Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 28 mars 2024
Antananarivo | 14h14
 

Malagasy

Atrik’asa : « VASI-VAHASA » avy any Melan Frantsa

10 andro nanavaozana foto-drafitr’asa

lundi 15 octobre 2007

Nifarana tamin’ny sabotsy lasa teo ny atrik’asa notanterahin’ireo teratany Frantsay mivondrona ao anatin’ny fikambanana « VASI-VAHASA » (Vivre autrement la solidarité Internationale - Volonté d’aménager Harmonieusement Sa hafanilo ) any Melan (frantsa ), natao teny amin’ny ivon-toerana fiofanana Sahafanilo, ao amin’ny fokontany Ambodivonikely, kaominina Sadabe, distrikan’ny Manjakandriana.

Fikambanana mpanao asa soa, ara-tsosialy ny VASI-VAHASA izay manana sampan’asa eto Madagasikara, tantanan’ny mpikambana avy ao amin’ny skoto fanilon’i Madagasikara. Fikojakojana ity ivon-toerana ity sy ny fotodrafitrasa ao aminy no asa natrehana nandritra ny 10 andro ka taorian’ny lamesa natao teny an-toerana ny sabotsy teo dia notsidihana ireo zava-bita tao anatin’ny atrik’asa. Mitotaly 200 ha eo ho eo no velaran’ity ivon-toerana ity izay nananganana ny sampan’asam-pampandrosoana, indrindra ny fambolena sy fiompiana, ka samy voakasiky ny fikojakojana avokoa ny ankamaroany.

Nampiana dabam-pako miisa 5 ireo efa teo aloha, natsangana maharitra ny tranoheva fanaovana fampirantiana, nohavaozina ny paompin-drano miisa 4, notsaboina ireo hazo fihinam-boa miisa 80 fototra, nampiana zezika sns..., nohavaozina ihany koa ny « Bingalow »iray sy ny « infirmerie ».

Fiompiana tantely

Mampiavaka ity ivon-toerana ity moa ny fiompiana tantely manarapenitra ka anisan’ny nokojakojaina ny trano fanatsiahana ny tantely. Miisa 40 ny trano-tantely eny an-toerana izay mamokatra tantely milanja 700 kg isan-taona eo ho eo, raha efa nahatratra 1,8t izany tamin’ny taona 2004.
Fa anisan’ny notsidihana farany ny trano lehibe iray izay natao trano fianarana sy fivoriana, natao hoe « Mandanizato ». Trano may teo aloha izy ity, ary narenina tao anatin’ny atrik’asa.

Hitodi-doha ho any Melan Frantsa ireto mpikambana ao amin’ny VASI-VAHASA any an-toerana ireto izay afapo tamin’ny fandraisana azy sy ny fivoaran’ny ivon-toerana nonenany nandritra ny 10 andro.

Nangonin’i Hery A.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS