amin’ny
fahasahiana ; nefa koa tsy hivaona amin’ny maha vavolombelon’i Jesoa Kristy Tompontsika amin’ny
fankatoavana ny Teniny, fa izany ihany no marina eo amin’ny fanatanterahana ny raharaha sy
andraikitra tanantsika avy eto amin’ny firenena, ka tsy ho mena-maso olona na hijery tavan’olona
amin’izany ; mba tsy hobaikoin’ny fiarovana tombon-tsoa manokana sy ny fitiavam-boninahitra ary ny
fitiavan-karena.

Antananarivo, faha 28 Mey 2010

Sonian’ireo Mpitandrina maro be

24 commentaires

Vos commentaires

  • 1er juin 2010 à 09:53 | vorondolo (#4135)

    Je rêve ou quoi ???? « mba tsy ho baikon’ny fiarovana tombo-tsoa manokana sy ny fitiavam-boninahitra ary ny fitiavan-karena » dit la dernière phrase du fanambarana des ayathollahs du FJKM. S’ils ont préché ceci depuis 2002 on n’en serait pas là certainement. La télécommande à très longue distance du vice-président fonctionne toujours, avec des piles et des sous, encore et toujours, des malgaches qu’il a détroussés. Et les pantins continuent leur cirque avec la bible dans les mains !!! Mon Dieu où va-t-on là ?? certainement pas au paradis, dirait Coluchegasy !!!

    • 1er juin 2010 à 10:49 | Odon (#708) répond à vorondolo

      Katolika hatrany amin’ny razam-benay ary Katolika hiringiriny ny tenanay. Fa katolika mijoro sy miaina ny fahamarinana takian’ny Evanjely ka tsy miombom-peo sy miombom-po aminareo havana FJKM satria Fahamarinanana iray ihany no ambaran’ny Vaovao Mahafaly ; Finoana iray ihany no hiaraha-mankato sy manaiky, dia ilay fianoana notoriana sy nampianarin’i Jesoa Kristy ; Batemy iray ihany no nananganana antsika ho zanak’Andriamanitra sy mahatonga antsika ho zanaky ny Fiangonana ; ary Antso iray ihany no hiara-manantateraka, dia ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly, Fijoroana ho Mpaminany mitsikera ny tsy rariny sy ny fanararaotam-pahefana ary ny herisetra, ary ny fanoroana ny fahamarinana mba hanilo ny lalan-komban’ny zanak’Andriamanitra rehetra ary hampijoroana ny fanjak’Anandriamanitra.

      Koa noho izany, izahay katolika mijoro ho fanasin’ny tany sy ho fahazavan’izao tontolo izao dia miombona tanteraka aminareo FJKM ary manamafy ny fanoheranay amin’ny herinay manontolo ireo herisetra sy tsy fanajana ny aina ary ny zo sy hasina mahaolona, na amin’ny endriny inona na amin’ny endriny inona, araka ny Fampianarana Sosialin’ny Eglise katolika.

    • 1er juin 2010 à 14:49 | Observateur (#4289) répond à vorondolo

      C’est bien normal car soutenir le royaume terrestre est beaucoup plus lucratif que celui du ciel. Servir deux seigneurs n’est pas un pbl, l’autre peut sauver à tout moment (?). Tout ça n’est autre que l’accomplissement de la prophétie. wait n c

    • 1er juin 2010 à 17:46 | ZAZAGASY (#1690) répond à vorondolo

      « mba tsy ho baikon’ny fiarovana tombo-tsoa manokana sy ny fitiavam-boninahitra ary ny fitiavan-karena »
      Raha io zavatra lazain’izy ireo tokoa anie ka tsy mifanaraka amin’ny zava-misy mihintsy ê ! Ireto misy ohatra vitsivitsy nitranga tao Mahajanga :
      Nisy Pasitera mitandrina amina Fiangonana lehibe izay raha vao nanomboka ny propagandy fifidianana maire tamin’izany, dia niseho télé mihintsy nanohana candidat iray, gaga ny olona taty aoriana fa rehefa hifaramparana ny propagandy dia niova soavaly ray aman-dreny ;
      nisy koa mpitandrina iray izay nifamaly tamin’ny mpiangona tao aminy mihintsy koa satria ny resaka politika io ihany no nahamay azy ka mila ho adinony hatramin’ny tena asany ao am-piangonana (izy io moa efa nanao conseiller municipal koa tany aloha tany) ;
      io SG-n’ny FJKM @ izao fotoana izao io dia sénateur AREMA tao Mahajanga talohan’ny 2002

  • 1er juin 2010 à 10:24 | Rainivoanjo (#1030)

    « Vao tsy ela akory no mbola nisy Mpitandrina rahalahy maty voatifitra » : nisy nanery azy ho any angaha ? Tohizo ihany ny fanohananareo ny ankilafiny anankiray nefa aza gaga raha misy fiatraikiny izany. Mody fivavahana no resahina maraina, antoandro, hariva nefa zavatra hafa no tena tadiavina.

    • 1er juin 2010 à 12:56 | IIkotomanga (#296) répond à Rainivoanjo

      Aoka re Rainivoanjo ah
      Valiako fanontaniana Rainivo..., fa iza koa ary no nanery ny olona hiaka-dapa tetsy Ambohitsirohitra ?
      NIsy nanery azy ireo koa angaha, mais paix à leur âmes

  • 1er juin 2010 à 11:13 | Nandraina (#2432)

    HO AN’IREO HETSIKY NY MPITONDRA FIVAVAHANA IZAY EFA NILAOZAN’NY FANAHY MASINA


    - Aza ny fivavahana no atao tohatra hiakarana rehefa nahazo vola tany amin’ny Dadanareo ianareo ka nanofàna ireny 4x4 sy ny fanamafisam-peo ary ny carburants sy ny sakafonareo rehetra ireny.
    - Raha naratra sy maty sy sasany taminareo, dia tadidio fa SARAN’NY VOLAn’ny mpikarama an’ady voarainareo ireny ary toa efa vonona ny ho amin’izany anie ianareo matoa niditra tany amin’ny TOBY MIARAMILA izay tsy tokony hidiranareo e ? Baiko avy amin’ny Dadanareo ireny mba ahazoany AMNISTIE noho ny vonoan’olona sy ny halatra rehetra nataony. Koa nahoana ianareo no minonaona ?
    - Tsy ny Fanahy Masina velively no nanosika anareo hanao ireny fa ny FANOMPOAN-TSAMPINAREO dia FANOMPOANA OLONA izay manome ny vola ary mampanantena harena ho anareo, koa ny MAP no torianareo fa tsy ny vaovao mahafaly velively akory,

    EFA LEO IZAHAY, NA DIA TENA FJKM TOKOA AZA, saingy rehefa hifindra tany amin’ny Fiangonana hafa, dia mahamahana izy ireny SAO MAMPIDITRA voa efa LO ka mety hitondra aretina politika ao anaty ny Fiangonana hidiranay.

    KOA MANAO ANTSO AVO AMIN’NY FLM, JESOSY MAMONJY ary RHEMA izahay FJKM leo ireo mpitondra anay mpanao politika ary NILAOZAN’NY FANAHY MASINA mba hamindra fô ka handray anay satria TSY METY AMINAY INTSONY ny ao amin’ny FJKM fa efa fanahy hafa no mibaiko ao.
    ANDRO FARANY TOKOA IZAO ARY TENA VOAMARINA IZANY ANKEHITRINY AO AMIN’NY FJKM.

    • 1er juin 2010 à 13:01 | mpitily (#1212) répond à Nandraina

      Malaelo tokoa ny tena manoloana ny hadalan’ireto mpitarika ny FJKM ankehitriny saingy tsy natao hanasoketana ny FJKM na hialana tao akory izany. Matoa isika mbola FJKM dia nantsoina mba hanova izay tokony hovana rehetra ao koa. Asan’ny Tompo anefa izany ka mila fahendrena lalina ka raha tsy ny Fanahy Masina no mitarika antsika dia mety hanaonao foana ohatra an’iretsy voalohany koa isika.

      Aleo hanohy ny hadalany ireo mafy sofina ireo fa mbola ho avy koa ny fotoana hanovan’ny Tompo azy ireo sy ny fitantanana ny Fiangonany sao mihevitra izy ireo fa azy ireo ny FJKM.

      Ny olana dia tafiditra hatrany @ fitondram-piangonana ny tarazo ratsin’ny mpanao politika ! olona tia vola sy voninahitra sy fahefana no betsaka @ ireo misesika ho mpitondra fiangonana ireo, tsy manana fitiavana marina ny Tompo sy ny vahoakan’Andriamanitra. Ny fanaperam-pahefana sy ny tsy fanajana ny lalàna, ny fihatsaram-belatsihy sy ny kobaka am-bava mba tsy hilazako hoe ny lainga, ary ny fahefan’i mamoana no manjaka ao.

  • 1er juin 2010 à 11:31 | Rakoto (#1922)

    Ho an’i Rainivonjo
    Tsy mahagaga ny hevitrao rainivoanjo, mpangalatra fantabahoaka, nalefa tany anosilava. Ny tombotsoanao ihany no fantatrao.

    Malemy dia malemy ity hafatry ny birao FJKM ity.MILA TENY FANOHERANA MAFONJA AVY AMINY BIRAO IZAHAY.
    Fialonana ny FJKM no betsaka ary tokony mihetsika sy manohitra isika rehetra FJKM. Io no nahatonga an’i Odon ,katolika, nanampy an’i Rajoelina katolika hanapotika ny fiangonana FJKM. 
    Zo n’i mpiangona FJKM ny manohitra sy tsy manaiky ny tsindry azo lena ary ny ramatahora avy aminy Rajoelina sy ny forongony.
    Firy ny olona very asa ,MATY, sy very fananana noho ny fialonana ? Aiza ilay demokrasia ?. AHOANA NY HANEKETSIKA NY FAMONOANA OLONA SY NY FANAPOTEHANA FANANAN’I RALAHY MPIANGONA FJKM ?
    Jeroe ny tantara fa ireo mpitondra rehetra hatraminy fahaleovantena dia KATOLIKA (Ratsiraka, Zafy etc....). Afatsy Ravalomanana izay nanomboka nanarina ny tsy mety rehetra. Ny katolika mantsy dia tsy manaiky ny famerana ny zaza ateraka amin’izay mitombo ny mpiangona katolika hanome vola ny Vatican. Io no tena mampahantra ny Malagasy. Zaza roa aza tsy velona ka ahoana ny hamelomana zaza 14 ?
    Raha mahavita azy ianareo milaza fa tsy tia ny FJKM IANAREO dia asehoy anay fa nandroso i Madagascar teo ambany fiadidinareo.

    HENATRA HO ANAO MOPERA PEDRO MANOHANA AN’IRETO TOTA KELY SATRIA KATOLIKA IZIREO. RAHA TENA TE HANAMPY NY MALAGASY IANAO DIA FERO ALOHA NY ZAZA ATERaKA FA TSY MANAO MEDECIN APRES LA MORT LAVA NO ATAONAO MANAMPY NY 4MIS.DIA MILAZA IANAO FA TENA MANAO ASA SOA.

    FIRY NY TANY ANY MADAGASIKARA NO LASANY FIANNGONANA KATOLIKA ? ATAOVY NY FANADIHADIANA DIA HO HITANAREO FA NY ATSAKY MADAGASCAR NO EFA LASANY. DIA NY FJKM NO OMENA TSINY.

    Tsy azo ekena ny fanapotehana ny radio Fahazavana sy ny fitifirana Pasitera. FENO RA NY TANANAO RAJOELINA ARY ENGA ANIE ANDRIAMANITRA NOHITSARA IZAY REHETRA TSY METY NATAONAO.

    NOHEJEHINA ISIKA FJKM HATRAMINY ANDRONY RANAVALONA FA TSY RESY ARY TSY HO RESY. RAHA TSY NOHENJEHINA ISIKA PROTESTANTA TAMIN’IZANY FOTOANA IZANY DIA TSY HO TOY IZAO I MADAGASASIKARA.
    IZA NO NANORATRA NY TENY MALAGASY ARY NIARO NY TENY MALAGASY ? (io no tsy itiavany frantsay antsika) ISANY FIRENENA INDUSTRIALISE I MADAGASIKARA TAMINY ANDRONY RANAVALONA, NOHO ISIKA PROTESTANTA. Kanefa dia nopotehana. Izao indray manomboka manarina ny maha gisitra atsika aty Afrika i Ra8 dia henjehina.

    HAFATRA HO AN’I BASILE RAMAHEFARISOA TSY TIA AFRIKANINA, TADIDIONAO RABASILE FA NY MALAGASY DIA AFRIKANINA , ARY FALY SY FIERE D’ETRE AFRIKANINA. RAHA BE AMBOPO IANAO DIA OMEO LAZA NY MALAGASY . RAHA NY OLONA MANAKARENA INDRIDRA ATY AFRIKA DIA AVY ANY NIGERIA FA TSY RA8.
    IO NIGERIEN IO DIA MANAN 20-30 MILLIARDS DE DOLLARS. ARY TENA REHAREHADRIZAREO.
    NY ANTSIKA MALAGASY RAHA VAO MISY MALAGASY MANANA KELY NA TAFITA DIA HENJEO SY ALEO ARENDRIKA. LOHANA KATOLIKA. TIA KELY SY FOURBES.

    • 1er juin 2010 à 12:23 | Odon (#708) répond à Rakoto

      Mr. Rakoto,

      Misy hevitra iombonako aminao fa misy tsy iombonako velively.

      Iombonako aminao ny hoe misy resaka fialonana. Io no tena fototr’aretina nanapotehana ny fananan’i Pdt Ravalomanana. Fialonanana no nameno ny fon-dry Alain Ramaroson satria tsy naharaka ny lalan’ny fifaninanana araka industries takian’ny Mondialisation izy sy ny Forongony. Fialonana ny an-dRajoelina miaraka amin’i Christine Razanamahasoa ka nanapotika ny haren’ny TIKO t@ fomba mamohehitra...Fialonanan ny an’ingahy Ratsirahonana satria tsy nahazo toerana sy tsy nahita mangirana tamin-dRavalo sady ranamana koa efa fositra hatramin’izay ihany rahateo. Fialonana ny an’ireo Goaika antitra mpanao politika satria Pdt Ravalomanana no tsy azony nolalaovina ary tena nahavita nanarina an’i Madagasikara sy nanafoana ny risoriso izay nanjaka t@ andron-dRatsiraka sy nitohy tamin’ny andron’i Zafy ary mbola niverina indray t@ Ratsiraka. Be fialonana ary tsy mahazaka ny hoe Malagasy tafavoaka tsara sy mahomby ara-toe-karena ny Gasy maro ka nandroba sy namotika ny fananan’i Pdt Ravalomanana.

      Tsy miombona aminao kosa aho raha milaza ianao fa ny Katolika no mialona sy manenjika ny Protestanta FJKM. Tsy mariana izany. I Odon Razanakolona tsy midika ho Katoloka. Ekena fa misy ny Katolika malemy loha sy tsy misy fisainanana ka maraka am-bokony izay lazain’i Odon Fa maro dia maro kosa ny Katolika tonga saina ka efa mijoro fa tsy bakoin’i Odon izy ireo @ fandraisana andraikitra sy fijoroana @ rariny sy ny hitsiny.

      Farany, ny mikasika ny famerana ny zaza ateraka dia fampianaram-piangonana tsy mitovy ny antsika ka tsy io no tokony hanorenana ny fifandrafesana. Tsy misy idiran’i Vatican ny famerana na tsy ny zaza hateraka fa mifaranaka tsara @ fampianaram-pinoana ijoroan’ny Katolika. Ny olombelona dia tsy manam-pahefana @ AINA na kely aza satria tsy Andriamanitra ny olona. Mandray anjara @ fiarovana ny aina izy ary adidy tsy maintsy ataony izany FA KOSA tsy natao hikitika ny aina. Misy lalana natoraly napetrak’Andriamanitra ao amin’ny olona tsirairay ka manaja izay ny olona rehetra satria rafitra napetrak’Andriamanitra io. Misy fotoana tsy maha bevohoka ny vehivavy na manao firaisana aza ny mpivady ARY nomena Saina sy Fanahy afaka handanjalanja sy handinika ny zavatra hataony ny olona mba ho tanteraka ilay hoe nohariana hitovy endrika amin’Anddriamanitra fa tsy hanao toy ny biby akory. Ny biby sasany (aloka, omby...) aza tsy mifanantona (miray) raha tsy fotoana natokana ho an’izany. Ny fampiasana fitaovana artifisialy hanakanana ny fananahana dia mifanohitra @ lalana voa-janahary napetrak’Andriamanitra. Ka lavin’ny Fiangonanana Katolika. Tsy misy iankinany @ Odon Razanakolona na ny Papa benoit XVI izany fa mifanentana tsara @ fampianaran’ny Tenin’Andriamanitra. Sady misy Contradiction be koa anie ny hoe « Manameloka ny herisetra manohitohina ny aina NEFA manome alalana ny fampiasana fitaovana hisakanana ny fananahana e » !!! Ary ny vokatr’ireny fampiasana fitaovana sy fanafody ireny moa ve mba ampahafantarina ny olona izay tsy mbola nanao azy ireny ? Firifiry ny vehivavy no tsy mety mahazo zaza aty aoriana rehefa maniry zaza satria nihinana fanafody mba tsy hiteraka ? Firifiry ireo miatrika olana maro rehefa miakatra 50 na 60 taona ireo vehivavy nanaraka fanabezana aizana artifisialy ?

      Fitaizana sy fampahafantarana no tokony hiarahana mifanoem tanana fa tsy famporisihina ny olona hamaha ny olana ankehitriny fa hiteraka olana goavana ara-pahasalamana sy ara-Coscience ary ara-moraly ao ariana.

      Azo velabelarina lavitra io resaka io raha ilaina. Fa hatreo aloha.

      Ho tahian’Andriamanitra.

    • 1er juin 2010 à 15:13 | Haritiana (#1899) répond à Rakoto

      Rakoto,
      Manaiky aho fa nahazo faveur tokoa ny Fjkm t@ andron-dRavalomanana kanefa aoka tsy ny vola sy ny tombontsoa manokana anie no hibaiko atsika Fjkm ka hitarika ny ondrin’Atra @ lalana tsy izy ka hanolotra azy eo ambavan’ny ambodia satria lazaina fa ratsy ireo mpitondra ankehitriny sy ny miaramila tonga teny Fortduchesne nefa nahoana no nentina hovonoina teny ny vahoaka ??? isaorana Atra fa tsy araka izay tetika maloto nataon’ny sasany ny zava-niseho fa raha tsy izany dia amam-polony maro indray ny aina nafoy. Za dia mpiangona Fjkm fa zonay koa ny mitaky hoe « Soloy ireo birao foibe sy mpitarika diso lalana ireo »

    • 1er juin 2010 à 16:28 | rabemanadala (#4079) répond à Rakoto

      je suis désolé de vous contredire cher Rakoto mais avant de dire n’importe quoi revoyez d’abord l’histoire de Madagascar,car j’ai franchement l’impréssion que vous avez une connaissance tres tres approximative.
      - voir : l’origine du peuplement de Madagascar ,les differentes vagues de peuplement ,car il n’exitait pas un MALAGASY d’origine et (nous sommes devenus MALAGASY à part entiere qu’en 1960 ,avant on etait des indigenes,colonisés donc nés français .
      et encore désolé mais le FJKM n’est pas malagasy du tout c’est une religion
      des colonisateurs.martyr tu parles,non,non pas du tout. plutot proselitique
      et autoritaire,religion imposée chez la caste de nobles Merina,d’ailleurs fjkm en question ,l’eglise calviniste,luthérienne ont qualifiée la Reine des Merina ,(je dis bien des Merina et non pas de Madagascar ,il ne faut pas faire l’amalgame,car Tana n’est pas Madagascar,)de sanguinaire,alors qu’elle n’a fait que défendre sa religion basée sur le respect des ancetres en louant Zanahary .d’ailleurs presque la totalité des malagasy actuelles
      du nord au sud de l’est à l’ouest honorent nos ancetres nous sommes 50% animistes purs et durs et fiers de l’etre ,on n’a rien à envier à toutes les autres religions,et meme ceux qui prétendent etre protestants,catholiques
      qui ne sont d’ailleurs que respectivement environ 20% ,5% de musulman, le reste 5% qui se perdent dans les dédales du sectarisme,a une période de leur minable vie ,ils honorent,bon gré mal gré les ancetres donc zanahary ,mais alors en cachette car c’est mal vue ,c’est honteux,aie aie,aie c’est la honte d’etre tout simplement un MALAGASY.mais il y a une chose que vous ne connaissez pas du tout c’est que cette religion basée sur le respect des ancetres ,sur la croyance en ZANAHARY mais pas ce noble parfumé qui sent l’arnaque en plein nez, constitue vis a vis de toutes les autres nations et les autre religions ,une vive admiration
      on nous envie mon vieux ,si vous ne le savait pas .et vous ne savait pas pourquoi il n’y a pas un seul Dadarabe sur la scene politique ? c’est tres simple :’au gouvernement le physique’
      la foi a la religion
      alors arretez de faire de la politique si vous voulez que votre religion puisse etre crédible à bon entendeur

    • 1er juin 2010 à 18:28 | IIkotomanga (#296) répond à rabemanadala

      Cher RABEMANADALA, ton approche est digne de ton pseudo. Hélas, tes connaissances restent dans une version « grand public » qui se cantonnent sur la haine envers une ethnie.
      L’histoire de la religion à Madagascar est liée à l’histoire de la création étatique. Je t’incite à lire l’oeuvre de Françoise Raison sur ce point. Je t’invite aussi de s’enrichir de tes connaissances livresques en lisant l’oeuvre des auteurs et voyageurs avant la colonisation.
      Révises aussi la notion de Nation, car tu la confonds à celle d’une république.
      Et bonne lecture

  • 1er juin 2010 à 14:10 | nandrianina1 (#1939)

    6. Ary hitako fa, indro, ravehivavy dia leon’ny ran’ny olona masina sy ny

    ran’ny maritioran’i Jesosy ; koa raha nahita azy aho, dia gaga indrindra.

  • 1er juin 2010 à 14:38 | raleiry (#4286)

    Mais arrêter à la fin.
    J’en ai vraiment de la peine pour les simples citoyens de Dieu qui viennent uniquement à l’église pour adorer leur Dieu, et au lieu de cela, on leur impose des prières pour une certaine personne en exil en Afrique du Sud.
    Pour ces pasteurs semeurs de trouble et initiateurs d’une guerre civile à Madagascar. Leur unique Dieu est le diable lui-même et c’est évidemment celui qui est en exil sans aucun doute.

  • 1er juin 2010 à 14:41 | vorondolo (#4135)

    Dia ho gaga ve isika raha « miroborobo » ny sectes e ? Iza no mbola hiaino an’i Lala Sendranasiana« voa double haotran’ny akoho » ?? Mampalahelo ny mahazo ny tena Kristiana satria very fanahy mbola velona. Mivavaka ihany ka e e e !! mivavaka foana ka a a a !!! Tsy hino an’Andriamanitra intsony izy ireo ra izao no mitohy. Voaina aingana hono ny radio fahazavana mba andefasana ny fanompàna isan-karazany , dia tsy tokony misy lalàna hono fa afaka miteny zay tiany ny mpanao gazety , dia asina hiram-pivavahana rehefa avy nanompa sy namafy lainga. Vizana be ny gasy mijery an’ireto mpitandrina very fihinanana marina e ! Tanisaina daholo izao tenin’ny soratra masina izao, dia hafangaro amin’ny teny tsy dia madio loatra !!! Vonjeo fa sempotra ny FJKM e !!!

  • 1er juin 2010 à 14:54 | Haritiana (#1899)

    Za izao dia FJKM 100% nefa za kosa tsy hiaro be fahatany ny FJKM raha misy ny zavatra tsy mety ataon’ny sasantsasany ao anatiny satria maromaro ihany ireo pasitera tsy mankasitraka an’izao zavatra misy sy aton’ny sasantsasany hoy aho ao @ Fjkm izao raha tsy itanisa aho afa tsy ry pasitera Rakotobe (Ambohipo), Razafindramanitra Nestor (ex- président synodal Tanà ouest), Pasitera James tonian’i Fifohazana foibe sns... Aoka isika Fjkm tsy ho voazarazara ny politika ary marina ny teninareo farany t@ lay fanambarana fa maro tokoa ireo baikon’ny tombotsoa manokana sy ny vola. Miangavy re izahay hoan’ireo izay voatarika @ hetsika politika mba tsy hitondra ny anaran’ny Fjkm fa handeha @ anaran’ny tenany manokana fa menatra izahay.

  • 1er juin 2010 à 14:58 | bema (#828)

    Nous portons en Prière la vraie FJKM et qu’on ne mélange pas politique et religion. Misaotra Tompoko !

    • 1er juin 2010 à 20:28 | Odon (#708) répond à bema

      Tsetsatsetsa tsy aritra mamaky ny reactions samihafa,

      Raha jerena (en soi) tsy misy hidiran’ny resaka politika ny fijoroan’ireo Pasitera FJKM ireo dia tsy misalasala aho miteny fa tena mijoro @ Maha Mpaminany sy Irak’Andriamanitra azy izy ireo satria ry zareo ho hany sahy mijoro sy mitsikera ny tsy mety sy ny tsy fahamarinana misy eto @ firenena ankehitriny. Na inona na inona lazainareo izay tsy mitovy fijery @ izy ireo dia tsy azonareo lavina fa tena manaraka ny asan’ny Mpaminany araka ny lazain’ny Baiboly ireo fanambarany sy fahasahiany ireo. Rah Kristianina ianareo ireo dia vakio ny Baiboly (Testamenta taloha indrindra indrindra) fa tsy misy hafa @ zao zava-misy izao ny Context niasan’ireny Mpaminany ireny. Ary mazava loatra fa misy ireo manaiky izay voalazan’ny Mpaminany fa misy koa ny mitsipaka na dia ny olona akaiky azy aza. Jereo ny fitarainan’i Jeremia Mpaminany.

      Raha toa ka misy fironana na ambadika politika ny fijoroan’ireo Pasitera dia azy manokana izay ary tsy misy hidirako na kely aza.

      Raha jerena indray ianareo milaza fa FJKM mitsikera ireo Pasitera ireo dia izao no zavatra tsapa :
      Olona iray ihany no hita taratra hoe (plus ou moins) mijoro sy maniry ny tsy hirotsahan’ny Pasitera @ raharaha Politika be loatra ka hanadino ny tena asa Maha Mpitandrina azy.

      Ny maro aminareo dia hita taratra fa olona voadonan’ny fijoroan’ireo Pasitera ireo. Hita taratra fa olona momba ny mpitondra ankehitriny. Zonareo moa ny mijoro sy mirona @ izay safidin’ny fonareo ary tsy misy manameloka izany. Saingy izao, raha fitiavan-tena sy fiarovana tombotsoa manokana no manosika anareo hitsikera sy hanohitra ny fijoroan’ireo Pasitera ireo dia TADIDIO fa Miady manohitra an’Andriamanitra ianareo SATRIA ekenareo sy arovanareo izany ny fanaovana herisetra sy tsy fanajana ny zo sy hasina maha olona nataon’ity fitondrana ity (tsy t@ iny zava-niseho teny Fort Duchene iny ihany akory) nandritra izay 1 taona mahery izay. Ary ianareo dia mitsikera ilay lazainareo fa tsy mety (motivation mampijoro ireo Pasitera ireo) NEFA ny anareo koa mba motivation politique sy tombotsoan-tena manokana no manentana anareo fa tsy ilay Fijoroana ho tena Kristianina akory. Tsy madio araka an’Andriamanitra (ary manohitra ny fahamarinan’Andriamanitra aza) ny tsikeranareo satria mijery ny tenanareo fotsiny ka manaiky ny tsy rariny sy ny famonoana olona mba hiarovanareo izay tombotsoanareo izay.

      Tsy misy mahasamihafa anareo sy Rajoelina izay nitsikera ny tsy nety nataon-dRavalomanana nefa dia memerina izany sy manao ny ratsy matevina lavitra noho izany aza. Raha olona tena nentanin’ny fitiavana ny Marina sy ny rariny tokoa i Rajoelina dia tsy namotika firenena sy nanosihosy ny zo aman-kasin’ny olona toy io. Fialonana an-dRavalomanana no nibahana tao anatiny sy fiarovana ny tombotsoan’ny dadany izay mitantana mivantana ny fitrandrahana ny soli-tany eto Madagasikara, ary ny fiarovana ny tombotsoa frantsay.

  • 2 juin 2010 à 06:40 | Mado (#3927)

    Pour mériter de servir DIEU et ses fidèles, vous, les « pasteurs » signataires de cette déclaration, avez le devoir d’accepter que personne, personne, n’est au-dessus des lois qui régissent les Malgaches.
    Pour mériter de servir DIEU et ses fidèles, vous avez le devoir de convaincre le marchand du temple, le Vice-Président du FJKM afin qu’il cesse de mentir et de satisfaire la cupidité pour sa soif de pouvoir.
    Pour mériter de servir DIEU et ses fidèles, vous avez le devoir de montrer le bon exemple et de faire repentance pour vos péchés au lieu de culpabiliser la Nation en disant qu’elle est punie par DIEU.
    Dieu sait reconnaître les siens, le Peuple Malgache intelligent.

  • 2 juin 2010 à 08:43 | stand up (#2470)

    Tsy ampahafirin’ny fanenjehana efa nahazo ary mbola hosedrain’ny FJKM izao ataonareo mpitsikera sy ny fitondrana FAT izao.Ireharehavanay fjkm resy lahatra ny @ Kristy ny fitsangananay manohitra izao asan’ny devoly eto @ firenena izao !Tsy maninona izay ilazanareo ireo anay FJKM (mpivavaka masirasira e ; diso làlana e,voavidy voa e....) ; tsy maninona fa efa mahazatra izany fa aleonay mijoro ho vavolombelon’i Kristy toy izao toy izay mangina, kanosa, mpiray petsapetsa ampiasan’ny satana toy izao.Tsy hangina izahay protestanta ary hanohitra ny tsy fahamarinana rehetra ataonareo ireo na inona na inona filazanareo azy satria manana an’ i Jesosy Kristy Mpanalàlana anay izahay ary resy lahatra tanteraka ny @ izany !

    Ny filazana fa manao politika ny mpitandrina FJKM dia mety be aminay satria raha ny fijoroanay hiady @ maizina no atao hoe politika dia tsy maninona fa ady masina izany ny politika ka tsy takatry ny sainareo fa kosa ataonay vaindohan-draharaha ho fitoriana ny Filazantsaran’i Kristy @ alàlan’ny tsy fahanginana sy fanoherana ary fanapatapahana ny asan’ny maizina sy ny forongony.

    Ho anareo milaza azy ho kristiana FJKM ireo kanefa minia manetsi-tadiny dia tadidio fa ny tena kristiana protestanta dia tsy manaiky ny tsy rariny sy ny tsy fahamarinana ny fampihorohoroana misy eo @ manodidina azy fa tsy maintsy entanin’ilay fanaingan’ny Fanahy Masina azy foana hiteny sy hanitsy ary hanohitra mihitsy aza satria ny asan’ny ratsy tsy mila marimaritra iraisana fa tsy maintsy fongorina sy tapatapahana.Tsy omena tsiny ianareo fa adinonareo kosa angamba ny fampianarana norantovina t@ Sekoly alahady fony mbola zaza sy zatovo ka tsy hahitanareo ny làlan-kaleha manoloana izao fitsapana izao !Farafaharatsiny ireny fampianarana ireny mba voatahiry sy iainana raha toa ka tsy nahatozo tany @ katekomena na ny diakona ianareo.

    Mandiniha-tena ao anatin’ny fahanginana tanteraka dia ho hitanao fa hatorin’ny Fanahy Masina anao ny làlana tokony hizoranao @ zao zava-misy izao.Milamina ve ny eritreritrao manoloana izao zava-misy izao ???? Mbola eken’ny feon’ny fieritreretanao ihany ve fa araky ny sitrapon’Andriamanitra izao asan’ny devoly eto izao ????

    Mampahery anareo Mpitandrina rehetra izahay ary mitondra anareo am-bavaka eo anatrehan’ny Tompo Jesosy fa tsy mora akory ny asa miandry sy iantsorohanareo satria be ny fahavalo ary feno fandrika izao tany izao.

    • 2 juin 2010 à 09:02 | vorondolo (#4135) répond à stand up

      Rahovina re no « ho antsoin’Andriamanitra hody any aminy ilay rangahy iny e ? », mivavaha ho azy.Amen

  • 2 juin 2010 à 12:13 | mpitily (#1212)

    Ho an’i Odon sy Standup sy ireo mpitondra fivavahana mpanao politika ireo,

    Fanta-poko fanta-pirenena fa ny nataon-dRavalomanana ihany no toa ataon-dRajoelina ankehitriny (cf : post de par ton ami dans la Tribune Libre de RSF, sy ny post an’i Odon etsy ambony hoe « Rajoelina izay nitsikera ny tsy nety nataon-dRavalomanana nefa dia memerina izany »).

    Koa maninona àry ianareo no tsy niloa-bava t@ andron-dRavalomanana ? Adinonareo angaha ny nanjo ny Radio Viva, ny FPVM, ry père URFER sns sns ? Izany ianareo no tsy manao politika maloto ?

    Hainareo ery ny nanameloka an’i Monja t@ izy nitondra vahoaka an’alin-kisa niakatra teny Ambohitsirohitra t@ février 2009, izao anefa ianareo sy ny Radio anareo nitarika ny olona teny @ Fort Duschesne ! Ka mba valio àry ireto :

    - zone rouge ve ny camp militaire izay misy miaramila mikomy @ fitondrana mahefa ambonin’izany ?

    - nahazo alalana hanao ny nataonareo t@ jeneraly lehiben’io toby io ve ianareo sa tsia ?

    - efa nasain’ny EMMOREG niala teo ianareo talohan’ny nanafihany an’io toby io kanefa ny namporisika ny olona hijanona teny sy ho avy teny t@ alalan’ny radio anareo aza no nataonareo, marina sa tsia ?

    - ka iza àry izany no tokony homelohina t@ ireny fatiolona ireny ? I Monja ?

    Charité bien ordonnée commence par soi-même, ne fais pas à autrui ce que tu ne veux pas qu’on te fasse.

  • 3 juin 2010 à 06:58 | Mado (#3927)

    Messieurs les « pasteurs » signataires de cette déclaration, ont le devoir de respecter les textes à système synodal régissant le FJKM. En effet,ce sont les paroissiens de chaque temple qui ont choisi ces « pasteurs » qui n’ont pas le droit d’entraîner les églises des paroissiens, dans leurs errements. Si ces « pasteurs » veulent persister dans leurs actions diaboliques,la démocratie en vigueur chez les protestants, est requise pour un mini referendum dans chaque église du FJKM sur tout le territoire.
    C’est injuste de voir les fidèles malheureux déserter leur église, c’est injuste de voir les fidèles frustrés se convertir à une autre confession, à cause
    de ces « pasteurs » sous l’emprise du marchand du temple dénommé RAVALOMANANA Marc. Ces « pasteurs » et leur chef veulent être considérés comme des martyrs mais, en fait, ces "pasteurs et leur chef sont les bourreaux des paroissiens et du FJKM en voulant, par leur démesure, instaurer la république protestante de Madagascar.
    Dieu reconnaît les siens, le Peuple Malgache intelligent.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS