Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 19 avril 2024
Antananarivo | 01h33
 

Malagasy

Fifidianana kaominaly sy monisipaly : fanambarana iombonana

(CDE, GEN, KMF-CNOE, LIBERTY 32 sy SEFAFI)

lundi 31 août 2015

Iray volana izay no lasa taorian’ny fifidianana kaominaly sy monisipaly teto Madagasikara. Sarotra ho anay fiarahamonim-pirenena malagasy ny hitatitra ao anatin’ny andininy vitsivitsy ny zavatra tsikaritra rehetra tamin’izany. Ny sasany taminay, manam-pahaizana manokana mikasika ny fanaraha-maso ny fifidianana, dia efa namoaka fanamarihana vitsivitsy. Nanoina ny antson’ny minisiteran’ny Atitany sy ny Fanapariaham-pahefana koa izahay mikasika an’izay handimby ny CENI-T – Komitim-Pirenena Mahaleo tena momba ny Fifidianana ho an’ny Tetezamita.
Saingy, vokatry ny fivoriana nifanaovanay taorian’ny fifidianana, dia niombon-kevitra izahay fa misy lesona manangana sy mahasoa ny demokrasia tokony hotsoahina avy amin’io fifidianana farany teo io. Alefa mihoatra ny CENI-T ny fizahana ny tsy mety efa hita mibaribary ary angatahinay hatao am-pahamarinana izany ; dia hikarohana vahaolana maharitra ny olana tranainy sy vaovao izay mahatonga ny vahoaka hanome lamosina hatrany hatrany ny fifidianana tombanany ho tsy marina sy tsy azo itokisana. Hitanay indrindra indrindra fa maro amin’ny fanavaozana natao nanomboka tamin’ny fifidianana ny taona 2013 (CENI-T, biletà tokana, sns.) no tsy nitondra ny vokatra nantenaina ka tokony haverina hodinihina tsara. Ary heverinay fa ilaina, alohan’ny hanolorana volavolan-dalàna vaovao, ny hanaovana fifanakalozan-kevitra lalina sy matotra eo amin’ny sehatry ny firenena mikasika ireto teboka manaraka ireto :

Tsy ny hoavin’ny Komitim-pirenena Mahaleo tena
momba ny Fifidianana ihany akory no fanamby

Mialoha izay fanapahan-kevitra horaisina momba ny fandrafetana ny CENI sy ny anjara toerany eo amin’ny tontolon’ny andrim-panjakana dia ilaina ny mitsara ny CENI-T mba hanatsoahana ny lesona ilaina hanamboarana ny lalàna. Fepetra eken’ny rehetra no tokony hanaovana an’io fitsarana io, indrindra ny fahaleovantena (eo anatrehan’ny fanjakana sy mpamatsy vola), ny fahafahana amin’ny fanaovana ny asa ary ny tsy fitongilanana, ny fahaizana ara-teknika, ny mangarahara, ny fijoroana amin’ny rariny sy hitsiny, ary ny fahombiazana.

Ny lisitry ny mpifidy dia mbola mijanona ho olana
tsy maintsy vahana voalohany indrindra

Ny lisitry ny mpifidy sy ny karapanondro amin’ny ankapobeny dia tokony ho laharam-pahamehana amin’ny tanjona hotratrarina amin’ny volana manaraka. Tsy azo ihodivirana ny hanaovana ny fanisam-bahoaka sy ny hananan’ny Malagasy rehetra feno taona ny karapanondrom-pireneny (ary raha tsy izany dia ny karapifidianany) alohan’ny faran’ny taona 2017. Ny asan’ny fokontany amin’ny fanamboarana taratasim-panjakana momba ny tena (kopia nahaterahana, karapanondro, sns.) dia tsy maintsy hatevenina, indrindra any ambanivohitra izay misy kaomina misandrahaka amina kilometatra maromaro tsimivadimandry ka mahafaoka fokontany maro be fifampikasohana voalohany amin’ny vahoaka.

Ny tahan’ny tsy fandraisan’anjaran’ny vahoaka amin’ny fifidianana
dia loza be mitatao ho an’ny demokrasia

Ny fanabeazana ho an’ny fifidianana, ny lisitry ny mpifidy, ny fahazoana vaovao, dia mampandray anjara ny vahoaka amin’ny fizotran’ny demokrasia. Ny tsy fahampian’ny mangarahara dia manamora ny ady ifanaovan’ny mpanao politika lany henatra sy romotra haka fahefana.

Ny fotoana mialoha ny fampielezan-kevitra sy ny fampielezan-kevitra
dia tokony harindra amin’ny andron’ny fandrosoana

Efa ilaozan’ny toetr’andro ny fampielezan-kevitra voafetra ho andro vitsivitsy, sy ho peta-drindrina fanao fahiny. Tokony hohamafisina sy hohatsaraina ny lalàna mifehy ny fampiasana teknolojia vaovao sy ny fidiran’ny kandida any amin’ny haino aman-jery.
Mibahan-toerana ny PNUD ka mampisalasala
ny tena fahaleovantenan’ny CENI-T sy ny an’izay ho dimbiny

Tsy tokony hiankina amin’ny safidin’ny mpanatanteraka ny famatsiam-bola ny dimbin’ny CENI-T, ary ny fandraisana ny fanampiana avy amin’ny mpamatsy vola dia tsy tokony hahatonga ny andrim-panjakana miandraikitra ny fifidianana ho mpangataka voageja tanteraka ary tsy manana fahefana. Tsy maintsy atao any aoriana any izay hahafahan’ny Malagasy miantoka ny vola hanaovana ny fifidianana malagasy, ary ampandraisina anjara amin’izany ny hery velon’ny firenena rehetra.

Ny fandroritana ny lalàna dia manakana ny fifidianana tsy hangarahara ary tsy mampitovy ny fahafahana handresy

Afa-tsy raha misy antony lehibe voamarina, ny fanovana ny fepetra mifehy ny fifidianana (amin’ny alalan’ny lalàna, didy na hitsivolana) dia tokony tsy ho azo atao fara fahakeliny enim-bolana, herintaona akory aza, mialoha ny datin’ny fifidianana : manome tombiny ho an’ny antokon’ny fitondrana ny fanovana atao amin’ny fotoana farany indrindra ary manimba ny mangarahara sy ny fitoviana amin’ny fifaninanana. Tokony ho voarakitry ny Lalàm-pifidianana avokoa ny fitsipika lehibe rehetra mifehy ny fifidianana, ary ny fitsipika ampiharina arakaraka ny toerana hasiana olona (Filoha, mpanao lalàna, kaominaly/monisipaly, CTD) ka tsy tokony hiova na hiankina amina lalàna hafa.

Tsy azon’ny mponina ny fomba fandatsaham-bato
ka tsy miantoka ny fisoloan-tena

Manakana ny tamberin’andraikitra ho an’ny olom-boafidy ny fifidianana lisitra amin’ny fifidianana solombavambahoaka sy ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana, satria, afa-tsy ny loha lisitra, dia tsy misy fantatry ny ankamaroan’ny mpifidy ny kandidà. Tsy miantoka ny fisoloan-tena koa io. Ohatra ny mpanolotsainan’ny tanàna eto Antananarivo dia mety tsy hahitana mpanolotsaina monina any amin’ny boriborintany enina mitovy isa.
Ny tsy fanaovana afa-tsy fihodinana tokana amin’ny fifidianana dia mahatonga ny olom-boafidy tsy hahasolo tena ihany koa no hiafarany satria mahalana izy no mahazo ny antsasamanilan’ny vato manan-kery.
Manembantsembana ny fahafahana mitondra izany ary ny hiafarany dia fikambankambanana aorian’ny fifidianana izay hanjakan’ny fanararaotana sy ny vola.

Ny fanatanterahana ny fifidianana
dia tokony hiandany kokoa amin’ny mpifidy

Tsy maintsy averina dinihana manontolo ny fanatanterahana ny fifidianana eto Madagasikara. Tsy maintsy hatsahatra ny famoahana lalàna saro-draisina, ny andrim-panjakana mifanitsaka (CENI, minisiteran’ny Atitany, Fitsarana ny fanjakana), ny gazety miandany tanteraka na manoso-potaka mihitsy aza, ny fampielezan-kevitra mamerina ho zaza bodo, ny tsy fahampian’ny vaovao, ny fikitikitihana ny lisi-pifidianana, sns. Ny mahazo tombony amin’ireny sakantsakana rehetra ireny dia ny mpanao politika vitsy kely izay tsy mikendry ny ho mendrika ny vaton’ny mpifidy velively fa ny hampiasa azy hanatrarany ny tanjony manokana.
Tsy maintsy atao koa izay hampitovy ny zara vintan’ny kandidà ka hoferana ny fandaniana be indrindra ho an’ny fampielezan-kevitra ary takiana ny mangarahara ny amin’ny loharanom-bola ampiasain’ny antoko politika.
Tsy ny hitsikera ny fifidianana tamin’ny volana jolay 2015 akory no tanjon’ireo izay manao sonia etsy ambany fa ny hitaona ny mba handinihana tsirairay ny seho voalaza etsy ambony. Ny soso-kevitray dia ny hananganana vondrom-paritra hiara-mandinika ny nety sy ny tsy nety mba hahafahana milaza izay tolo-kevitra tokony hatsofoka any amin’ny lalàna, ary koa mba hiverenan’ireo vondrom-paritra ireo ihany mijery indray ny tolo-dalàna alohan’ny hanaterana azy any amin’ny Antenimiera. Manantena ny fanohanan’ny fiarahamonina iraisam-pirenena sy ny fampahalalam-baovao ary ny fanjakana sy ny fiarahamonim-pirenena izahay amin’ny fanatanterahana izany fihaonana izany.

Antananarivo, 28 aogositra 2015

1 commentaire

Vos commentaires

  • 31 août 2015 à 10:01 | I MATORIANDRO (#6033)

    Tsy misy dikany ny fanamarihana sy ny resa-be ataonareo isan’andro io !

    Tokony haverina @ fanjakana ihany ny fikarakarana ny fifidianana na inona lazaina na inona !

    Ny fanasaziana ireo tompon’andraikitra mpangala-bato sy mpanodikodina ny safidim-bahoaka no tokony amboarina sy hamafisina !

    Samia velon’aina !

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS