Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 19 avril 2024
Antananarivo | 11h59
 

Tribune libre

Ady amin’ny halatra omby sy ny vono olona : Basy ve sa lakilasy ?

mardi 18 septembre 2012

Lasa raharaham-pirenena ny tsy fandriam-pahalemana ankehitriny indrindra fa ny halatra omby sy ny vono olona, saika manerana ny Nosy. Tena loza mihatra anefa ny any amin’ny faritra Atsimon’I MADAGASIKARA , satria efa mahatratra roanjato mahery ny olona maty, 24 ny mpitandro filaminana namoy ny ainy, Tanana roapolo mahery no voadoro may,omby an’anarivony no very,ny tsolotra tsy lazaina intsony. Manoloana ny fitadiavana ny vahaolana hikarohana ny fandriam-pahalemana izay, no mipoitra ny ady hevitra ny amin’ny fomba mendrika hiadivana amin’ny halatra omby sy ny vono olona eto MADAGASIKARA. Ahoana tokoa moa ny fomba ahafahana mitsara ny fahombiazana na tsia ny vahaolana aroso amin’ity tsy fandriam-pahalemana ity ? Tsy tsara ny anaovana vain-drahalahy tsy maharary amin’izao fandehand-raharaha izao. Ny fitondram-panjakana nifandimby dia manesika manohy hatrany ny foton-kevitra miankina amin’ny fitaovam-piadiana isan-karazany ampitondraina ny mpitandro filaminana hikatsahana ny fandriam-pahalemana manoloana ny halatra omby sy ny vono olona. Manjary misy herisetra indray ny vokatry ny fanararaotam-pahefana sy fitakiana tsolotra ary miafara amin’ny vono olona ataon’ireo iraky ny fitondram-panjakana toy ny mpitandro filaminana any amin’ny vahoaka.Lasa mpitandro fanakorotanana ny mpitandro filaminana. Mpifanandrina,mpifahavalo ny vahoaka sy fitondram-panjakana vokatr’izany.

Mifanohitra amin’izany anefa ny fotokevitry ny Dahalo Tonga Saina (D.T.S) noforonin’Andriamatoa TSIAVALIKY hikatsahana ny ady amin’ny halatra omby sy ny vono olona eto MADAGASIKARA, indrindra fa ny any amin’ny faritra atsimo :

Ny fanabeazana, ny lakilasy, ny fifandresen-dahatra, ny fifaneraserana, nyfivavahana no paikady entina handresena ny tsy fandriampahalemana, ka hanafoanana ny halatra omby avy hatrany, toy izany koa ny vono olona. Antoky ny fiovana toe-tsaina sy ny fitondrantena ny olona ny fifaneraserana(Communication). Mpirahalahy mian’ala ny vahoaka sy ny mpitondra fanjakana. Ity misy soatoavina Malagasy hiarahana mahatsiaro sy mahafantatra : Malagasy indrindra fa ny vahoaka any Atsimo dia manome lanja eo amin’ny fiarahamonina ny fifankatiavana, ny fifampitokisana , ny fifanarahana, ny teny ifanomezana, ny kabary nifanaovana hamahana olana.

Koa raha misy fifanolanana na adin’ny mpianakavy, dia izy mianakavy ao anatiny ihany no mifandamina araky ny fifanarahany vokatry ny kabary sy ny fifamelan-keloka ary ny fifampitokisana. Ka raha ohatra ka hitsabahany fianakaviana hafa, fa indrindra ny mpitandro filaminana, na hiakatra fitsarana dia ho ady tsy vita mandrakizay eo a min’ny Malagasy any Atsimo izany. Izay no mahatonga ny mpamorona ny fotokevitra DAHALO TONGA SAINA, Atoa TSIAVALIKY milaza manoloana izao fikorontanan’ny fiarahamonina ao Atsimo izao hoe”Avereno an-dakazera miaraka amin’ny basIny ny mpitandro ny filaminana aloha, fa ankino amin’ireo Ray aman-dReny any an-toerana ny ho fandaminana ny fiarahamonina nisavoritaka io fa lasa vao mainka hitondra fanankorotanana vaovao hafa indray ny mpitandro filaminana hijabaka amin’io raharaha –mpianakaviana io.

Raha dinihana lalina ny fiarahamonina Malagasy indrindra fa ny any Atsimo dia lasa mifanohitra ny fandaminana heveriny fitondram-panjakana sy ny any vahoaka.

Ny fitondram-panjakana mametraka rafitra handinika, hitsara,handamina, handrindra ny fiarahamonina, indrindra raha misy olana, ady, fifanolanana eo amin’ny fiarahamonina. Ny vahoaka kosa indray raha misy fifanolanana ,ka hiakatra fitsarana dia lasa ady tsy ho vita mandrakizay fa hanjary raharaha ifamaliana tsy hisy farany izany. Ny fehiny dia rafitra nantenaina hanirina vao mainka mampivandravandra na ireo rafim-pitondrana nantenaina handamina vao mainka mampisavoritaka.

FAMARANANA : Fandriampahalemana no antoky ny fandrosoana !Tsy afaka handroso I Madagasikara raha tsy tafapetraka tsara ny fandriampahalemana manerana ny Nosy.

Raharaham-pirenena ny fikarohana ny fandriam-pahalemana hoy ny DAHALO TONGA SAINA
(DTS)

Fanazavana ny hevitry ny DAHALO TONGA SAINA :

Na dia tsy mbola mety tonga saina aza ny sasany amintsika , ka raha ny dahalo no tonga saina aloha, mialona ve sa menatra , sa matahotra isika ny ho very fihinana na tombotsoa ka lasa manohitra mafy isika mba tsy ho tonga saina tokoa ny Dahalo ? Tadidio fa tsy ho tonga ho an’ny olona marina I Jesosy Kristy tety an-tany fa ho an’ny DAHALO TONGA SAINA (Mpanota mibebaka). Samy fantatra sy inoana izany ka maninona no ametrahana olana indray raha I TSIAVALIKY no manangana ny foton-kevitry ny DAHALO TONGA SAINA eto Madagasikara ho fitaovana handrarana sy hanafoanana tsy hisy hataka andro ny halatra omby sy ny vono olona manerana ny Nosy fa indrindra ny any amin’ny farita Atsimo. Inona tokoa no hahamendrika ka ho azo lazaina fa mahomby ny vahaolana raisina amin’ny fikarohana ny fandriam-pahalema ?

- Ny fitondram-panjakana manesika hatrany ny mpitandro filaminana hampiasa basy, herisetra,hoentina hikarohana ny fandriampahalemana any amin’ny vahoaka ho fiarovana azy ireny. Eo ihany koa ny fitsarana mbola fitaovana ampiasain’ny mpitondra fanjakana.
- Ny vokatra azo anefa dia maro ny vahoaka maty ,anarivony ny omby very nanjavona, betsaka ireo mpitandro filaminana no namoy ny ainy amperin’asa, ny karazana tsolotra ifanaovana tsy tambo isaina .
- Ny fotokevitra DAHALO TONGA SAINA (D.T.S) noforonin’I TSIAVALIKY indray mampiasa ny fanabeazana, ny fanentanana, ny fifandresehandahatra, ny fitoriana hatao fitaovana hikarohana ny fandriampahalemana manerana an’I Madagasikara fa indrindra ny any Atsimo. Tanjon’ity fotokevitra DAHALO TONGA SAINA ity dia ny hahazoana ny fandriam-pahalemana, ho foana ny halatra omby saingy tsy hisy ny rà latsaka, tsy hisy faty olona, tsy hisy tsolotra. amin’ny alalan’ny fomba milamina, demokratika, lavitry ny herisetra no hikatsahana an’izany fandriampahalemana izany.

Koa manan-jo isika hamaly ny fanontaniana ny amin’izay fomba mendrika hikarohana ny fandriam-pahalemana.

TSIAVALIKY Célestin
Mpamorona ny Fotokevitra DAHALO TONGA SAINA
Mpampianatra mpikaroka Université

Contact Tel :
032 21 141 48
033 40 976 10
034 81 280 99
E_mail : tsiaviliki@yahoo.fr

Miangavy an’izay rehetra manan-kevitra hahafoana ny halatra omby sy vono olona faran’izay haingana eto MADAGASIKARA,mba handefa izany amin’ny Filohan’ny Dahalo Tonga Saina fa hiaraampiharina !

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS