Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 29 mars 2024
Antananarivo | 09h47
 

Malagasy

Vakinankaratra : Mandrosohasina-Ambohibary

4000 olona no tsy maintsy handao ny fonenany

vendredi 22 février 2008 | Princia R.

Na dia tsy nandalovan’ny rivo-doza « Ivan » mivantana aza ny faritra Vakinankaratra dia misedra ny takaitra navelany kosa. Faritra maro no dobo-drano tanteraka raha tsy hilaza afa-tsy iny manamorona ny làlam-pirenena faha-7 iny. Ny alakamisy lasa teo dia nidina nijery ifotony ny holatra navelan’ny « Ivan » ny delegasiona notarihin’ny Lehiben’ny faritra Lanto Rabenatoandro, tamin’ireo distrika tena tra-pahavoazana mafy toy Ambatolampy, Antanifotsy ary Antsirabe faharoa.

Ho an’ny distrikan’ Ambatolampy dia tafakatra hatramin’ny 50%ny tahan’ny tsy fahatongavan’ny mpianatra mianatra noho ny fiakaran’ny rano be loatra. Ho an’ny distrikan’ Antanifotsy dia saika niendaka sy simba avokoa ny tafo sy ny varavaran’ ny EPP Andohafarihy, teo ihany koa ny faharavan’ny trano-tsena. Fa ho an’ny kaominina Mandrosohasina sy Ambohibary dia mirobo-drano tanteraka. 4000 olona no tokony handao ny trano fonenany satria ao anaty rano tanteraka ny fonenan’izy ireo. Tsy nitazam-potsiny ny zava-nisy anefa ny lehiben’ny faritra fa nitondra sy nanolotra vahaolana aingana ka hanomboka rahampitso avokoa ny asa fanarenana rehetra ka ny sekoly sy ny hopitaly aloha no vonjena aingana ary ny toerana hametrahana ireo tsy manan-kialofana, ary hisy ny famatsiana ara-tsakafo azy ireo .

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS