Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 19 avril 2024
Antananarivo | 03h57
 

Malagasy

Vakinakaratra • Hydelec Sahanivotry

26 taona aty aorian’Andekaleka

lundi 13 octobre 2008 | Princia R.
Ilay orinasa mamokatra herin’aratra ao Sahanivotry.

Mpamokatra herin’aratra manana tanjaka 15 Mega VA, sy hery 6300 Volts, ary mamatsy ny tanànan’Antsirabe sy ny manodidina ny HYDELEC ao Sahanivotry. Ny praiministra lehiben’ny governemanta Charles Rabemananjara no tonga nitokana ity orinasa mpamokatra angovo sy herinaratra ity.

“Tonga ny mazava eto Sahanivotry, mihena ny aizina eto Vakinankaratra”. Io no nisongadina tamin’ny kabarin’ireo manam-pahefana nandray fitenenana nandritran’ny lanonana fitokanana ny orinasa Hydelec mpamokatra angovo sy herinaratra ao Sahanivotry, distrika Antsirabe II faritra Vakinankaratra, ny zoma faha-10’ny volana oktobra lasa teo. 30 km atsimon’Antsirabe no misy ny Hydelec, manamorona indrindra ny lalam-pirenena faha-7. Manana tanjaka 15 mega VA ary hery hatramin’ny 6300 volts ny ao amin’ny hydelec. Mitentina 15 tapitrisa Euros ny asa ary ny “banky Afrikana momban’ny Fampandrosoana, ny BFV-SG ary ny Banky Morisianina momban’ny Varotra (Mauritius Commercial bank) no mpamatsy vola. 15 volana no niantombohan’ny asa, izany hoe ny volana jolay 2007. Ny riandranon’ny Miadana ,mirefy 2,60 km, avy amin’ny renirano Ampamehana no loharanon’ny angovo. Mitsofoka amin’ny fantsona 4,5 km milevina ambanin’ny tany, ary mitsinjara amin’ny tariby 19 km. Antsirabe sy ny manodidina no mahazo tombotsoa hatreto, fa efa ao anaty tetikasa ny famatsiana an’I Sahanivotry sy Manandona kaominina manodidina, atsy ho atsy. Ho voavaha ihany koa ny olan’Antananarivo amin’ny fahatapahanjiro fa hamatsy azy ny hydelec.

26 taona aty aoriana vao misy mpamokatra herinaratra vaovao taorian’ny ftokanana an’Andekaleka. Midika izany fa mitombo ny fampiasana ny herin’aratra nefa ny mpamokatra tsy misy fivoarana.Izany indrindra no nahatonga ny fanjakana nanome fahalalahana tanteraka eo amin’ny famokarana angovo mba hisian’ny fifaninanana ka ho afa-pahasahiranana ny vahoaka. Amin’izay fotoana izay dia ho tonga isam-baravarana ny fampandrosoana. Tsy adino teo ihany koa ireo ireo mpandraharaha vahiny noentanina mba hiara-hiasa sy hampiasa ny volana sy ny fahaizany amin’ny fananganana ny tahaka izao. Teo no nahaterahan’ny Hydelec ary izao no porofo mivaingana amin’ny fanatanterahana ny 3P na ny fiaraha-miombon’antoka amin’ny fanjakana sy ny tsy miankina.

Ny Praiminisitra lehiben’ny govenemanta no tonga nanome voninahitra ny fitokanana niaraka tamin’ireo manam-pahefana rehetra avy eto amin’ny faritra Vakinankaratra kosa dia notarihin’ny lehiben’ny faritra Etienne Randimbiharimanana.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS